Herinandro Maromaro Mahamay, Nanao Ahoana i Myanmar Tratran'ny Tadion'Havandra Ratsy Indrindra Indray Tao Anatin'ny 50 Taona?

Kakku pagodas in southern Shan State damaged after strong winds. Photo by Myanmar Army Commander-in-Chief Office / Facebook. Photo taken from The Irrawaddy, content partner of Global Voices.

Pagoda Kakku any amin'ny fanjakana Shan atsimo ravan'ny rambondanitra. Sary avy amin'ny Lehiben'ny Komandin-Tafika Myanmar / Facebook. Sary nalaina tao amin'ny The Irrawaddy, mpiara-miasa ara-botoaty amin'ny Global Voices.

Nisy tadion'havandra tsy fahita nahazo ny faritany maro tao Myanmar, tamin'ny fotoana vao niaina ny fitomboam-potoanan'ny haintany vokatry ny fiakaran'ny maripana ny firenena iray manontolo. Rivomahery no nandona an'i Mandalay, Sagaing ary ny fanjakan'i Shan sy Chin, raha havandra mitovy habe amin'ny baolina golf no nirotsaka tamin'ireo faritra ireo.

Mihoatra ny 1.700 ny pagoda ary 7.500 ny trano rava nanerana ny firenena. Fariparitan'ny manampahefana fa iny no rotsak'havandra be haitraitra ratsy indrindra tao anatin'ny 50 taona.

Maro tamin'ny mponina no gaga mahita havandra ao anatin'ny vanim-potoanan'ny hafanana.  Amin'izao fotoana izao i Myanmar dia miady mafy ny hizaka ny fiantraikany ratsy dia ratsy an'ilay fisehoan-javatra ara-toetrandro El Niño [mg]. Mahazo ny mponina na andrenivohitra na ambanivohitra ny tsy fahampian-drano, indrindra fa ho an'ny tantsaha izay miankina amin'ny rano amin'ny fambolena ny vokatr'izy ireo. Araka ny lazain'ny hopitaly, mihabetsaka ireo safotra noho ny hafanan'ny toetrandro.

Lazain'ny mpilaza toetrandro fa ny toetrandro tafahoatra dia mifandraika amin'ny “fikorontanan'ny atmosfera” ao amin'ny faritra.

Indreto ambany indreto ny sasantsasany amin'ny sarin'ny havandra zarain'ny mpiseraseran'i Myanmar:

Havandra ao Myanmar

Rivomahery sy tadion'havandra nahazo ny tanànakely sasantsasany ao SintKai ao amin'ny faritr'i Mandalay. Loharano: Mizzima news

Havandra ao Mandalay sy Sagaing, Myanmar.. Nampatahotra. Tsy mbola nahita betsaka tahaka izany taloha

#Hailstones at my home back door Photo taken by Dad. (23Apr16)

A photo posted by WinLei Phyu (@winleiphyu) on

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.