- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fantaro Ilay Kintan'ny Youtube Ao Japàna

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Hehy, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina
Doctor Hajime on YouTube

はじめしゃちょー(hajime) no malaza indrindra amin'ireo vlogger (mpandefa lahatsary) amin'ny YouTube ao Japàna, manana olona 3,2 tapitrisa mamandrika azy.

Fatoran'ny sàkana ara-kolontsaina sy ny fiteny hisaraka amin'ny tontolo ivelany, fa dia misy ao anatin'ny tontolo azy manokana ny Youtube Japoney. Tonga tsy mampilaza, noraisina avy any rehetra ivelan'i Japàna tany, ireo kisary mahatsikaiky miparitaka be.

Soa ihany, nasian'i Hajime Shacho [1], ilay malaza indrindra amin'ireo vlogger ao Japàna, maribolana amin'ny fiteny Anglisy ireo lahatsariny be mpijery indrindra (sy tena manafintohina).

Miaraka amin'ny fijerena azy efa maherin'ny 18 tapitrisa, “Nandro tamin'ny Coca-Cola nolaroina Mentos”, ilay malaza indrindra amin'ireo nakarin'i Hajime Shacho ao amin'ny Youtube hatreto. Ohatra tena tonga lafatra io ho an'ny andrana faratampony izay nahatonga ny fantsona Youtube-n'i  Hajime ho toy ny karazana Mythbusters [2] kely:

Hatreto, nahangona jery efa ho 11 tapitrisa Ilay lahatsary maha-tapa-tsinay—sy misy fampianarana—”Ahoana no Hahafahana Mandro Maditidity”:

Ao anatin'ity lahatsary malaza manana jery 7,2 tapitrisa ity , asehon'i  Hajime Shacho ny fihinanana ireo vokatra rehetra hita ao amin'ny McDonald's.

Afaka jerena eto [3] ireo lahatsary malazan'i Hajime Shacho ao amin'ny YouTube.