Tantara tamin'ny 12 Mey 2016
Nipoitra Avy Amin'ny Tantaram-Pahoriana Tao Tajikistan Ny Fanantenana
Nahilikilika teo amin'ny fiarahamonina ary latsaka tanaty fahantrana i Dilbar Gurgova rehefa voatazona sy voarohirohy tamin'ny ekstremisma ny vadiny. Nanampy azy haingana ny mpiray tanindrazana ao Rosia.
Nomen'ny Fitsarana Rosiana Sazy Roa Taona An-tranomaizina ny Mpisera Media Sosialy Iray Noho Ny Fampitana Votoaty Tao Amin'ny Vkontake
Nanome sazy roa taona sy telo volana an-tranomaizina ho an'i Andrey Bubeyev, mpisera media sosialy ao an-toerana, ny fitsarana ao amin'ny faritra Tver noho ny fiampangana azy ho nampiroborobo ny extremisma sy ny fisintahana tao amin'ny aterineto.
Manao Fanairana Ny Mpikatroka Syriana Noho ny Vono Olona Mety Hitranga Ao Amin'ny Fonja Hama
Miantso fanairana ny mpikatroka manoloana ny manjò ireo gadra maherin'ny 800 ao amin'ny fonjaben'i Hama, izay gadra politika ny ankamaroany, taorian'ny fikomiana nataon'izy ireo mba hitaky ny zon' izy ireo.
Fantaro Ireo Sahrawis Roa Mpamokatra Lahatsary Sady Mpikatroka Sahy Nandrakitra An-tsary Ny Fanitsakitsahana Zon'Olombelona
“Tandindonin-doza mandrakariva aho, eny fa na tsy mandrakitra lahatsary akory aza.,” hoy i Mariem Zafri, mpikatroka mafàna fo amin'ny media raha niresaka ny loza mitatao aminy rehefa manao ny asa fandraketany lahatsary ho fisoloana vava.
Lahatsary Fanomezam-boninahitra, Mampifanaraka Ny Fanononana imolotr'ireo Iraniana Ny Fitiavan-dry Zareo ilay Kalazan'ny Mozika, Mohammed-Reza Shajarian.
Hoy ny bitsiky ny Avideh hoe: "Shajarian, feon'ny vahoakan'i Iràna: #Maestro_we_love_you (Tiako/Tianay ianao) #Shajarian"