Tantara tamin'ny Avrily, 2016
Manomboka Amin'ny Mampahery Ka Hatramin'ny Mahatsikaiky, Zavatra 6 Izay Zarain'ny Olona Amin'ny Mediam-bahoaka Momba An'i Iràna Sy Ny Zavakanto Ary Ny Kolontsaina Persiana
"...ankehitriny miady amin'ireo izay te-hisintona an'i Iràna ho any amin'ny fihemorana aho. Amin'ny fanantenana ho an'ny andro izay hahatonga anay rehetra... afaka mifandefitra bebe kokoa."
Nahena 18 Volana ny Sazy 12 Taona an'Ilay Iraniana Mpanao Sariitatra Atena Farghadani

"Ho an'ireo mpanao sariitatra rehetra manerana an'izao tontolo izao:aleo isika manara-maso sy miteny ho an'i Atena Farghadani "
Indro ny Sarintany Mampiseho Izay Tena Sainin'ny Japoney Amin'i Eoropa
Araka ny fitsarana an-tendrony Japoney, izay ny firenena manana fonja mamirapiratra indrindra? Ary iza ny firenena ao Eoropa feno olona adala indrindra? Ary nahoana ny Letoniana no mihinana ovy?
Mihamahazo Vahana ny Fihetsiketsehana ao Makedonia Rehefa Nambara Ny Hisian'ny Fifampiraharahana Ara-Politika Vaovao
An'aliny ireo Makedoniana nidina an-dalambe hatramin'ny nanambaran'ny filoha ny fanapahan-keviny hamindra fo amin'ireo manampahefanan'ny governemanta voampanga ho nanao kolikoly sy nanao fihoaram-pahefana, mba tsy ho tratran'ny fitsarana.
Kerry Galhos, Ho “Serena Williams” Ao Timor-Atsinanana ?
Tanora mpilalao avy ao Timor-Atsinanana i Kerry Galhos, manana hoavy mahavelom-bolo eo amin'ny tontolon'ny lalao tennis. Nandao ny fireneny mba hanatanteraka ny nofinofiny ilay mpilalao, ny ho lasa mpilalao matianina.
Nanjary Fitaovam-piadiana Hamelezana Ireo Mpilalao Horonantsary Mamoafady Rosiana Ny Tolotra Famantarana Endrika (FindFace)

Nanatontosa hetsika famoahana ny anaran'ireo vehivavy mpilalao sarimihetsika vetaveta ny mpiserasera imageboard “Dvach” (2chan) ao Rosia, amin'ny fampiasana ny tolotra vaovao antsoina hoe “FindFace.”
Navotsotra Ilay Iraniana Mpanao Sariitatra Nogadraina
"Noho ny fitahian'Andriamanitra, navotsotra tao amin'ny Fonjan'i Evin aho androany alina rehefa avy nahavita sazy. Misaotra tamin'ny firaisankina nasehoanareo rehetra," Hoy i Hadi Heidari tao amin'ny Instagram."
Miady Ho Fiarovana Ny Honko Lalainy Ny Fokonolon'i Cancun, Meksika
"Miezaka ny hanavotra ilay alan-konko ny olona, indrindra fa ny tanora. Nandainga taminay ny governemanta. Fahafaham-baraka ny fahasimbana navelan'izy ireo."
Abu Majid, Ilay Manana Vina Syriana

"Mazava sy voatondro tsara ny fangatahan'i Abu Majid. Ny vinany dia i Syria demokraty miantoka ny fahafahana ho an'ny mponina iray manontolo. Izay no niampangana azy. Izay ny helony.."
‘Ady’ Malalaka Nifanaovan'ny Kazakhs Roalahy Tanaty Fefy
Matevina noho ny rano ny rà , ary zava-dehibe noho ny loka vola.