Tantara tamin'ny 07 Mey 2016
Mikorontandrontana i Gambia, Fa Dia Tsy Misy Fantatrao Na Kely Aza
Nisehoanà fihetsiketsehana tsy mbola nisy toa azy tao Gambia tamin'iny volana lasa iny. Tsy dia nahasarika loatra ny sain'ireo mpampahalala vaovao erantany izy ireny, saingy nanaraka azy kosa ny GV.
Tantara Mahasondriana Amin'ny Tantaran'ny Volan'i Colombia Amin'ny Tarehintsoratra 140 Na Latsak'izany
Mizara ny zavamisy marina momba ny volan'i Kolombia ao amin'ny Twitter i @MonedasColombia. Ohatra, fantatrao ve fa 100 taona lasa izay, namoaka vola taratasy 25 peso ahitana sarin'alika eo amboniny ny Banky Nasionaly?
Mampiseho Ny Fivoaran'ny Vehivavy Mpiadin'ny Firenena Araka Ny Vanim-Potoana Ny Minisiteran'ny Fiarovam-Pirenena Ao Kazakhstan
Niainga tamin'ny mpifindrafindra monina nitondra sabatra ka tonga ho amin'ny kômandô mirongo basy mamahan-tena, nanao ny anjara asany tamin'ny fiarovana ny sisintanin'ny firenena ny vehivavy .
Inona No Mitranga Amin'ny Politika Afrikana Tatsimo? Araho Fotsiny Ny Tenifototra
Fantaro ny momba ireo tenifototra valo izay manamora ny adihevitra ara-politika sy mikarakara fihetsiketsehana any Afrika Atsimo mihitsy aza.
Rosia :Mifantoka Amin'ny Fanafihana Manaraka Atao Amin'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-Gazety

Misy olona te-hampisaina mafy ny vahoaka any Rosia fa mivonona ny hivarotra ny anjara fananany anankiroa manan-danja indrindra : ny orinasa mpamokatra angovo Quadra sy ny vondrona mpitrandraka haino aman-jery RBC, ny mpanefoefo iray.
Mitandrina Fatratra Ireo Avy Ao Taiwan Taorian'ny Naninjiran'i Shina Ny Tànany Hatrany Kenya
"Mampivarahontsana ity tranga ity...... Mety horoahana hiverina any Shina izahay rehefa miteny ny governemanta Shinoa fa hoe nohitsakitsahanay ny lalàna Shinoa (na dia tsy nisy lalàna nohitsakitsahanay akory aza tany amin'ilay firenena nalehanay)."