Mampidi-doza ny “Manivaiva” Ny Filoha Ao Amin'ny Facebook, Hoy ny Lalànan'ny Heloka An-tserasera Tanzaniana

Image shared on Twitter by Tanzanian Member of Parliament Zitto Kabwe Ruyagwa. (@zittokabwe)

Sary nozaraina tao amin'ny Twitter avy amin'ilay Tanzaniana Mpikambana ao amin'ny Parlemanta Zitto Kabwe Ruyagwa. (@zittokabwe)

Niseho teo anatrehan'ny fitsarana ny Tanzaniana mpiserasera Isaac Habakuk Emily, izay monina ao amin'ny faritra Arusha any avaratr'ity firenena Afrikanina ity, tamin'ny 15 Avrily 2016 noho ny fiampangana ho “nanompa” ny filohan'ny firenena, John Magufuli. Nolazaina ho mifanohitra amin'ny fizarana faha-16 amin'ny lalàna tanzaniana laharana faha-14 momba ny heloka an-tserasera tamin'ny 2015 ny fanambaran'i Emily, voalaza manko fa:

Any person who publishes information, data or facts presented in a picture, text, symbol or any other form in a computer system where such information, data or fact is false, desceptive, misleading or inaccurate commits an offence, and shall on conviction be liable to a fine not less than three million shillings or to imprisonment for a term not less than six months or to both.

Izay olona mamoaka vaovao, lahatahiry na zavamisy navoaka amin'ny sary, lahatsoratra, sariohatra na endrikafa ao amin'ny rafitry ny solosaina nefa ireo fampahafantarana, lahatahiry, na zavamisy ireo dia diso, mamitaka, mandiso fiheverana na tsy mifanaraka amin'ny zavamisy dia nahavita fanitsakitsahana izy izay, ary ho tompon'andraikitra amin'ny fandoavana onitra tsy latsaky ny telo tapitrisa shillings na fampidirana am-ponja tsy latsaky ny enim-bolana na mahazo azy roa ireo raha misy ny fiampangana.

Nampangaina ho namoaka hafatra mampiady hevitra tao amin'ny Facebook (amin'ny teny Swahili) tamin'ny 17 marsa 2015 i Emily, na dia nahalala aza fa mifanohitra amin'ny lalànan'ny firenena ny manohitra mitsikera ny filoham-pirenena. Ny fanehoan-kevitra nataony dia mifandraika amin'ny hagagan'ny filoha Magufuli nandritra ny antso mivantana tamin'ny fandaharana miresaka fandraharahana ankehitriny tao amin'ny Clouds TV, 360, izay nisaoran'ny filoha ireo mpanentana sy nilazany ny fitiavany ilay seho.

Tsy nahita inona loatra rehefa karohina ny ao amin'ny pejy manokan'i Emily, na ny adi-hevitra tao amin'ny pejy izay nitoriana azy ho namoahany fanehoan-kevitra, saingy misy mivaky toy izao ny fanehoan-kevitra nataony tao amin'ny Facebook:

Hizi siasa za maigizo, halafu mnamfananisha huyu bwege and Nyerere wapi buana.

Theatra politika [milaza ilay antso mivantana], ahoana moa no ampitahanao ity adala ity [Magufuli] amin'i Nyerere [Mwalimu Nyerere, filoha voalohany tian'ny maro tao Tanzania]?

Nitranga izao fandikan-dalàna izao nandritra ny fandaniana ny lalànan'ny hetsika an-tserasera [mg] tamin'ny 1 avrily 2015 tao amin'ny Parlemantan'i Tanzania hiatrehana ireo heloka an-tserasera tahaka ny sarin'ankizy atao vetaveta, fandrahonana antserasera, fangalarana anarana antserasera, famokarana votoaty  manavakavaka sy mankahala vahiny, hafatra fandrebirebena (spam), fidirana anaty fifandraisana tsy ara-dalàna, ary famoahana vaovao tsy marina.

Na dia teo aza ny fanoherana nieli-patrana avy amin'ny politisiana, mpilalao media sosialy, mpanome sy mpikatroky ny zon'olombelona, dia natao izay handaniana azy tao amin'ny parlemanta tsy nanaovana adihevitra loatra. Nosoniavin'ny filoha teo aloha Jakaya Kikwete ho lalàna izany tamin'ny Mey 2015.

Nandresy lahatra ny mpanohitra fa ilay volavolan-dalànan'ny heloka an-tserasera [mg] dia manome fahefana be loatra — amin'ny zavatra tsy manandanja loatra — amin'ny polisy, manome alalana azy ireo hikaroka ny ny tranon'ireo izay ahiahiana ho mandika lalàna, maka ny rindrambainga elektronika, ary mitaky ny tahirin'izy ireo any amin'ny mpanome tolotra aterineto. Nampitandrina ihany koa izy ireo fa afaka mampiasa ny fahefany ny polisy na ny fanjakana hanao hazalambo ireo mpikaroka an-tserasera sy mpilalao media sosialy.

Tamin'ny Oktobra 2015, Tanzaniana roa no lasa lasibatra voalohany [mg] tamin'ilay lalàna vaovao. Benedict Angelo Ngonyani, mpianatra 24 taona ao amin'ny Ivontoerana Ambonin'ny Teknolojia ao Dar es Salaam, no voampanga ho namoaka fitaovana izay “diso na tsy voamarin'ny manampahefana miandraikitra izany.” Voalaza fa namoaka lahatsoratra Facebook izy milaza fa nampidirina hopitaly ny Lehiben'ny Hery Fiarovana ao Tanzania, ny Jeneraly Davis Mwamunyange, rehefa nihinana sakafo voapoizina.

Tamin'izany volana izany ihany, mpiserasera iray hafa, Sospiter Jonas, no nampanantsoina tao amin'ny fitsarana ambaratonga voalohany tao amin'ny faritr'i Dodoma ary voampanga ho “mandiso ny fampiasana ny Aterineto” rehefa namoaka hafatra tao amin'ny Facebook izy nanao hoe “mpitoriteny amin'ny mpihira ara-pilazantsara tsara” ny Praiminisitra Tanzaniana Mizengo Pinda.

Tamin'ny Novambra 2015, Tanzaniana efatra — Leila Sinare, Godfrey Soka, Deo Soka ary Monica Gaspary Soka — no voampanga [mg] araka ny Andininy faha-16 amin'ny Lalàna 2015 momba ny heloka bevava atao amin'ny aterineto, noho ny fandefasana vaovao diso momba ny fifidianana notaterina tao amin'ny sehatra sosialy fandefasan-kafatra WhatsAp. Niakatra fitsarana tao Dar Es Salaam, ao Tanzania izy efatra ireo ny 6 Novambra 2015. Navoitran'ny mpampanoa lalàna fa ireo  voampanga dia namoaka vaovao amim-peo tao amin'ny vondrona WhatsApp iray antsoina hoe “Soka Group”, izay natao hamitahana vahoaka nandritra ny fifidianana ankapobeny Tanzaniana tamin'ny volana Oktobra 2015 lasa teo [fr], izay feno fiampangana fangalaram-bato.

Araka ny fandehan'ny raharaha amin'ity vaovao farany ity, dia efa voapetraka hiseho eny amin'ny fitsarana indray i Emily ny 18 Avrily 2016 amin'ny fangatahana fanafahana amin'ny fandoavan'onitra fanafahana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.