- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nipoitra Avy Amin'ny Tantaram-Pahoriana Tao Tajikistan Ny Fanantenana

Sokajy: Tajikistan, Mediam-bahoaka, Politika, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona
izzat

Izzat Amon, misolo tena ho amin'ny tombontsoan'ny mpifindra monina Tajikistan ao Rosia . Sary nalaina tao amn'ny pejy Facebookn'i Izzat Amon.

Rehefa tsy manana sakafo homena ny zanakao ianao, raha tsy manam-bola ianao handefasana azy ireo any an-tsekoly, raha tsy misy manampy anao  satria vadin'ny “mpamilin'ny mpampihorohoro” ianao, rehefa henjehina ianao satria mahantra sy kivy .

Amin'izay fotoana izay, misy ekipa mpanao gazety tonga ao an-tranonao mba haka sary sy hitafatafa aminao,ary avy eo ny tatitra lasa malaza tampoka ao amin'ny aterineto, ary mahazo fampanantenana ianao fa hahazo fanampiana  avy amin'ny loharanom-bola tsy ampoizina – miasa mafy ny mpiray tanindrazana aminao hivelomana any an-tanin'olona – ary tanteraka ilay fampanantenana.

Footage from Dilbar Gurgova's interview to RFE/RL

Nosintonina avy amin'ny antsafan'ny RFE/RL tamin'i Dilbar Gurgova

Sombiny amin'ny tranga hafahafa niainan'i Dilbar Gurgova izany, renim-pianakaviana mahantra manan-janaka dimy ao Tajikistan Firaisana Sovietika taloha.

Vadin'ny mpamilin'ny Minisiteran'ny Fiarovam-pirenena tao Tajikistan taloha i Gurgova, izay nogadraina satria nandray anjara tamin'ny antsoin'ny governemanta Tajikistan hoe fikomiana [1] [mg] notarihin'i Minisitra Lefitry ny Fiarovam-pirenena teo aloha Abduhalim Nazarzoda tamin'ny Septambra.

Nilaza i Gurgova  fa mpamily tsotra ihany ny vadiny izay nalefa tany am-ponja miaraka amin'ny olon-kafa izay nolazaina fa mpanohana an'ilay jeneraly nalaina baraka novonoina  nandritra ny ady tamin'ny tafi-panjakana.

Tamin'ny alina nolazaina hisian'ny fanonganam-panjakana tao amin'ny firenena Azia Afovoany izay misy mponina 8 tapitrisa, nanao ny zavatra izay efa fanaony foana ilay vadiny hoy izy: nankatò ny baiko avy amin'ny lehibeny hitondra ny mpiasan'ny minisitera tamin'ny fiara voatokana ho an'ny minisitera.

Nanana ny fomba fandikana hafa ny governemanta tamin'ny anjara asany tao amin'ny tohin'ny krizy politika sy ny fiantraikan'izany teo amin'ny fiainany nampahonena.

Fanilikilihana

Nivarotra legioma tao amin'ny tsena ao an-drenivohitra Dushanbe i Gurgova , nefa noroahana teo amin'ilay toerany , rehefa lasa  “vadin'ny mpampihorohoro” ny alin'iny.

Ankehitriny, manadio fivarotana amin'ny karama manodidina ny 10 somoni ( 1.20 $) isan'andro izy, ampiasana ny vola mba hividianana mofo sy saosisy hamahanana ny zanany.

Tsy nahafantatra ny momba ny fahasalaman'ilay vadiny ihany koa i Gurgova nandritra izany , izay hitany indray mandeha monja nandritra ny valo volana hatramin'izay nampidirana azy am-ponja izay.

Manahy izy fa tsy manam-bola hanakarama mpisolovava ho azy, sady vitsy ny  mpisolovava Tajik no mandray an'izany karazana raharaha izany noho ny fanenjehan'ny governemanta izay mpisolovava mahaleotena mijabaka amin'izany. [2]

Tamin'ny resadresaka niarahana tamin'ny ny BBC [3] nanazava i Gurgova fa  noroahana tany am-pianarana ny zanany satria tsy manana ” kiraro madio”.

Nolavina ny fikasany mba hanolotra ny zanany tao amin'ny trano fitaizana zaza kamboty, mba handoavany ny hofan-tranony, satria ny fitaizana zaza kamboty tsy mandray “ny zanaky ny mpampihorohoro”.

Tsy hantenaina ihany koa ny biraon'ny Fampanoavana ao an-toerana, raha hilaza ny kely indrindra.

Nosokafana  ny raharaha ara-pitantanana hanenjehana azy satria tsy nahavita nandefa [4]ny zanany ho any amin'ny sekoly izay nandroaka azy ireo, ary hinoana fa misy lamandy manangasanga any ho any.

Naminavina [5] ny toerana mampahonena misy azy ny mpaneho hevitra iray tamin'ny lahatsoratra momba an'i Gurgova tao amin'ny sampan-draharaha RFE / RL Tajik  :

Макомоти мо, аниктараш мардуми точики мо як менталитет доран, агар дар лаби чох бинат бо як лагати дигарт мезана ки дарунтар брай. Хай шавхарш хоин бромад, айби зану кудакои у дар чияй? Ба ин зан сабуки додан лозим. Макомоти мо барои худро ширинтар кардан боз кушиш мекунан, ки ба оилахои онхо (хоинон) хам бади кунанд.

Manana  kolontsaina mandaka anao ho any amin'ny lalindalina kokoa ny manam-pahefana eto amintsika, sy ny olona  amin'ny ankapobeny, raha hitany fa manana olana ianao. Ekena, fa mpamadika ny vadiny , nefa inona moa ny fahadisoan'ilay ramatoa sy ny zanany? Tokony omena  fanampiana ity vehivavy ity . Miezaka mampijaly na dia ny fianakavian'ny mpamadika aza ireo manam-pahefana satria te hahazo tombontsoa avy amin'ny fampisehoana ny vokatra amin'ny lehibe.

Nieritreritra ny hamono tena mihitsy i Gurgova. Lasa fomba fanao mampanahy ao Tajikistan [6] ny reny mamono ny tenany sy ny zanany satria mahazo an'i Rosia ny krizy ara-toekarena izay ahitana teratany manodidina ny iray tapitrisa  mipetraka sy miasa ao.

Tanana manampy

Nisy fiovana anefa taorian'ny lahatsary fanadihadiana [7] voalohany niarahana tamin'ny sampan-draharaha RFE / RL Tajik izay nisarika ny sain'ny maro.

Nasaina nandoa onitra [8] tamin'ny governemanta avy hatrany ny mpampianatra telo tao amin'ny sekoly fianaran'ny zanany  noho ny fanilikilihana, ary noterena ny sekoly.hanao anjara biriky kely manoloana ny vola lany amin'ny fianarana

Fa ny tena zava-dehibe kokoa nampanantena [9]i Izzat Amona, mpahay lalàna malaza Tajik monina ao Moskoa fa [9]hanangona [9]fara fahakeliny 1000 TJS ( 125$) ho azy isam- bolana ny orina mpanasoa tantanan'ny Tajik mpifindra monina ao Rosia [9].

Vao niverina vao haingana tao Dushanbe i Amona ary nitsidika [10] an'i Gurgova sy ny zanany. Fantatry ny Tajik any ampielezana izy, ary manampy mivantana ny mpifindra monina Tajik anjatony ao Moskoa sy manakiana ny governemanta ho tsy miaro ny zony, .

Derain'ny [11] Tajik mpisera aterineto ny asa soa ataon'i Amona sy ny namany, ary nitsikera ihany koa izy ireo ny amin'ny tsy firaharahian'ny governemanta  ny vehivavy marefo:

Абди Бекназаров Офарин ! Да туйи хамаашон иштирок бикунем, Омин !!!

Tsara izany! Inshallah , any aoriana any isika hahita ny fampakaram-badin'ireo ankizy ireo.

Parvonai Tu Бале дусти азиз Иззат, Худо аз шумо рози бошад! Кумитаи занхову дигар макомот танхо пас аз худкушии занхо сабаб чи бошад гуён баъзан овоз мебароранд! Дигар коре аз дасташон намеояд ба чуз орову торо ва дар курсихо нишастан!!!

Ry namako, Izzat, enga anie Allah ho faly aminao! Rehefa avy mamono tena ihany ny vehivavy vao manandratra ny feony ny [Fanjakana] Komity Mpiandraikitra ny Raharaham-behivavy sy ireo manam-pahefana hafa. Tsy afaka manao na inona na inona afa-tsy ny mipetraka eo amin'ny seza sy mihosotra taniravo sisa ry zareo !!!

Tamin'ny  tafatafa niarahany tamin'ny BBC- taorian'ny lahatsarin'ny RFE / RL izay nahasarika ny sain'i Azzat – Nilaza i Gurgova fa nahatsapa ho meloka izy satria manoka-potoana sy vola hanampiana azy ny mpifindramonina ao Rosia izay miatrika ny firongatry ny fankahalana ireo mpihavy sy ny herisetran'ny polisy, na dia tsy miaramitsangana aminy manoloana ny fahafaham-baraka atrehany aza.

Mazava loatra fa raha mbola manasa tànana ny amin'ny fijalian'ny olon-tsotra ny governemanta dia ny firaisan-kina no endrika tsara indrindra ho amin'ny fiavotan-tena,  .