Mitsikera Mafy An'i Shina Noho ny Fanjavonan'ireo Mpivaro-boky ao Hong Kong Ny Vondrona Eoropeana

Causeway Bay Books. Kris Cheng / HKFP.

Causeway Bay Books. Kris Cheng / HKFP.

Ity lahatsoratra ity dia nosoratan'i Kris Cheng ary nivoaka voalohany tao amin'ny Hong Kong Free Press tamin'ny 16 Aprily 2016. Navoaka eto amin'ny Global Voices ity dika ity noho ny fifanaraham-piarahamiasa.

Nilaza ny Vondrona Eoropeana fa ny raharaha fanjavonan'ireo mpivaro-boky no mametraka “olana goavana indrindra” amin'ny lalàmpanorenana Hongkongey sy ny fitsipika “firenena iray, rafitra roa” – fitsipika milaza fa eo ambanin'ny fiandrianam-pirenen'i Shina Komonista ny tanàna, saingy malalaka tanteraka amin'ny fitantanana ny raharaha politikany sy toekareny manokana – hatramin'ny nanoloran'i Fanjakana Mitambatra ny zanataniny taloha Hong Kong ho an'i Shina tamin'ny 1997.

Tamin'ny tatitrany isan-taona [fr], nandrisika an'i Beijing ny Vondrona Eoropeana mba hametraka fitokisana indray amin'ireo mponin'i Hong Kong sy ny fiarahamonina iraisampirenena ao anatin'ny fifampiraharahana momba ny fizakantenan'ny tanàna.

Hongkongey mpivaro-boky dimy nivarotra boky manana lohateny mitabataba mitsikera ny governemanta no tsy hita tao Thailandy, Shina ary Hong Kong tamin'ny 2015 ary nipoitra ihany tao amin'ny Shina Tanibe izy ireo, ary nilaza fa niara-niasa an-tsitrapo tamin'ny fanadihadiana ofisialy. Mizaka ny zom-pirenena ao amin'ny firenen'ny Vondrona Eoropeana ny roa tamin'ireo olona tsy hita. Nilaza ny tatitra fa:

The case involves a serious violation of human rights and fundamental freedoms and raises grave concerns about the rule of law under the ‘one country, two systems’ principle and the mainland authorities’ application of [People's Republic of China] laws to acts carried out by Hong Kong residents on Hong Kong soil.

Ahitana fanitsakitsahana goavana ny zon'olombelona sy ny fahalalahana fototra ny raharaha ary mametraka ahiahy goavana mikasika ny firenena tan-dalàna manoloana ny fitsipika «firenena iray, rafitra roa» sy ny fampiharan'ny manampahefan'ny Shina Tanibe ny lalànan'ny [Repoblika Etim-bahoakan'i Shina] amin'ireo hetsika tontosain'ny mponin'i Hong Kong ao amin'ny tanin'i Hong Kong.

Navoakan'ny Vaomiera Eoropeana sy ny Sampan-draharaha Eoropeana misahana ny raharaha Ivelany tamin'ny 25 Aprily ny tatitra isan-taona.

Nilaza ny tatitra fa i Lee Bo, teratany Britanika izay nanjavona tao Hong Kong, dia toa «nisy naka an-keriny»:

Despite repeated requests for information and explanation by top officials of the Hong Kong [special administrative region] as well as by the EU and other members of the international community, the [People's Republic of China] authorities failed to provide any credible explanation.

Na dia teo aza ny fitakiam-baovao sy fanazavana naverimberina nataon'ireo manampahefana ambony ao Hong Kong [rafi-pitantanana manokana] sy ny Vondrona Eoropeana ary koa ireo mpikambana hafa ao amin'ny fiarahamonina iraisampirenena, tsy nahavita nanome fanazavana azo antoka ny manampahefan'ny [Repoblikam-bahoakan'i Shina].

Tsy vao voalohany ny Vondrona Eoropeana no namoaka fanambarana mahakasika ny raharaha – ny voalohany, izay nivoaka tamin'ny volana Janoary dia mitaky fanokafana fanadihadiana. Nandray fanapahan-kevitra ihany koa ny Parlemanta Eoropeana tamin'ny volana Febroary izay maneho « fanehoana lehibe » mikasika ny fanjavonana.

Dingana fanovana ara-pifidianana

Nilaza ihany koa ny Vondrona Eoropeana tao anatin'ny tatitra fa nanantena an'i Hong Kong hametraka ny dingana fanovana ara-pifidianana sy hahavita fifanarahana momba ny rafi-pifidianana demokratika, malalaka, misokatra sy mangaraharaha izy:

Universal suffrage would give the government greater public support and legitimacy for its efforts to reach Hong Kong’s economic objectives and tackle social challenges, such as the socioeconomic and generational divides in Hong Kong society.

Ny latsabatom-bahoaka dia manome fanohanam-bahoaka betsaka kokoa sy ny fankatoavam-bahoaka ny governemanta amin'ny ezaka ataony mba hahatratra ny tanjona ara-toekarenan'i Hong Kong sy miatrika ireo fanamby ara-tsosialy, tahaka ny hantsana ara-tsosialy sy toekarena ary eo amin'ny ray aman-dreny sy zanaka eo amin'ny fiarahamonina Hongkongey.

Tsy nolanian'ny Filan-kevitry ny mpanao lalàna tamin'ny volana 2015 ny drafitra fanavaozana ara-politikan'ny governemanta, izay nanolo-kevitra fa tokony ankatoavina amin'ny alalan'ny fanendrena ataon'ny komity ny kandidà ho lehiben'ny mpanatanteraka, araka ny iantsoana ny mpitarika ambonin'ny tanàna.

Fahalalahana Akademika

Voalaza ao anaty tatitra ihany koa ny fitsipahana ny fanendren'ny filan-kevi-pitantanana ilay liberaly mpampianatra lalàna Johannes Chan Man-mun ho pro-vice-chancelier ny oniversiten'i Hong Kong ihany “noho ny fifandraisany amin'ireo vondrona mpanohitra”:

This practice threatens independent university governance and could in the long run harm academic freedom in Hong Kong. […] The controversy prompted calls for the removal of the Chief Executive as ex officio Chancellor of all universities in Hong Kong.

Mandrahona ny fitantanana mahaleotenan'ny oniverisite ity fomba fanao ity ary mety hanohintohina ny fahalalahan'ny fampianarana ambony ao Hong Kong rehefa ela ny ela. […] Niteraka fitakiana fanesorana ny Sefon'ny Fitantanan-Draharaha amin'ny maha chancelier azy avy hatrany an'ireo oniversite rehetra ao Hong Kong ny fifandirana.

Nanasongadina ireo fanamby hafa ao Hong Kong ny tatitra, anisan'izany ny fahasarotan'ny fitadiavana mpitsara, ny tsy fisian'ny ekipa mpanatontosa asa ao amin'ny fitsarana ary ny karama kelin'ny mpisolovava amin'ny raharaha fiarovana ara-pitsarana, indrindra ny raharaha heloka bevava.

Nilaza tamin'ny onjam-peom-panjakana RTHK ny mpitondra tenin'ny governemanta fa ny Lalàna Fototra, araka ny iantsoana ny lalàmpanorenan'i Hong Kong, sy ny fitsipika firenena iray, rafitra roa dia mandeha tsara hatramin'ny naha-lasa an'i Hong Kong ho fari-pitantanan'i Shina, ary tsy tokony hitsabaka amin'ny raharaha anatin'i Hong Kong ny governemanta sy ny mpanao lalàna vahiny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.