Tsena Mitsingevana Fivarotana Goavy ao Bangladesh

Kuriyana, Swarupkathi, Bangladesh | 2015 © Md. Moyazzem Mostakim, Timur Photography. Used with permission

Kuriyana, Swarupkathi, Bangladesh | 2015
© Md. Moyazzem Mostakim, Mpakasary Timur. Nahazoan-dalana.

Ao amin'ny faritra Atsimo ao Bangladesh, mifanapaka ny renirano sy ny lakandrano, ka miteraka tontolo maitso mavana. Afaka mahita tanin-goavy maitso be dia be ianao raha ao anaty sambokely mandehandeha manavatsava ny lakandrano. Tantsaha an'arivony no mivelona amin'ny fambolena sy ny famarotana ireo goavy ireo. Mitangorona any anaty tsena mitsingevana maromaro ao amin'ny faritra mitovy amin'ny tsena mitsingevana ao Thailandy ireo tantsaha sy mpivarotra ambongadiny.

Matetika antsoina hoe “paoman'ny tany mafana” ny Goavy, voankazo toy ny voaroy. Na dia avy ao Amerika tropikaly (ao amin'ny tany elanelan'i Meksika sy Però) aza no niaviany, iray amin'ireo voly voankazo lehibe indrindra ao Bangladesh izy, izay maniry manerana ny firenena. Ny faritra atsimo ao Bangladesh, indrindra ny distrikan'i Barisal, Pirojpur, sy Jhalbokathi no tena faritra mamokatra goavy be indrindra.

Nanoratra tao amin'ny Somewhereinblog momba ny tsena mitsingevana notsidihany i Shamsheer:

কুড়িয়ানা বাজার, আটঘর আর ভীমরুলি বাজারে বসে পেয়ারার হাট। চাষীরা বাগান থেকে পেয়ারা সরাসরি ছোট ছোট নৌকায় করে এসব হাঁটে নিয়ে আসে, পাইকাররা এখান থেকে সংগ্রহ করে পৌঁছে দেয় সারা বাংলাদেশে।

Hita ao Kuryana, Atghor, sy Vimruli ny tsena mitsingevan'ny goavy. Tonga ao amin'ny alalan'ny lakana ireo mponina avy ao amin'ny faritra mba hivarotra ny goavin'izy ireo ary manangona izany ireo mpivarotra ambongadiny mba hampiely izany manerana an'i Bangladesh.

Tsy mahafantatra tsara ny olona hoe oviana marina no tena nanombohan'ny tsena mitsingevana, saingy farafahakeliny efa tamin'ny taonjato ela ny fomban-drazana. Ny tsena ao Bhimruli manerana ny lakandranon'i Kirtipasha no lehibe indrindra amin'izy rehetra. Velombelona ny tsena mandritra ny vanim-potoanan'ny goavy, izay manomboka ny volana Jolay hatramin'ny Aogositra. Amidy ao an-tsena mandritra ny taona ihany koa ireo voankazo hafa, tahaka ny voasarimakirana, voanio ary akondro. Tsy manana fitaovam-pifandraisana sahaza na fitaovana fitehirizana amin'ny mangatsiaka ny tantsaha ka miteraka fahamoran'ny vidin'ny entana izany, saingy nanova izany toe-javatra izany ny fitomboan'ny ny finday.

Namoaka lahatsary tao amin'ny Youtube ny “Journey to Bangladesh” izay mampiseho ny tsena mitsingevana sy ny sahan'ny goavy ao amin'ny lakandranon'i Barisal.

Nizara sary am-polony mahafinaritra misy ireo tsena mitsingevana tao amin'ny pejy Facebook-ny, Mpakasary Timur ilay mpaka sary Md. Moyazzem Mostakim, izay nahazo laza tao amin'ny aterineto. Asongadinay eto ambany ny sasany amin'ireo sariny izay nahazoana alalana avy amin'i Mostakim.

Collecting Guava from orchards. Vimruli, Jhalokathi, Bangladesh | 2015 © Md. Moyazzem Mostakim, Used with permission

Manangona goavy avy ao amin'ny saha. Vimruli, Jhalokathi, Bangladesh | 2015
© Md. Moyazzem Mostakim, nahazoan-dalana

On the way to the market. Atghor, Swarupkathi, Bangladesh | 2015 Md. Moyazzem Mostakim, Used with permission.

Eny an-dalana hamonjy tsena. Atghor, Swarupkathi, Bangladesh | 2015
©Md. Moyazzem Mostakim, nahazoan-dalana.

Guava Sellers arriving via canals. Atghor, Swarupkathi, Bangladesh | 2015 Md. Moyazzem Mostakim, Used with permission

Mpivarotra goavy tonga amin'ny alalan'ny lakandrano. Atghor, Swarupkathi, Bangladesh | 2015
©Md. Moyazzem Mostakim, Nahazoan-dalana

Guava Sellers arriving via canals. Atghor, Swarupkathi, Bangladesh | 2015 Md. Moyazzem Mostakim, Used with permission

Mpivarotra goavy tonga amin'ny alalan'ny lakandrano. Atghor, Swarupkathi, Bangladesh | 2015
©Md. Moyazzem Mostakim, Nahazoan-dalana

Floating Guava Market in Full flow. Vimruli, Jhalokathi, Bangladesh | 2015 © Md. Moyazzem Mostakim, Used with permission

Tsena mitsingevan'ny goavy ao anaty tabataba. Vimruli, Jhalokathi, Bangladesh | 2015
© Md. Moyazzem Mostakim, Nahazoan-dalana

Hoards of Tourist entering the village market in Vimruli, Jhalokathi, Bangladesh | 2015 © Md. Moyazzem Mostakim. Used with permission

Mpizahatany miditra ao an-tsena ao an-tanànan'i Vimruli, Jhalokathi, Bangladesh | 2015
© Md. Moyazzem Mostakim. Nahazoan-dalana

A casual chat between sellers. Vimruli, Jhalokathi, Bangladesh | 2015 © Md. Moyazzem Mostakim, Used with permission.

Resadresaka mahazatra eo amin'ny mpivarotra. Vimruli, Jhalokathi, Bangladesh | 2015
© Md. Moyazzem Mostakim, Nahazoan-dalana.

Sold to a wholesaler - Vimruli, Jhalokathi, Bangladesh | 2015 © Md. Moyazzem Mostakim, used with permission.

Namidy tamin'ny mpambogady – Vimruli, Jhalokathi, Bangladesh | 2015
© Md. Moyazzem Mostakim, nahazoan-dalana.

Afaka mijery sarin'ny tsena mitsingevan'ny goavy maromaro kokoa ianao ato.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.