Taratasin'i Panama: Nandrehitra Ny Hadisoam-panantenan'ireo Indiana Fotsiny Ny Valintenin'ny Governemanta

Pikantsary avy amin'ilay angondrakitra azo karohana natolotry ny Fiaraha-misalahin'ireo mpanao gazety mpanadihady.

Niaraka tamin'ny ampamoaka farany avy amin'ireo Taratasin'i Panama namatrapatratra ny hoe firenen'ny mpanana sy ny mahantra i India, mametraka fanontaniana ny amin'izay ho valiny avy amin'ireo eo amin'ny fahefana ry zareo Indiana ety anaty media sosialy.

Tany ampiandohan'ny herinandron'ny 9 May dia namoaka angondrakitra iray ety anaty aterineto ny Fiaraha-misalahinìireo Mpanao Gazety Mpanadihady (ICIJ), ka ao anatin'izany ireo mpampiasa dia afaka mikaroka anarana maherin'ny 300.000, olona na orinasa izay mipoitra ao anatin'ireo Taratasin'i Panama navoakan'ilay fikambanana,  momba ireo harena any ivelany, ara-dalàna na tsia,  afenin'ireo sangany manerantany.

Angondrakitra santionany monja ihany io avy amin'ireo antontan-taratasy maherin'ny 11,5 tapitrisa naporitsaky ny Mossack Fonseca, orinasa iray momba ny lalàna miasa ao Panama, ary nohalalinin'ireo mpanao gazetin'ny ICIJ sy ireo tambajotram-baovao mpiara-miasa manerantany.

Antontan-taratasy efa ho 37.000 mifandray amin'i India no navoakan'ny ICIJ ho ampahany amin'ilay angondrakitra, ary ao anatin'ireo dia misy olontsotra, vondrona ary adiresy Indiana miisa 2.000. Araka ny lazain'ny  Press Trust of India, manodidina ny 22 ireo vondrona any ivelany, 1.046 ireo manampahefana na olontsotra, 42 ireo mpanelanelana ary marobe hatramin'ny 828 ireo adiresy.

Tamin'ny Aprily no nambara ny voka-pikarohan Taratasin'i Panama, ary nahitàna ireo vaovao milaza fa ireo mpilalao sarimihetiska lohalaharana ao Bollywood, mpandraharaha ary olona hafa mitàna toerana ambony ao India dia manana na efa nànana harena nafenina tany ivelany. Nitarika ny governemanta Indiana io hamorona vondrona masoivoho maro rantsana handinika izay fomba fanao tsy mendrika rehetra, ivondronan'ireo manampahefana avy aminà masoivohom-pitsikilovana maro toy ny departemantan'ny fampidiran-ketra, ny Banky Tahirin'i India ary ny Hetra Ivelany sy ny ny Fikarohana momba ny Hetra.

Nanambara ihany koa ny governemanta fa ny departemantan'ny Fampidiran-ketra dia nandefa fampahatsiahivana ho an'ireo sampana maro voatanisa ao anatin'ireo taratasy ireo.

Saingy ao amin'ny Twitter sy Facebook, heverin'ny sasany amin'ny Indiana fa tsy ampy ny nataon'ny governemanta tarihan'i Narendra Modi.

 

Eto India, kasaoka kelin'ireo ravina maina netsehin'ny tsio-drivotra kely monja ny #panamapapers

Raha hentitra i Modi momba ny fitondrana ireo vola maloto ireo hody, tokony avy hatrany izy dia mampanao fanadihadiana & sy miasa miainga amin'ireo torohay nomena ao anatin'ireo #TaratasiniPanama

Na tany alohan'ilay famoahana ilay angondrakitra aza, efa tsy dia nantenaina loatra ny momba izay ho valiny avy amin'ny governemanta.

Ireo naman'i Modi, ry Adani, Amitabh sy Ajay Devgan dia samy tia tanindrazana nihiaka ny Bharata Mata Ki Jai daholo. Samy hita ao anatin'ireo #TaratasiniPanama daholo koa izy rehetra

“Bharat Mata Ki Jai” midika hoe “Fandresena ho an'i Neny India.”

Miaro ny fandehan'ilay hetsika natao aza ny sasany :

Nandefasana filazana hetra daholo ireo anarana voatanisa ao anatin'ireo #TartasiniPanama. Hentitra fiasa ny govt Modi. Nangina daholo izao ireo nitabataba be!

Ao amin'ny Facebook, Rabindra Nath Roy nitaraina hoe be resaka ireo manampahefana fa tsy nisy fepetra miady amin'ny kolikoly akory mba nataony :

Efa ela ny govt Modi no tsy nanao na inona na inona momba ny hanaovana fanadihadiana ireo anarana Indiana nivoaka tao anatin'ireo Taratasin'i Panama, maro amin'izy ireny no  [avy amin'ny antokon'ny mpitondra, ny Bharatiya Janata] sy hatramin'ireo mpitarika [ny fanoherana Indiana ao amin'ny Kaongresy Nasionaly]. Ary ny fampielezankevitr'i Modi tamin'ny fifidianana dia hoe hatramin'ny nandraisany fahefàna tsy nisy ny kolikoly. Raha ny marina dia mikimpy tsy mahita ny olan'ny kolikoly izy, raha tsy ohatra angaha ka misy tombony amin'ny fifidianana ilay izy.

Nandritry ny fifidianana izay ho solombavambahoaka tamin'ny 2014, nanome toky i Modi fa hamongotra tanteraka ny kolikoly ao anivon'ny governemanta. Famelezana mivantana ny mpitarika ny Kaongresy Nasionaly Indiana, antoko mpanohitra io, izay lasibatry ny tantara ratsy samihafa momba ny kolikoly.

Saingy roa taona tao anatin'ny fitantanan'i Modi dia mbola manontany tena ihany ny vahoaka momba ny tsy fisian'ny hetsika ifotony nataony. Ireo Taratasin'i Panama sy ny fanehoankevitra naterany tety anaty media sosialy dia tondro mampiseho izay tsy fahafaliana mitombo hatrany eny anivon'ny vahoaka sy ny fiarahamonina sivily izay.

Ramesh Sharma nanoratra fa ny fahamoran'ny fahafahan'ireo mpampiasa miditra amin'ilay angondrakitra dia mety hanampy ireo manampahefana amin'ny fanadihadiana ataon-dry zareo — “raha tena matotra ry zareo”:

Miaraka amin'ny fisian'ireo angondrakitra manontolo avy amin'ireo Taratasin'i Panama azo raisina amin'izao fotoana izao, fotoana toa inona no ilaina mialohan'ny hahitantsika ny marina amin'izay tena habetsahan'ny vola maloto navoaka any ivelan'i India ho any amin'ireo paradisan'ny hetra. Mety hanampy ireo mpanadihady io, raha matotra izy ireo, mba farafaharatsiny hanombohana fanadihadiana tena matotra sy misy dikany. Mora ampiasaina rahateo ilay tranonkala, ny anarana no ilaina tendrenao mba hambaboana ireo kamo sy tsy nanarona ny diany taminà orinasa matoatoa maro sosona

Ary ny sasany nanakiana hoe ny rafi-pitsaràna Indiana dia mitongilana manome vahana ny mpanankarena :

Azoko antoka fa tsy hisy ho voasambotra na izay aza amin'ireo, noho ny gaboraraka amin'ny rafi-pitsarantsika, ao anatin'ny rafi-pitsarantsika ihany no ny mahantra no saziana ary ny manankarena afaka manakarama mpisolovava marobe sy mitaritarika raharaha mandritry ny taona [marobe] ary farany dia afaka izy.

Andraikitry eo an-tsoroky ny governemanta Indiana sy ireo masoivoho mpampihatra lalàna ny fitondrana ireo rehetra tafiditra amin'ny fandosirana tsy ara-dalàna ny fandoavana hetra ho eny amin'ny fitsaràna. Hanaraka akaiky ny valiny asetrin'izy ireo izany ny Indiana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.