- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Niharan'ny Voka-dratsin'ny Ny Haintany Ihany Koa Ny Biby Tao Kambodza

Sokajy: Azia Atsinanana, Kambodza, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Voina
Screen Shot 2016-05-09 at 12.46.12 AM [1]

Elefantan'ny mpizahatany maty noho ny hafanana tafahoatra tao Angkor. Sary tamin'ny fanangonan-tsonia antserasera mitaky fanatsaharana ny fitaingenana elefanta. Sary: change.org

Anisan'ny tompon'andraikitra amin'ny fiakaran'ny maripàna sy ny tsy fahampian-drano ao Kambodza ny El Niño. Voalaza fa anisan'ny ratsy indrindra [2] tao anatin'ny 50 taona ity haintany tafahoatra ity.

Araka ny filazan'ny governemanta, Kambojiana 2,5 tapitrisa ao amin'ny distrika 100 no niharan'ny [3]hain-tany, ary misy kosa ny tsy fahampian-drano ao amin'ireo faritany 18 amin'ny 25 ao amin'ny firenena. Mandritra izany, faritany sivy no niaina ny onjan-kafanana.

Vao mainka nampitombo ny fahantrana ao amin'ny faritra ambanivohitra maro ny tsy fahampian'ny famatsian-drano, izay miankina amin'ny renirano sy ny dobo ny tantsaha hanaovana fitarihan-drano. Olana hatrany ihany koa ny fiarovana ara-tsakafo sy ny fahasalamam-bahoaka ao an-toerana.

Tazana momba ny fiantraika ratsin'ny haintany ao Kambodza

Mpanjono manangona trondro ao amin'ny farihy maina ao amin'ny faritany Kandal niharan'ny haintany.

Ity lahatsary YouTube ity dia mampiseho ny Renirano Sisophon maina [11] tanteraka ao Banteay Meanchey.

Lahatsary hafa mampiseho ny fomba fanangonan-drano [12] ataon'ireo fianakaviana sasany any ambanivohitra ao amin'ny lava-drano efa ho maina ao amin'ny faritanin'i Banteay Meanchey:

Maty ireo biby noho ny tsy fahampian-drano sy ny hafanana tafahoatra. Trondro tokony ho 65 taonina ao amin'ny farihin'i Tonle Chhmar no maty tamin'ny volana lasa noho ny fihenan'ny haavon'ny rano:

Tsy fahampian-drano sy Hafanana namono trondro aman-taonina tao KampongThom Kambodza.

Haintany sy tsy fahampian-drano namono biby fiompy 300 tao amin'ny distrikan'i Siem Pang

Manome tsiny ny onjan-kafanana noho ny fahafatesan'ireo ramanavy an-jatony tao Siem Reap ny manampahefana

Avy ao amin'ny vondrom-piarahamonina: gidro mainty maherin'ny 30 no maty androany noho ny tsy fisian'ny rano tao Battambang.

Maty tsy nahazaka ny hafanana tafahoatra ny elefanta [1] mpitondra mpizahatany tao Angkor. Noho ity loza ity, nanatontosa fanangonan-tsonia mandrisika ny manampahefana mba hanatsahatra ny fitaingenana elefanta, izay mbola malaza eo amin'ireo mpizahatany ny mpiserasera sasany.

Mangataka fiarahamiasa sy firaisankina [29]amin'ny fepetra noraisin'ny firenena manoloana ny krizin'ny haintany ny governemanta Kambojiana. Mampanantena hanome fanampiana avy hatrany ho an'ireo mponina miatrika tsy fahampian-drano ny manampahefana.