Ampangain'ny Lehiben'ny Fampanoavana Rosiana ny “Faritra Havanana” Ho Nampiasa Ny Media Sosialy Hanonganana An'i Kremlin

One of the currently available VKontakte pages for the Ukrainian nationalist organization "Right Sector." Image by Tetyana Lokot.

Iray amin'ireo pejy VKontakte an'ny fikambanana nasionalista Okranianina “Faritra Havanana” misy amin'izao fotoana izao . Sary: Tetyana Lokot.

Ao amin'ny tatitra vaovao, niampanga an-karihary ny vondrona nasionalista Okrainiana  “Faritra Havanana” izay nikasa  hampiasa ny aterineto mba hanome sehatra korontana faobe ao Rosia, ho amin'ny tanjona hanonganana ny governemanta Rosiana ny Lehiben'ny Fampanoavana Rosiana, Yuri Chaika..

Araka ny RIA Novosti,  hanome ny vaovao amin'ny kabary ampahibemaso ho an'ny Filankevitry ny Federasiona i Chaika amin’ ny 27 Aprily, ary nomena ny sampam-baovao ny dika mitovy amin'ilay tatitra natao.

Nilaza ny Lehiben'ny Fampanoavana fa nampiasa ny tambajotra sosialy Rosiana VKontakte  ny mpikambana ao amin'ny “Faritra Havanana”  hamoronany pejy azon'ny rehetra idirana sy hanomanany ” korontana faobe sy hetsika tsy nahazoana alàlana”, izay mety nitarika ny fanakanana ireo pejy izany.

Araka ny gazety Moskovsky Komsomolets, efa nandà sahady ny filazan'i Chaika.ny nasionalista Okrainiana.

Nandà ny fiampangan'i Chaika amin'ny fanomanana fanonganam-panjakana ao Rosia ny “Faritra Havanana “: “Miasa feno ao Okraina ny tananay amin'izao fotoana izao.”

Efa voarara tao Rosia nanomboka tamin'ny novambra 2014 ny “Faritra Havanana” amin'ny maha fikambanana  azy .Tamin'ny Martsa 2014, niampanga tamin'ny fomba ofisialy an'i Dmitry Yarosh ,ilay mpitarika ny vondrona nasionalista Okrainiana tamin'izany fotoana, ho nitarika ny fampihorohoroana sy ny ekstremisma ny mpanao fanadihadiana Rosiana  .

Tamin'ny Aprily 2014, nanakana pejy VKontakte maromaro mifandray amin'ny hetsika  “Faritra Havanana” ny fanivànana fampitam-baovao Rosiana  Roscomnadzor, milaza izy fa namoaka votoaty ekstremista ny vondrona .

Ankoatra ireo zavatra hafa, maro ihany koa ireo mpisera aterineto Rosiana no voampanga ho nanao ekstremisma tamin'ny fandefasana votoaty mifandray amin'ny “Faritra Havanana”[mg], na nisoratra  anarana tao amin'ny pejin'ny fikambanana nasionalista tao amin'ny media sosialy.

Nanamarika ny tatitry ny Lehiben'ny Fampanoavana Rosiana fa tao anatin'ny 10 taona farany, dia nitombo avy folo heny ny isan'ny heloka mifandray amin'ny ekstremisma ao Rosia: raha 130 izany tamin'ny 2004 dia 1.329 kosa tamin'ny 2015. Ny ankamaroan'ireo trangan-keloka ireo, araka an'i Chaika, dia mifandray amin'ny votoaty “ekstremista” nalefa an-tserasera.

Tamin'ny 2015 natao fiasana hamafana “ny fitaovana tsy ara-dalànan'ny ekstremista sy ny fampihorohoroana ” avy amin'ny tranonkala fito arivo ny biraon'ny Lehiben'ny Fampanoavana. Ankoatra izany, nanara-maso ny tati-baovao miisa 11 000 ka nahita fanitsakitsahana 15 000 mifandray amin'ny famoahana votoaty ekstremista ilay Birao.  Pejy sy lahatsoratra miisa 836 no nampiana tamin'ny lisitra federaly Rosiana momba ny fitaovana ekstremista tamin'ny 2015.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.