Ahoana Ny Fiantraikan'ny El Niño Tamin'ireo Faritra Maina ao Myanmar

A child walks on the dried-up river bed of Thaminekham Dam near Aung Ban on April 28, 2016. Photo by Jpaing / The Irrawaddy

Ankizy mandehandeha eny amin'ny renirano maina ao amin'ny tohodranon'i Thaminekham akaikin'i Aung Ban tamin'ny 28 Aprily 2016. Sary avy amin'i Jpaing / The Irrawaddy

Ity lahatsoratra ity dia avy amin'ny Irrawaddy, tranonkalam-baovao tsy miankina ao Myanmar, ary navoaka eto amin'ny Global Voices indray noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Mangatsiaka kokoa ny faritra tendrombohitra ao amin'ny Fanjakana Shan noho ny faritra maina ao Myanmar afovoany sy ambany kokoa, na dia tamin'ity taona ity aza, tahaka ireo firenena hafa, nijaly ny trangana toetr'andro tsy mahazatra El Niño mahery vaika izy .

Ao amin'ny faritra atsimon'ny Fanjakana Shan, maina avokoa nanomboka tamin'ny volana Febroary ireo loharano sy farihy fampiasan'ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana hitehirizana ranon'orana ho an'ny tokantrano sy ho an'ny fambolena ihany koa, ka nahatonga ireo mponina maro miatrika tsy fahampian-drano izay ratsy kokoa noho ny teo aloha. Manazava ny zava-misy ao amin'ny faritr'izy ireo i Tun Kyi, filohan'i Tanàna Le Gaung ao amin'ny kaominina Kalaw:

The lake near our village dried up two months ago. Last year, we were able to use water from there until March.

Maina  ny farihy ao akaikin'ny tanànanay roa volana lasa izay. Afaka nampiasa rano tao hatramin'ny volana Martsa izahay tamin'ny taon-dasa

Mba hiatrehana ny tsy fahampian-drano, nanomboka nizara rano fisotro tao an-tanàna ny fikambanana mpanao asa soa eo an-toerana, toy ny Fondation Brighter Future (Orina Mpanasoa Hoavy Mamiratra kokoa) ao Myanmar. Ny fikambanana izay hany tokana ao amin'ny Fanjakana Shan izay mandavaka vovo (lava-drano) ao amin'ny faritra tena voa mafy dia niara-niasa tamin'ny fitondram-panjakan'i Myanmar nanomboka tamin'ny taona 2014, ary nahazo fitaovana handavahana ny lembalemba be vatosokay indrindra ao Shan. Nilaza ny fikambanana fa vao avy nandany 1,5 tapitrisa dolara Amerikana izy mba hividianana fitaovana fandavahana azy ireo manokana ka afaka nandavaka lava-drano maherin'ny 100 tao amin'ny Fanjakana Shan izy ireo hatramin'izao.

A dried-up pond in Pindaya Township in Southern Shan State on April 28. Photo by Jpaing / The Irrawaddy

Farihy mihamaina ao amin'ny kaominin'i Pindaya ao Atsimon'ny Fanjakana Shan tamin'ny 28 Aprily. Sary avy amin'i Jpaing / The Irrawaddy

Villagers of Lel Gaung in southern Shan State collecting water from a water bowser sponsored by Brighter Future Maynmar Foundation’s water project. Photo by Jpaing / The Irrawaddy

Mponin'i Lel Gaung ao atsimon'ny Fanjakana Shan, manangon-drano tamin'ny fiara misy siniben-drano izay notohanan'ny tetikasan-dranon'ny Fikambanana Brighter Future Myanmar. Sary avy amin'i Jpaing / The Irrawaddy

Members of Brighter Future Myanmar Foundation distributed water at Naung Bote village near Taunggyi. Photo by Jpaing / The Irrawaddy

Mpikambana ao amin'ny Fikambanana Brighter Future Myanmar nizara rano tao amin'ny tanànan'i Naung Bote akaikin'i Taunggyi. Sary avy amin'i Jpaing / The Irrawaddy

A man fills water at a community water tank in Aung Ban. Photo by Jpaing / The Irrawaddy

Lehilahy matsaka rano ao amin'ny siniben-dranon'ny vondrom-piarahamonina ao  Aung Ban. Sary avy amin'i Jpaing / The Irrawaddy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.