- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Inona No Mitranga Amin'ny Politika Afrikana Tatsimo? Araho Fotsiny Ny Tenifototra

Sokajy: Afrika Mainty, Afrika Atsimo, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia
Joe Slovo shack settlement. Image source: http://tokolosstencils.tumblr.com/

Manohitra ny fampiakarana saram-pianarana ny mpianatra ka manamafy fa ny tanora mahantra mipetraka any amin'ny faribohitra mahantra toy ny fonenana tsizarizary Joe Slovo dia tsy ho afaka handranto fianarana amin'ny ambaratonga ambony any Afrika Atsimo. Loharanon-tsary: http://tokolosstencils.tumblr.com/. Nahazoana alalana

Miha-mampiasa litera 140 ny olom-pirenena Afrikana Tatsimo ao amin'ny Twitter mba hanamora ny adihevitra ara-politika. Lasa iray amin'ireo fomba malaza indrindra mba handaminana fihetsiketsehana, hanaovana hetsika ary hanehoana hatezerana amin'ny fanapahankevitra ara-politika ao amin'ny firenena ny tenifototra.

Ireto ny sasany amin'ireo tenifototra malaza indrindra amin'ny politika Afrikana Tatsimo amin'izao fotoana izao.

#FeesMustFall (TsyMaintsyMidinaNySarampianarana)

Tamin'ny 2015, nanambara ny governemanta Afrikana Tatsimo fa hampitombo 12 isan-jato ny saram-pianarana amin'ny oniversite amin'ny 2016. Nanamafy ny mpianatra fa vao mainka hitazona amin’ny fahantràna ilay fampitomboana, indrindra fa ho an’ireo Afrikana Tatsimo mainty hoditra ao amin'ny fampianarana ambony.

Mpianatra, ray aman-dreny, mpanao politika, ary olo-malaza no nampiasa ny tenifototra #FeesMustFall [1] mba haneho ny hatezerany sy ny tsy fankasitrahany [2] ny fampiakàrana. Iray amin'ireo tenifototra tsara indrindra [3] amin'ny vaovao ao Afrika Atsimo izany ho an'ny 2015.

#FeesHaveFallen (NidinaNySarampianarana)

Taorian'ny fihetsiketsehana #FeesMustFall nanerana ny firenena izay nampikatso ny oniversite tao Afrika Atsimo, nanambara ny governemanta Afrikana Tatsimo fa tsy hisy fisondrotana ny saram-pianarana. Nankalaza ny fandreseny [4] miaraka amin'ilay tenifototra #FeesHaveFallen [5] ny mpianatra sy ny mpanohana azy.

#NationalShutdown (FampikatsoanaFirenena)

Ivelan'ny #FeesMustFall, nampiasa ny tenifototra #NationalShutdown [6] ny mpianatra nanohitra ny fampisondrotana ny saram-pianarana. Nampiasaina ilay tenifototra mba hangatahana ny fanakatonana vonjimaika ny oniversite ao amin'ny firenena. Tonga faha valo [7] teo amin'ny lisitry ny fironana maneran-tany ilay tenifototra tamin’izay fotoana izay.

#ZumaMustFall (TsyMaintsyMialaZuma)

Nitranga ny tenifototra #ZumaMustFall [8] taorian'ny fanesorana ny Minisitry ny Vola [9] -n'ny Filoha Jacob Zuma, Nhlanhla Nene. Nosoloany an'i David Van Rooyen i Nene, nefa ny tsindry nataon'ny vahoaka tanaty sy ivelan'ny tranonkalam-pifandraisana no nanery azy hanolo an'i Rooyen an'ny Minisitry ny Vola amin'izao fotoana izao Pravin Gordhan.

#PayBackTheMoney (AverenoNyVola) sy #WeWantTheMoney (VolaNoilainay)

Tamin'ny taona lasa, ny tatitra nataon'ny Mpiaro ny Olom-pirenena ao Afrika Atsimo, Thuli Madonsela, dia nahita fa nisitraka tamin'ny fomba tsy ara-dalàna ny fanatsaràna ny fiarovana ny fonenany any Nkandla [10] ny Filoha Jacob Zuma, izay mitentina 250 tapitrisa Rands na 25 tapitrisa US$ amin'ny mpandoa hetra. Nangataka an'i Zuma taty aoriana ny Mpiaro ny Olom-pirenena mba hamerina amin'ny fanjakana ny ampahany amin'ilay vola. Nandidy ny filoha sy ny tahirimbolam-pajakana izy hiara-miasa mba ahitàna ny tena tetibidy.

#PayBackTheMoney [11] sy #WeWantTheMoney [12] no tenifototra manan-danja nampiasain'ny olona nametraka tsindry tamin'ny Filoha Zuma mba hamerenany ny vola. Tamin'ny Febroary 2016, nilaza [13] ny Filoha Zuma fa ho averiny ny vola fa mbola niandry “ny dingana parlemantera izy mba hahafahany manapaka hevitra ny amin'ny fomba hatao.”

#RhodesMustFall (TsyMaintsyMialaRhodes)

Hetsi-panoherana nanomboka ny 9 Marsa 2015 ny Rhodes Must Fall [14], izay ny fahazoana ny fanesorana ny sarivongan'i Cecil Rhodes [15] any amin'ny Oniversiten'i Cape Town no tanjona. Noho ny #RhodesMustFall [16], nesorina ny 9 Aprily 2015 ilay sarivongana.

Britanika mpandraharaha sy mpanao politika tany Afrika Atsimo i Cecil John Rhodes [15]. Mpanohana mafana fo ny imperialisma Britanika, ny orinasany British South Africa Company [17]dia niorina tao amin'ny faritr'i Afrika Atsimo tao Rhodesia [18] (Zimbaboe sy Zambia ankehitriny), ka nitondra ny anarany ilay orinasa tamin'ny 1895.

Noho izany, noheverina ho toy ny mariky ny imperialisma sy ny fanjanahana ny sarivongany.

#AfrikaansMustFall (TsyMaintsyRavànaNyAfrikaans)

Amin'ny alalan'ny tenifototra #AfrikaansMustFall [19], mitranga any Afrika Atsimo ny adihevitra momba ny fampiasana ny fiteny Afrikaans [20] ho toy ny fitaovam-pampianarana any amin'ny oniversite.

Tato anatin'ny herinandro vitsy, nipoaka ny fihetsiketsehana [21] momba izany, indrindra tao amin'ny Oniversiten'i Pretoria. Milaza ny mpanao fihetsiketsehana fa manilikilika ny mpianatra izay tsy miteny izany ny fampiasana ny Afrikaans. Ny Afrikaans, fiteny “West Germanic” izay ampiasaina indrindra any Afrika Atsimo sy any Namibia, dia fiteny lehibe indrindra fahatelo any Afrika Atsimo, aorian'ny Zulu sy ny Xhosa. Misy fiteny ofisialy 11 any Afrika Atsimo.

#GuptaGate (TantaraRatsyGupta)

Voampanga  [22]ho namela ny ao amin'ny fianakavian'ilay teratany Indiana mpanankarena Gupta handray fanapahankevitra amin'ny raharaham-panjakana ny Filoha Jacob Zuma, anisan'izany ny fanomezana toerana minisitra ho an'ny olona sasany [23]. #GuptaGate [24] no iray [25] amin'ireo tantara ratsy lehibe indrindra [26] tamin'ny fiadidian'i Zuma.

Araka ny News24 [27], nanomboka tamin'ny Aprily 2013 ny Guptagate, rehefa niantsona tao amin'ny seranam-piaramanidina miaramila, Tobim-pamaharan'ny Tafika an-Habakabaka Waterkloof, ny fiaramanidina ara-barotra iray nitondra mpitsidika ho any amin'ny fianakaviana Gupta,  fanitsakitsahana ny fiarovam-pirenena.

Tamin'ity volana ity , nanambara [28] ny lefitry ny Minisitry ny Vola any Afrika Atsimo, Mcebisi Jonas, fa nanome azy ny toeran'ny Minisitry ny Vola ny fianakaviana Gupta, saingy nolaviny izany.

Nanamafy ihany koa [29] ny Mpikambana teo aloha tao amin'ny Parlemanta avy amin'ny African National Congress, Vytjie Mentor, fa nanome azy toerana minisitra ilay fianakaviana, saingy nolaviny.