Mampiseho Ny Fivoaran'ny Vehivavy Mpiadin'ny Firenena  Araka Ny Vanim-Potoana Ny Minisiteran'ny Fiarovam-Pirenena Ao Kazakhstan

Kazakh women: Defenders of the nation. Screenshot from YouTube video posted on the official channel of the Kazakh Ministry of Defense.

Vehivavy Kazakh : Mpiaro ny tanindrazana . Dikasary avy amin'ny lahatsary nivoaka tao amin'ny Youtube nalefa tao amin'ny fantsona ofisialin'ny Minisiteran'ny Fiarovam-pirenena Kazakh.

Namoaka lahatsary iray ny Minisiteran'ny Fiarovam-pirenena Kazakhstan mampiseho hoe tahaka ny ahoana ny fiovan'ny vehivavy mpiady ao amin'ny faritra Azia Afovoany tao anatin'ny 550 taona farany, hanaovana topimaso kely momba ny  Fetin'ny Fandresena  ankalazaina manerana ny Firaisana Sovietika teo aloha ho avy izao izany sy ho amin'ny ezaka hisarihana miaramila vaovao bebe kokoa ho an'ny tafika,  .

Nahoana no 550 taona anefa?

Eny, nanely ny hevitra ny amin'ny fisian'ny karazam-panjakana Kazakh [khanate] ho toy ny fanjakana fahagola izay nanome ny fototra ara-tantara  an'i Kazakhstan maoderina ankehitriny tato ho ato ny governemantan'i Kazakhstan .

Zara raha voalaza ivelan'ny tontolo akademika Kazakh ny Kazakh khanate talohan'ny nahazoany tanjona ara-politika ho eo ampela-tanana taorian'ny kabarin'i Filoha Rosiana Putin nilaza fa “mbola tsy nanana fanjakana hatrizay” ireo Kazakh talohan'ny fahaleovantenany avy tamin'ny Firaisana Sovietika.

Natao tao anatin'ny disadisa teo amin'ny firenena roa tonta ireo fanehoan-kevitra ireo, ny krizin'i  Okraina tamin'ny 2014 sy ny heritaona taorian'izay no nanamarihan'i Kazakhstan ny faha 550 taona niorenan'ny Kazakh khanate tamin'ny fankalazana nanerana ny firenena ny tantaran'ireo  mpifindrafindra monina tao amin'ny firenena.

Fifandraisana amin'ny vahoaka manafintohina

Heverina ho lohahevitra nampiroboroboin'ny minisitry ny fiarovam-pirenena amin'izao fotoana Imangali Tasmagambetov ny fandraisana anjaran'ny vehivavy ao amin'ny tafika.

Lazaina ho mpandimby matanjaka ny Filoha Nursultan Nazarbayev tsindraindray izay efa 75 taona i Tasmagambetov ary nesorina teo amin'ny toerany taorian'ny nampalaza azy tamin'izany fotoana ho Ben'ny tanàna roa lehibe indrindra ao Kazakhstan  Almaty sy Astana, ary tapa-kevitra ny tsy hivoaka tsy ho hitam-bahoaka izy.

Noderain'ny mpiserasera ny minisitra tamin'ny taon-dasa noho ny fanaovana ny fifaninanana ‘Oliravina Tafika‘ izay manasongadina ny andraikitry ny vehivavy Kazakh tsy ankanavahana taona sy fiaviana tao amin'ny tafika, sady mikendry ny handresy lahatra ny lehilahy sy vehivavy maro mba hisoratra anarana.

Tahaka ny mampahatsiahy andian-tantara nalaza ‘Ny 100 Taonan'ny Hatsaran-tarehy’ nanasongadina ny fiovan'ny lamaodin'ny vehivavy manerana ny firenena samihafa ny lohahevitra farany tamin'ny propagandin'ny Minisitra.

Fety natao ho an-dahy

Nankasitrahan'ny maro ny fanasongadinan'ny Minisitera ny fanompoan‘ny vehivavy 8.000 eo ho eo ny tafika Kazakhstan.

Mampitaraina matetika ireo vehivavy mpikatroka ao Azia Afovoany sy ny faritra sovietika teo aloha midadasika kokoa matetika ny fety toy ny fetin'ny ‘Andro Fandresena’ amin'ny volana May sy ny fetin'ireo “Mpiaro ny Tanindrazana” volana Febroary ho natao ho an-dahy be loatra, manome fiheverana ratsy ny vehivavy ary manamaivana ny anjara asan'ny vehivavy amin'ny tantaran'ny faritra.

Nefa amin'ny fampiasana vehivavy maherifo Kazakh tokana, dia mety hanimba ny anjara asan'ny vondrom-poko hafa nandray anjara tamin'ny fiarovana ny firenena maro tany amin'ny taonjato faha-20 (ary indrindra fa nandritra ny Ady Lehibe faharoa) ny lahatsarin'ny Minisitera, raha mbola anisan'ny Firaisana Sovietika i Kazakhstan tamin'izany fotoana izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.