Gadra maherin'ny 800 izay gadra politika ny ankamaroany no heverina fa ao anatin'ny toe-javatra mampidi-doza taorian'ny fikomiana tao amin'ny Fonjaben'i Hama, avaratry ny renivohitra Damaskosy izay manohitra ny famindrana ireo dimy voafonja, voaheloka ho faty, any amin'ny toeran-kafa ao amin'ny fonja malazan'ny Miaramila Sednaya. Nokarakaraina ihany koa ny fikomiana mba hitakiana ny hisian'ny fitsarana sy ny fepetra tsara kokoa ao am-ponja.
Rehefa naka ireo mpiambina ny fonja ho takalon'aina ireo gadra, nohodidinin'ny tafiky ny fitondrana ny fonja, no sady mitifitra amin'ny bala tena izy, baomba solika sy entona mandatsa-dranomaso eo amin'ny toerana feno olona. Nilaza ny mpikatroka fa tsy misy herinaratra sy rano ny fonja nandritra ny efatra andro ary misy ny porofo tsy mitsaha-mitombo fa mety hisy ny famonoana ireo gadra, izay efa miaina ao anatin'ny fepetra ratsy sy iharan'ny fanitsakitsahana tafahoatra amin'ny zon'olombelona.
Niharatsy ny fifandonana nanomboka tamin'ny Alatsinainy, ary efa manao fanairana amin'ny aterineto ny mpikatroka, mizara lahatsary nalefan'ireo gadra tao amin'ny media sosialy, mampiseho ny fihitaran'ny krizy ankehitriny. Nivezivezy ihany koa ireo sary ahitana ny tafiky ny fitondrana mivonona hanafika ny fonja.
#BREAKING#FirstFootageRelease of the revolting detainees in #Hama Central Prison#SAA have surrounded the Complexhttps://t.co/MIFZTahWm3
— ۞Logical⚔Liberator۞ (@ShamiRebel) May 2, 2016
Sary voalohany nalefa misy ireo gadra mikomy ao amin'ny Fonjaben'i Hama mihodidina ny Toerana
Footage of prisoners in #Hama central prison attempting to ram-down the sealed main gates.https://t.co/kix0p00127
— ۞Logical⚔Liberator۞ (@ShamiRebel) May 2, 2016
Sarin'ireo gadra ao amin'ny fonjaben'i Hama miezaka manosika ny vavahady lehibe mihidy gadena.
Tao amin'ny Twitter, nizara ity sary avy ao amin'ny fonjan'i Hama ity i Luna Watfa ary nitatitra hoe:
800prisoners trapped inside #Hama central prison,What threaten massacre 2happen there#save_Hama_political_detainees pic.twitter.com/lpmxrdTzD7
— Luna Watfa (@luna_alabdalla) May 6, 2016
Gadra 800 no voafandrika tao anatin'ny fonjaben'i Hama, fandrahonana vono olona mety hitranga ao.
Nilaza i Abdalaziz Alhamza fa gadra roa no maty nisy namono:
The situation in #Hama prison is horrible, 2 detainees have been killed , the Syrian regime will make another massacre there#SOS .
— Abdalaziz Alhamza (@3z0ooz) May 6, 2016
Mahatsiravina ny toe-draharaha ao amin'ny fonjan'i Hama, gadra roa no namoy ny ainy, hanatanteraka vono olona hafa ao indray ny fitondrana Syriana
Nizara ny fahoriana mahazo azy ireo gadra ao anatin'ny fonja, ary miantso ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona mba hirotsaka an-tsehatra hanakana izay mety ho famonoana. Tao amin'ny haino aman-jery sosialy, namoaka izao fanambarana manaraka izao tao amin'ny pejin'izy ireo ny mpikatroka Syriana mba hanasongadina ny manjò ireo gadra;
We are Syrian activists extend without exception this distress call to all international human rights, humanitarian organizations, and to the Organization of Red Cross and Red Crescent Societies, the request to extend assistance to the political detainees in the Central Prison of Hama, after they carried out the intractability of protest against the arbitrary trials suffered by the prisoners, which resulted in the Syrian regime's determination to execution death sentence to many of them. . After negotiations with the regime failed to improve the conditions, the detainees were given deadline until 5 am Damascus time to lift the deadlock. In case the detainees did not comply with this threat, the Syrian regime forces will attack the prison in a military operation which is expected to produce a terrifying massacre against the detainees. . We call upon all international bodies to intervene to prevent an imminent massacre in the coming hours and that upon the request of the detainees, also calls upon the international community to shoulder its full responsibility to deter the Syrian regime against any reprisals action against the detainees. . We hold the international community and human rights organizations responsible for the massacre, which is expected to be committed in the prison by the regime.
Izahay dia Syriana mpikatroka manitatra tsy misy fanavakavahana ity antso vonjy ity amin'ny mpiaro ny zon'olombelona, ny fikambanana mpanao asa soa sy ny Fikambanan'ny Vokovoko Mena sy Volatsinana Mena mba hangataka fanampiana ho an'ireo gadra politika ao amin'ny Fonjaben'i Hama, rehefa avy nanatontosa fihetsiketsehana manohitra ny fitsarana tsy amin'ny antony iaretan'ireo gadra izy ireo, izay nitarika ny fahavononan'ny fitondrana Syriana hanatanteraka fanamelohana ho faty ho an'ny maro amin'izy ireo. Rehefa tsy nahomby tamin'ny fanatsarana ny fepetra any am-ponja ny fifampiraharahana tamin'ny fitondrana, nomena fe-potoana hatramin'ny 5 (ora ao Damaskosy) ireo voafonja mba hanala ny fanidiana azy ireo. Raha toa ka tsy manaja ity fandrahonana ity ireo gadra, dia hanafika ny fonja amin'ny alalan'ny bemidin'ny miaramila ny fitondrana Syriana izay atahorana hiteraka vono olona mahatsiravina eo amin'ireo gadra. Miantso ny fikambanana iraisam-pirenena rehetra izahay mba hirotsaka an-tsehatra hanakana ny vono olona efa antomotra ao anatin'ny ora maromaro ary izany dia noho ny fitakian'ireo gadra, izay miantso ny fiarahamonina iraisam-pirenena mba handray ny andraikiny feno hanakanana ny fitondrana Syriana amin'izay hetsika famaizana ataony amin'ireo gadra. Tompon'andraikitra amin'ny vono olona, izay atahorana ataon'ny fitondrana ao amin'ny fonja ny fiarahamonina iraisam-pirenena sy ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona.
Avy ao anatin'ny fonja Hama, mizara ity antso ity ao amin'ny YouTube ny gadra iray, izay milaza fa tsy nahazo sakafo nandritra ny telo andro ireo gadra:
Araka ny filazan'ny pejy Facebook gadra ao amin'ny fonjaben'i Hama, an-dalana ny fifanarahana atao amin'ny fitondrana mba hamerina ny tolotra toy ny rano sy ny fanomezan-tsakafo sy ny fanafody ao am-ponja. Ho takalon'izany, tsy maintsy mitsahatra ny fikomiana.
Syriana an'arivony no nampidirina am-ponja tsy misy fiampangana ary iharan'ny fampijaliana hatramin'ny nanombohan'ny fihetsiketseha-panoherana ny fitondrana nipoaka manerana ny firenena tamin'ny volana Martsa 2011. Ary Syriana maherin'ny 270.000 no namoy ny ainy tao anatin'ny dimy taonan'ny ady ao Syria.
Aza misaraka aminay raha hanaraka ny vaovao farany.