Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Nahoana no Manalokaloka ny Adihevitry ny Kandidà ho Filoha ao Filipina ny Avelon'ny Nazi?

Philippine presidential candidates appearing in a televised debate. Vice President Jejomar Binay (extreme left) accused administration candidate Mar Roxas (extreme right) of behaving like 'Goebbels.'

Kandidà ho filoham-pirenena Filipiana niady hevitra tao amin'ny fahitalavitra. Ny filoha lefitra Jejomar Binay (farany ankavia) niampanga ny fitantanan'ny kandidà Mar Roxas (farany havanana) ho manao fihetsika tahaka an'i ‘Goebbels.’ Nalaina tao amin'ny: YouTube

Lasa lohahevitra malaza tany Filipina nandritra ny adihevitry ny kandidà filoham-pirenena ofisialy faharoa ilay Nazi Minisitry ny Fampielezankevitra, Joseph Goebbels, taoriana kelin'ny fampitahana nataon'i kandidà Filoha lefitra Jejomar Binay ho Goebbels ny kandidà mifaninana aminy.

Mar Roxas, kandidà antokon'ny fitondrana, Sekreteran'ny Atitany teo aloha, no nitondra  ny fiampangana ny filoha lefitra ho nanao kolikoly nandritra ny adihevitra, nahatonga an'i Binay hiantso an'i Roxas hoe “Goebbels” noho ny nanaovana azy ho mpanolikoly. “Ny fitsarana ihany no afaka manapa-kevitra  raha meloka aho na tsia, tsy ny fiampanganareo ry Roxas, Goebbels no tiako lazaina fa miala tsiny,” hoy Binay.

Ity teny notsongaina ity – “Raha milaza laingabe ianao sy mamerimberina izany hatrany, dia hino izany ny olona amin'ny farany” – dia matetika omena ampahadisoana an'i Goebbels.

Nilaza ny Senatera Grace Poe, kandidà ho filoham-pirenena lohalaharana sady mahaleotena, ho sakaizan'i Goebbels ihany koa i Binay mba hiresahana ny asa famotsiam-bola lazaina ho misy ifandraisany amin'ny orinasan'ny mpisolovava [lalàna] an'ny filoha lefitra.

Bundesarchiv_Bild_183-1989-0821-502,_Joseph_Goebbels

Joseph Goebbels. Sary avy amin'ny Arisiva Federalin'i Alemaina. Loharano: Wikipedia

Rehefa voalaza tao amin'ny adihevitra tao amin'ny fahitalavitra i Goebbels, dia navitrika nisava ny anarany sy ny tantaram-piainany ny Filipino mpisera aterineto. Namoaka tantara fohy momba ilay minisitry ny fampielezan-kevitra Nazi ihany koa ny tranonkalam-baovao sy ny mpanao gazety. Nanala andro ny sasany tamin'ny fahalalàn'i Binay ny tantara, fa ny hafa kosa niampanga ny filoha lefitra ho manao tahaka an'i Goebbels.

Ireto misy fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter momba ny fampidirana ny anaran'i Goebbels filoham-pirenena nandritra ny adihevitra:

Tsy maintsy hoe nianatra Goebbels i Binay :))

Tsy hoe miaro an'i Mar akory eto, fa raha ohatra i Mar no Goebbels , dia iza izany i Binay ?#PiliPinasDebates2016 #BilangPilipino

Fa inona ity nahazo an'i Binay, tsy maintsy nitady Goebbels tao amin'ny google aho ary ny fampiasanao sy ny fampitahana dia maneho fankahalana.

Raha toa ka Joseph Goebbels i Mar Roxas , dia manao an'i Noynoy Aquino ho Adolf Hitler ve izany ?    #PiliPinasDebates2016

Miresaka momba an'i Noynoy Aquino, ilay filoha Filipina sariaka am-perinasa, ny sioka eto ambony.

Ary ny resahana faharoa amin'ny adihevitra dia i … Joseph Goebbels!#PiliPinasDebates2016

Na izany aza ,maro ny mpiserasera interineto, no mimenomenona ny tsy fisian'ny lahateny manan-danja nandritra ny adihevitra rehetra, nataon'ny kandidà ho filoham-pirenena izay nanao fanambarana tsy dia nahitana zava-dehibe loatra fa nanao fanendrikendrehana fa tsy niresaka famahana olana betsaka.

Oadray fampisehoana hatsikana ve ity sa adihevitra#PiliPinasDebates2016 😭😂

Tsy mampino hoe ireo olona ireo dia nahazo fahalalana tamin'ny oniversite lehibe nefa maneho hevitra tahaka ny ankizy kely.#PiliPinasDebates2016

Diso fanantenana isika rehetra mpianatry ny UP anatin'ity Lapan'ny Fanehoan-kevitra ity tsy maheno fanontaniana miresaka fanabeazana

Ny sioka eo ambony dia manonona ny UP izay manondro ny mpanorina ny Anjerimanontolon'i Filipina vatsian'ny fanjakana.

Raha toa ka hampiova zavatra ny fifidianana dia tsy navelany nataontsika izany.—Mark Twain #PiliPinasDebates2016

Ny fifidianana nasionaly dia kasaina hotontosaina ny 9 May 2016.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.