- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Firenena Mikambana Miresaka Ny Hoavin'Ireo Mpampandry Tany Any Andrefan'i Sahara, Ny Sahrawis Kosa Mamoaka An-gazety Ny Resaka Zon'Olombelona

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Maraoka, Sahara Andrefana, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika
The frustration with the status quo can be seen in recent footage of demonstrations in Western Sahara. On Monday, several coordinated protests took place throughout the territory. Photo credit: screen shot from protest video shared on YouTube by the Sahrawi Centre for Media and Communication

Azo tarafina avy amin'ny sary tamin'ireo fihetsiketsehana tao Sahara Andrefana ny hadisoam-panantenana amin'ny zava-misy ankehitriny. Ny Alatsinainy 25 Aprily teo, betsaka hetsi-panoherana  voarindra nitranga nanerana ilay faritra. Sary: pikantsary avy amin'ny hetsi-panoherana nozarain'ny Foiben-toerana Sahrawi ho an'ny Media sy ny Fifandraisana.

Fanamarihan'ny mpamoaka lahatsoratra: Tao amin'ny Watching Western Sahara Checkdesk [1], vovonana iray iarahana miasa mba hitsongàna sy hampanarahana vaninandro ireo lahatsary avy any Sahara Andrefana, no nivoaka voalohany ny lahatsoratra niandohana.

Nosoratan'i Madeleine Bair

Raha nihaona tamin'iny herinandron'ny 25 Aprily iny ireo diplaomaty iraisampirenena mba hamaritra izay hoavin'ny Iraka Mpampandry Tany Avy amin'ny Firenena Mikambana any Sahara Andrefana, nanao hetsi-panoherana nitakiany ny fizakantenany sy ny fanajàna ny zon'olombelona kosa ireo mpanao fihetsiketsehana nanerana ilay faritra voabodo.

Efa ho efapolo taona mahery no nisy ny fifandirana momba ny fiandrianan'ny faritra Sahara Andrefana. Taorian'ny nisintahan'i Espaina tamin'io zanataniny taloha io, namaky ady iray i Maraoka, nifanandrinany tamin'ny Tafika Mahaleotena Sahrawi avy amin'ny Mandatehezana Plisario. Tamin'ny fotoana nifampiraharahàn'ny Firenena Mikambana mba hisian'ny fampitsaharana poabasy, ny taona 1991, an'aliny maro ireo Sahrawis nafindra ho any amin'ireo toby Alzeriana natao ho an'ny mpitsoa-ponenana. Ankehitriny, ao anatin'ny lisitry ny Firenena Mikambana ahitana ireo faritany tsy mahazaka tena [2] ity faritra ifandroritana ity. Iray amin'ireo dingana nifaneken'ny rehetra ny hanaovana fitsapankevibahoaka mba hahafahan'ireo Sahrawis mifidy ny fahaleovantena na hiditra ho ao anatin'i Maraoka, saingy tsy mbola izay aloha no zava-misy.

Nandray ny fanapahana fanaony isantaona ny Filankevi-Pilaminan'ny Firenena Mikambana mba hanitarana ny iraka fampandriana tany ataony [3], fantatra amin'ny hoe MINURSO, tamin'ny 29 Aprily, mba hanampiana taona iray indray ny fepotoana iasan'ilay iraka. Niantso ny Firenena Mikambana ireo Sahrawis sy ireo mpandresy lahatra iraisampirenena mba hanitatra ny asan'ilay iraka hatrany amin'ny fanarahana maso ny zon'olombelona [4]. Ny Talata 26 Aprily, ilay iraky ny Firaisambe Afrikana ao Sahara Andrefana, filoha Mozambikàna fahiny, Joaquim Chissano, dia nangataka fametrahana tetiandro [5] hanaovana ilay fitsapankevibahoaka.

Azo tarafina avy amin'ny sary tamin'ireo fihetsiketsehana tao Sahara Andrefana ny hadisoam-panantenana amin'ny zava-misy ankehitriny. Ny Alatsinainy 25 Aprily teo, betsaka hetsi-panoherana voarindra nitranga nanerana ilay faritra.

Ao anatin'ny fihetsiketsehana eto ambony, vehivavy iray no mitàna ny saina Sahrawi raha ireo mpanao fihetsiketsehana kosa mitaky ny fizakantena — heloka bevava eo ambanin'ny lalàna Maraokàna, izay mandràra ireo fikambanana sy olontsotra tsy hankahàtra ny fiandrianam-pirenena Maraokàna [6] manerana ny faritry ny taniny. Mihiaka amin'ny teny  Arabo, takian'ireo mpanao hetsi-panoherana ny hanonganana ny fitondràna ary ny zo hanana fizakàntena

Notakian'ireo hetsi-panoherana natao ny Alatsinainy ihany koa ny rariny ho an'i Brahim Saika [7], mpikatroka mpitarika nafàna fo tamin'ny hetsika ho an'ny zo ara-toekarena Sahrawi. Maty tamin'ny 15 Aprilyi Saika [8] tao amin'ny hopitaly iray ao Maraoka, nandritry ny fotoana nitazonana azy.   

Raha mila lahatsary misimisy kokoa notsongaina avy any Sahara Andrefana, tsidiho ny Watching Western Sahara Checkdesk [1], tetikasa iray an'ny WITNESS Media Lab, tao no namoahana ny dika voalohany  niandohàna tamin'ity lahatsoratra ity.