Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices Podcast: Ireo Mpiaro

Mijery todika any amin'ny sasantsasany amin'ireo tantara navoakanay vao haingana tato amin'ny Global Voices ny Fandraisampeo “Ny Herinandro”.

Amin'ity herinandro ity izahay hitondra anao any Kambodza, Syria, Tajikistan, Gambia ary Kolombia, fa tany amin'ireo toerana ireo no niresahanay momba ireo mpiaro ny fiarahamoniny amin'ny fanimbana ny ala, ny fanaovan'ny governemanta tsinontsinona na mety ho tsy fahaizany koa ary ireo fanapoahana baomba mahery vaika. Niresaka tamin'ny tonian'i Amerika Latinina, Rtoa Laura Vidal, ihany koa izahay ny amin'ny antony nahatonga ny mponina tao aminy hanova ny anaran'ny tanànan'i Medellín ao Colombia.

Isaorana be dia be ireo mpanoratra, mpandika lahatsoratra ary tonia nanampy nahatonga ity fizarana ity ho tafavoaka. Tamin'ity fizarana ity izahay nanasongadina ny tantara avy amin'i Mong Palatino [mg], Echo of Truth, Amira Al Hussaini sy Lara AlMalakeh [mg],  Demba Kandeh [mg] ary Cati Restrepo [mg]. Nasongadinay ihany koa ny hira avy amin'ny Arisivan'ny Mozika Malalaka manana lisansa Creative Commons, ka tafiditra amin'izany ny listen carefully avy amin'i Jahzaar; Dramatic theme avy amin'ny the PK Jazz Collective; All The Best Fakers avy amin'i Nick Jaina;You Know Who You Are avy amin'i Alan Singley; Lean Street avy amin'i Ketsa; Breathe in the Static avy amin'i Kirk Pearson ary BIT.

Manantena ny handrenesanao ny feonay indray ao anatin'ny tapabolana.

Hajian-tsary Soundcloud avy amin'ny mpisera Instagram danielup_, navoaka niaraka tamin'ny dikasary, “Kilalao vaovao. Tsy fanalanandro: tena ilaina. Fahatezerana. #Medehollín”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.