Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Nomen'ny Fitsarana Rosiana Sazy Roa Taona An-tranomaizina ny Mpisera Media Sosialy Iray Noho Ny Fampitana Votoaty Tao Amin'ny Vkontake

Andrey Bubeyev. Photo from VKontakte solidarity page.

Andrey Bubeyev. Sary avy amin'ny pejy firaisankinan'ny VKontakte solidarity page.

Nanome sazy roa taona sy telo volana an-tranomaizina ho an'i Andrey Bubeyev, mpisera media sosialy ao an-toerana, ny fitsarana ao amin'ny faritra Tver noho ny fiampangana azy ho mampiroborobo ny extremisma sy ny fisintahana tao amin'ny aterineto.

Araka ny filazan'ny mpanao gazety ao amin'ny sampam-baovao Meduza, izay nanatrika ny fitsarana, ny extremisma sy ny fisintahana iampangana an'i Bubeyev dia noho ny singa roa tamin'ny lahatsoratra nozarainy indray (nampitaina) tao amin'ny pejiny VKontakte (tambajotra sosialy Rosiana toy ny Facebook). Ny votoaty iray dia sarina fantsona borosy nify miaraka ny teny hoe “Kendao i Rosia hivoaka tao,” ary ny iray kosa dia famoahana indray ny lahatsoratra nosoratana mpanoratra hafa mitondra ny lohateny hoe “An'i Okraina i Krimea.”

Tamin'ny teniny farany tao amin'ny fitsarana, nanamafy ny voampanga fa ny Lalàmpanorenan'i Rosia dia mamela ny olom-pireneny “hamaky teny sy hanangom-baovao amim-pahalalahana.” Raha nangatahan'ny Meduza mba haneho hevitra mikasika ny didim-pitsarana i Bubeyev, dia voalaza fa namaly hoe: “Tantara fampisehoana hakingana izy izany.”

Nangataka sazy an-tranomaizina telo taona ho an'i Bubeyev ny mpampanoa lalàna tany am-boalohany. Efa mamita sazy hafa tamin'ny fiampangana extremisma ity mpiserasera ity. Tamin'ny Aogositra 2015, nahazo sazy herintaona tao amin'ny toby fanasaziana izy noho ny lahatsoratra hafa tamin'ny haino aman-jery sosialy sy noho ny fihazonana bala tsy ara-dalàna. Tamin'ny volana Martsa 2016, nankatoavin'ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona Rosiana ho gadra politika i Bubeyev.

Ny didim-pitsaran'i Bubeyev no farany tamin'ireo andiana tranga tao Rosia izay voampanga teo ambanin'ny lalàna “miady amin'ny fihetsika (extremista) ny mpiserasera ary omena sazy an-tranomaizina [mg] na asa hanasoavana fiarahamonina [mg] noho ny famoahana na fizarana votoaty ao amin'ny media sosialy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.