Namoaka sary avy eny an'habakabaka tamin'ny Google mampiseho ny ampahan'i Japan tratran'ny fihontsahan'ny tany nandritra ny fihovitrovitry ny tany tao Kumamoto tamin'ny 14, 15 ary 16 avrily 2016 lasa teo ny Google Earth blog (izay tsy ao anatin'ny Google velively):
For example, we can see aerial imagery of the slopes of Mt Aso captured on April 15th, and again on April 16th showing that a large number of landslides took place between the images being captured.
Ohatra, azontsika jerena ny sary avy eny an'habakabaky ny teven'ny tendrombohitra Aso nopihana tamin'ny 15 Aprily, dia avy eo indray ny tamin'ny 16 Aprily mampiseho ny hamaroan'ny fihontsahan'ny tany teo anelanelan'ireo sary nalaina ireo.
Ireo andiana fihovitrovitry ny tany mahery, ka tafiditra amin'izany ilay manana hery 7,0 amin'ny refin'ny hovitra, nahatratra ny atsimo andrefan'ny nosy Kyushu no nahatratra mafy indrindra ny prefektioran'i Kumamoto.
Mora hita avy eny an'habakabaka ny fahapotehana vitan'ny fihovitrovitry ny tany, ary hita ao amin'ny Google Earth amin'izao fotoana izao.
Nangonin'ny blaogy Google Earth ny fampitahana ny taloha sy taoriana izay manome ohatra mahavàka amin'ny habe sy ny halalin'ny fihovitrovitry ny tany.
Mbola misy sarin-janabolana noraisina hafa azo jerena nanditra ny fihovitrovitry ny tany tao Kumamoto ihany koa ato.