Didian'ny Fitsaràna Ao Afrika Atsimo Hamerina Ny Volam-bahoaka Ny Filoha Zuma

Zuma's compound. Photo by John A Forbes. Released under Creative Commons.

Ny tanànaben'i Zuma. Sary an'i John A Forbes. Navoaka teo ambanin'ny Creative Commons.

Nanaiky ny Fitsaràna momba ny Lalàm-panorenana ao Afrika Atsimo, izay fitsarana ambony indrindra ao amin'ny firenena, narahan'ny tolokevitry ny mpiahy ny vahoaka ary niteny mafy tamin'ny Filoha Jacob Zuma noho ny fanitsakitsahany ny lalàm-panorenana, taorian'ny tsy nahavitàny namerina ny vola nampiasainy ho fampanarahana fenitra ny fiaraovana ilay tanànany any ambanivohitr'i Nkandla, tanàna iray ao Kwazulu Natal. Nodidian'ny fitsaràna ny filoha hamerina izy tenany ny vola, araka izay nofaritan'ny departemantan'ny Tahirimbola.

Tamin'ny 2014, hitan'ny tatitra iray avy amin'ny mpiahy ny vahoaka ao Afrika Atsimo, Thuli Madonsela, fa nahazo tsy an-drariny fampanarahana fenitra ny fiarovana ny toeram-piompiany ao Nkandla  ny Filoha Jacob Zuma, izay nandoavan'ireo mpandoa hetra efa ho 250 tapitrisa rands, na 25 tapitrisa dolara amerikana. Takian'ilay mpiahy ny vahoaka ny hamerenan'i Zuma ny ampahan'io vola io amin'ny fanjakana.

Na izany aza, ny 28 May 2015, Nkosinathi Nhleko, minisitry ny Polisy notendren'i Zuma, dia namoaka ny tatitra avy aminy momba ny Nkandla, mahita fa fiarovana mitombina ny an'ny dobo filomanosana, ny vala fiompiana biby, ny fihenjen'ny akoho, ny foibe ho an'ny vahiny mpitsidika sy ny trano fanaovana fety, ary tsy mila mamerina vola na kely akory aza ny filoha.

Navoitran'ilay tatitra fa ankoatry ny maha-zavamasina azy amin'ny kolontsain'i Zuma, dia manakana ireo biby tsy hanaitra ireo mpitily fihetsehana sy hiteraka savoritaka ilay valam-biby fiompy, raha manana tanjona fiarovana goavana kosa ilay trano fanaovana fety amin'ny fampiasàna azy ho toy ny toerana fivoriana maika ho an'ny fianakavian'i Zuma. Ilay foibe ho an'ny mpitsidika indray dia manome toerana ho an'ny fiainana manokan'ny tena ary ny dobo filomanosana dia aroloza tena ilaina raha sanatria misy ady atao amin'ny haintrano.

Tamin'izany fotoana izany, naneho ny hatezerany ireo Afrikana Tatsimo, momba ireo famborahana ireo, ary nanery an'i Zuma hamerina ny vola. Naparitak'ireo mpampiasa Aterineto ny tenifototra #PayBackTheMoney (AverenoNyVola) sy #WeWantTheMoney (IlainayNyVola)

Farany dia nentin'ireo antoko politika roa mpanohitra matanjaka, ny Economic Freedom Fighters sy ny Democratic Alliance, ho eny amin'ny Fitsaràn'ny Lalàm-panorenana ny raharaha.

Rehefa nivoaka ny vaovao momba ireo ‘fanavaozambaovao’, nezahan'ny governemanta ny hampangina ireo mpampahalala vaovao tamin'ny filazàna fa na iza na iza mamoaka sary na lahatsary momba ny tranon'i Zuma dia mety hiharan'ny fisamborana satria manitsakitsaka ny Lalàna Nasionalin'ny Teboka Manandanja (faritra mena).

Kanefa, tao Afrika Atsimo, notsinontsinoavin’ireo mpampahalala vaovao ilay fandraràna, niaraka tamin'ny gazety Times namoaka saripika maromaro narahana lohateny hoe “Tairo ary, Sambory izahay.” Marobe ireo mpampiasa Facebook nampiasa ireo sary ho toy ny “sary amin'ny pejy fandraisany” tany amin'ny pejin'izy ireo manokana.

Rehefa avy namoaka ny didiny ny Fitsaràn'ny Lalàm-panorenana, nolazain'ny Filoha Zuma fa manaja ilay didy izy ary hanatanteraka izany. Taty aoriana kely izy dia niala tsiny tamin'ny firenena, tao anaty fanambaràna iray nalefa tamin'ny fahitalavitra, nilazàny fa tsy nahalàla ny fisian'ny tsy fanarahan-dalàna nifandraika tamin'ny fanatsaràna ny fiarovana ny toerana fonenany izy.

Ireo olo-malaza, politisiana mpanohitra, ary olompirenena tsotra ao Afrika Atsimo dia samy tsy niraharaha ilay fialantsininy, nilaza fa tokony ho ny fametrahany fialàna no natolony.

Iray mpampiasa Twitter, i Russel Brueton, niteny hoe :

Ny fialantsiny mendrika indrindra azony omena antsika dia ny fametrahany fialàna. Poakaty io. Fotoana izao ho an'ny Parlemanta hanaovana #fitsipaham-pitokisana an'i #Zuma

Mpampiasa iray hafa nanoratra hoe :

Nixon tamin'ny 9 Aog 1974 : ‘Mametraka ny fialàko tsy ho filohan'i Etazonia intsony amin'izao ora izao aho’ . #Zuma ny 1 Aprily 2016: ‘Miala tsiny aho’

Nanao fialantsiny ihany koa i Baleka Mbete, mpitarika ny ANC sady mpitondra tenin'ny Antenimieram-Pirenena :

Amin'ny anaran'ny tenako manokana sy ny Antenimieram-Pirenena, manolotra fialantsiny amin'ny firenena aho noho ny fomba nataonay niatrehana ny raharaha Nkandla

Hitan'ny fitsaràna ho nanao antsirambina ny andraikiny manoloana ny lalam-panorenana ihany koa ny Antenimieram-Pirenena tamin'ny fitànana ny filoha ho tomponandraikitra.

Marobe ireo Afrikàna Tatsimo mitohy mitaky amin'ny Filoha Zuma hametraka fialàna, raha ny mpanohitra avy amin'ny Alliance Democratka kosa nanomboka tamin'ny fomba ofisialy ny dingana iray ho fitsipahana azy.

Nahazo famerenana efa maherin'ny 2.500 ny bitsika iray avy amin'ilay antoko nangataka tamin'ìireo Afrikàna Tatsimo ny mba hamerenana mizara izany bitsika izany, ho mariky ny fanohanana ny hanaovana fitsipahana fitokisana.

AVERENO BITSIHANA raha toa ianao manohana ny fitsipahana fitokisana takian'ny Alliance Democratique (DA) hatao amin'i #Zuma taorian'ny namoahan'ny #FitsaranLalampanorenana hoe nanitsakitsaka ny lalàm-panorenana izy

Lasa lohahevitra mivaivay teny anaty adihevitra ilay olana ary adihevitra tao amin'ny Twitter, toerana izay nampalaza azy taminà tenifototra isankarazany, toy ny #ImpeachZuma, #ConCourt, sy  #Nkandla.

‘Tokony Hiala i Zuma’

Nangatahan'i Chanda Mfula ny ANC, antoko eo amin'ny fitondràna, mba hihatakataka amin'i Zuma:

Nandoto ny anarany tamin'ny fomba tsy azo hiverenana intsony i Jacob Zuma ary tsy maintsy manilika azy ny #ANC na dia ho noho ny tantara fotsiny ihany aza

Ny hafa naneho ahiahy momba ny hoe filoha amperin'asa nefa tsy nahavita niaro ny lalàm-panorenan'ny firenana :

#TsipahoZuma…tsy afaka hanana filoha tsy manaja ny lalàm-panorenana isika, mitohy mihambo izy fa hoe eo mba hiaro azy io

iTechHub SA nanamarika hoe :

Fanontaniana manidintsidina ihany ny hoe tokony hiala na hijanona eo i Zuma. Efa namoaka didy ny fitsaràna. Tsy mendrika izy. Nolaviny ny fianianàny handray fahefàna.

Fanirian'i Rhulani Bila ny mba hitarihan'i Afrika Atsimo ireo firenena Afrikàna hafa, mba ho ohatra:

Ny Afrikàna Tatsimo no tokony hiteny amin'ireo Afrikàna hafa mba hanaisotra ireo mpanao jadona. Fotoana izao hanehoana ny fomba fanatanterahana izany

Ny sasany milaza fa safidy roa ihany no ananan'ny antoko eo amin'ny fitondràna:

“Roa ihany no safidy ho an'ny ANC – na izy hiaro ny lalàm-panorenana, na hiaro an'i Zuma” – Ampio ny DA hitsipaka an'i Zuma

Nampitandrina ny antoko eo amin'ny fitondràna i John Steenhuisen :

Mifohaza ry ANC ary aoka hahatsapa ny fahavoazana aterak'io lehilahy io amin'ny antokonareo sy ny firenena, fotoana izao handraisana ny vokatry ny natao

Ataovy izay haha-goavana indray an'i Afrika Atsimo #TsipahoZuma

‘Vazivazy ilay fitsipahana’

Tsy ny rehetra, mazava loatra, no faly amin'ilay didy mamely ny filoha.

Sisonke Msimang niteny fa vazivazy ilay fitsipahana fitokisana:

Azafady ry DA. Mila tetikady hafa ianareo. Vazivazy ilay fitsipahana. Mandiso fanantenana ny isanareo. Miangavy ry Mmusi, mba teneno ny olonareo

Raha i Thandeka kosa nanontany hoe:

Fomba ahoana no ahafahan'ny #Concourt mamoaka didy

Dera ho an'ny Rafi-Pitsaràna ao Afrika Atsimo

Maro ny Afrikàna Tatsimo sy ireo Afrikàna hafa no naneho ny fideran'izy ireo ny Fitsaran'ny Lalàm-panorenana Afrikàna Tatsimo. Tena tsy fahita firy amin'ny politika Afrikàna izany hoe fitsaràna mamoaka didy mamely ny filoham-pirenena izany.

Trevor Ncube, Afrikàna Tatsimo mpandraharaha mipetraka any Zimbaboe, nanamarika hoe :

Any an-toerana hafa aty Afrika, mety ny lalàm-panorenana no novaintsika ary noroahantsika ireo mpitsara, na nilazàntsika ry zareo hoe tsy vitantsika ny hiaro ny ain'izy ireo

Stevie French, Afrikàna Tatsimo mpilalao an-tsehatra sady mpanolotra fandaharana amin'ny fahitalavitra, nibitsika hoe :

Nandritry ny taona maro no efa very fitokisana amin'ny hahafahan'ny rafi-pitsaràna hiasa hanohitra ny kolikoly aho. Nifarana izany androany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.