Matahotra Ireo Mpanohana An'ilay Mpanao Gazety Zoran Božinovski Fa Mety Ho Tratran'ny Fampijaliana Izy Raha Ampodiana Any Makedonia

Zoran Božinovski. A photo circulated by his family via Facebook as part of appeals for his freedom.

Zoran Božinovski. Sary naparitaky ny fianakaviany tao amin'ny Facebook izay anisan'ny antso ho an'ny famotsorana azy.

Nampodian'ny manampahefana Serba any an-tanindrazany ilay mpanao gazety Zoran Božinovski, izay nitady fialokalofana ara-politika tao Serbia volana maromaro talohan'ny nisamborana azy noho ny fiampangana azy tamin'ny fitsikilovana, fakàna an-keriny sy tetidratsy heloka bevava, niverina tao Makedonia tamin'ny 21 Aprily izy. Ao amin'ny fonja Makedoniana izy amin'izao fotoana izao, ka matahotra ny mpiara-miasa aminy sy ny fianakaviany fa mety ho tandindomin-doza ny fiainany sy ny fahasalamany noho ny fandrahonana sy ny fampijaliana teo aloha voalaza fa nataon'ireo mpanao politika azy.

Božinovski no tompon'ny vavahadin-tserasera Burevesnik.org, malaza amin'ny famoaham-baovao tafaporitsaka izay toa mamoaka momba ny asa ratsin'ireo mpikambana malaza ao amin'ny sangany ara-politika Makedoniana.

Tamin'ny 2012, nanomboka raharaham-pitsarana antsoina hoe “Fitsikilovana” (“Шпион” amin'ny teny Makedoniana) ny governemanta Makedoniana tantanin'ny antoko elatra havanana VMRO-DPMNE, raharaha miampanga olona 20, ​​anisan'izany ireo mpitsikera ny governemanta sy ny mpanao ampamoaka, ho manao fitsikilovana ho an'ny mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana dia i Gresy sy i Hongria. Tsy namoaka fanamarihana ara-diplaomatika ho an'ireo firenena ireo i Makedonia tamin'ity lazaina fa fandikan-dalàna ity. Raha ny marina, telo volana tatỳ aoriana, nanome medaly ho an'ny Filoha Hongroà Viktor Orbán ny filoha Makedoniana Gjorge Ivanov noho izy “namana sy mpanohana goavana” an'i Makedonia.

Nanatontosa fisamborana mahavariana tamin'ireo voarohirohy voampanga ny governemanta, izay nitarika fiampangana olona 17 tamin'ny volana Oktobra 2014. Niantso hialokaloka ara-politika tao Serbia i Božinovski, izay nifindra monina tao taloha noho ny antony ara-piarovana. Namoaka didy fampisamborana iraisampirenena ny manampahefana Makedoniana izay nitarika ny fisamborana an'i Božinovski tao Serbia tamin'ny volana Novambra 2013. Rehefa tany am-ponja nandritra ny 300 andro mahery, navoakan'ny Fitsarana Ambony Serba izy kanefa mbola mandeha ihany ny raharaha fampodiana azy an-tanindrazana.

Nilaza momba ireo mpanao politika ambony voalaza fa mandrahona hampijaly an'i Božinovski ny resaka nohenoina tafaporitsaka navoakan'ny mpanohitra ara-politika tao Makedonia tamin'ny 2015. Tamin'ny resaka teo amin'i Martin Protuger, lehilahy tanana ankavanan'i Nikola Gruevski,Praiminisitr'i Makedonia, sy ny Minisitry ny Atitany Gordana Jankuloska, niresaka momba ny fomba hampijaliana an'i Božinovski izy ireo rehefa tonga eo amin'ny fahefana. Mangataka i Protuger mba hotsidihana “miaraka amin'ny fakan-tsary CCTV [fanarahamaso] tsy mandeha izy tamin'izany fotoana izany.” Niresaka momba ny hisian'ny fanolanana azy ataon'ny voafonja hafa ho toy ny zavatra “mpitranga tsy mila lazaina” ihany koa izy ireo.

Nanameloka ny fampodiana an-tanindrazana ihany koa ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety ao Makedonia, milaza fa “haratsiam-panahy” ny fampodiana mpanao gazety any amin'ny firenena misy polisy miafina manadihady tsy ara-dalàna mpanao gazety ary mamela izany heloka izany ny filoha (nanambara ny Filoha Ivanov tamin'ny 12 Aprily fa nanome famindram-po ho an'ireo mpanao politika ambony sy ny mpiara-miasa amin'izy ireo mahery ny 50 izay natao fanadihadiana mahakasika ny ampamoaka tao anatin'ny resaka am-pinday tafaporitsaka) :

Веруваме дека експресната одлука на српските власти за есктрадиција е политички мотивирана и ќе предизвика сериозна штета врз слободата на медиумите не само во Македонија, туку и пошироко во регионот.

Со екстрадицијата Србија свесно го изложува на напотребен ризик новинарот Божиновски иако претходно беа информирани за заканите што врз него ги упатуваа највисоките претставници на власта. Српската влада ќе сноси одговорност ако Божиновски во македонските затвори биде изложен на нечовечки третман.

Mihevitra izahay fa ny fanapahan-kevitra haingana momba ny fampodiana noraisin'ny manampahefana Serba dia noho ny antony ara-politika ary amin'izay hiteraka fahavoazana goavana ho an'ny fahalalahan'ny haino aman-jery tsy ao Makedonia ihany fa ao amin'ny faritra midadasika kokoa.

Amin'izany fampodiana an-tanindrazana izany, fantatr'i Serbia tsara fa mampidi-doza tsy amin'ny antony ho an'ilay mpanao gazety Bozinovski izy, na dia efa nampilazaina mialoha mikasika ny fandrahonana mahazo azy ataon'ny solontenam-panjakana ambony aza izy ireo. Hizaka ny maha-tompon'andraikitra azy ireo ny governemanta Serba raha iharan'ny habibiana ao amin'ny fonjan'ny Makedoniana i Bozinovski.

Tamin'ny volana Martsa, namoaka tatitra momba ny fepetra ao anatin'ny rafi-pamonjana Makedoniana, ny komity miady amin'ny fampijaliana ao amin'ny Filan-kevitra Eoropeanina (fikambanana iraisam-pirenena ho an'ny fampandrosoana ny demokrasia sy ny zon'olombelona ahitana firenena mpikambana 47, tsy hafangaro amin'ireo firenena 28 ao amin'ny Vondrona Eoropeana), maneho ny ahiahiany goavana manoloana ireo “fanambarana marobe momba ny fikarakarana ratsy ataon'ny mpiasan'ny fonja amin'ireo gadra, ary matetika misy ireo tranga herisetra eo amin'ny samy voafonja.”

Ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety ao Serbia dia naneho ny ahiahin'izy ireo ihany koa momba ny fiarovana an'i Božinovski taorian'ny fampodiana azy tany Makedonia.

Ny vavahadin-tserasera manohitra ny governemanta ao Makedonia ihany koa dia miampanga ny fitondrana Serba ho miray tsikombakomba amin'ny governemanta Makedoniana. Samy tantanin'ny antoko elatra havanana izay mpikambana ao amin'ny Antokom-bahoaka Eoropeana, antoko politika afovoany ankavanana manerana an'i Eoropa miaraka amin'ny Vondrona Eoropeana sy ny Filan-kevitra Eoropeanina ireo firenena roa tonta ireo ankehitriny. Ohatra, miresaka momba ny zava-nitranga tamin'ny Oktobra 2015 ny mpitsikeran'izy ireo, raha namotsotra tsotra izao ny lehiben'ny fitsikilovana Makedoniana teo aloha sy ny rahalahin'i Gruevski, Sašo Mijalkov ny manampahefana Serba taorian'ny fanagadrana fohy noho ny fampidirana basy sy bala an-tsokosoko tao anaty fiaramanidina. Mbola mitarazoka ny vokatry ny fanadihadiana izany raharaha izany ao Makedonia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.