
Ho ampahany amin'ilay hetsi-panoherana, maro tamin'ireo sarivongana samihafa tao an-tanàna no norakofana saron-tava. Sary an'i Sergio Gonzalez. Nahazoana alàlana
Hatramin'ny Martsa 2016, niharan'ny fahalotoan'ny rivotra ny tanànan'i Medellín, ao Kôlômbia. Zavatra maro samihafa no niteraka ilay olan'ny tontolo iainana, isan'ireny ny toetrandro El Niño, ny fitomboan'ny isan'ny fiara, ary ny toerana misy azy ara-jeografika rahateo (anaty lohasaha) izay miteraka fivangongoan'ny setroka mihitsoka eny anelanelan'ireo tendrombohitra.
Vetivety mihitsy sady tamin-keso i Medellín, izay ara-tantara dia nitàna ny solonanarana “Tanànan'ny Lohataona Mandrakizay,” dia novain'ireo mpampiasa tranonkala ho #Medehollín, “hollín” midika hoe “molaly” amin'ny teny Malagasy. Ny Wikipedia amin'ny teny Espaniôla dia mamaritra ny molaly ho :
…partículas sólidas de tamaño muy pequeño, desde unos 100 nanómetros (100 nm) hasta 5 micras (5 μm) como máximo. En su mayoría compuestas de carbono impuro, pulverizado, y generalmente de colores oscuros más bien negruzcos resultantes de la combustión incompleta de un material (madera, carbón, etc). Su aspecto es similar a la ceniza pero con un tono más negro.
…potipoti-javatra madinika kely, 100 nanometres (100 nm) hatramin'ny 5 microns (5 μm) raha lehibe indrindra. Ny ankamaroany dia fitambaranà arintany maloto, torotoro, ary amin'ny ankapobeny dia matroka ny lokony na manopy mainty vokatry ny firehetana tsy tonga hatramin'ny farany nanjo ireo akora (hazo, arintany, sns). Mitovy endrika amin'ny lavenona, saingy somary matroka kokoa.
Niteraka savoritaka ilay tranga, ka nahatonga ny iray tamin'ireo gazety ao amin'ny firenena, Revista Semana, hamoaka ampahan-dahatsoratra iray manazava ny loharanon'ilay tenifototra.
Así nació el hashtag ‘#MedeHollín‘ –> https://t.co/Fml6WWAXOY (foto vía @JFValenciaF) pic.twitter.com/u47pKp9SFw
— Revista Semana (@RevistaSemana) April 4, 2016
Ny fomba niforonan'ny tenifototra ‘#MedeHollín‘
Kanefa, raha mahita izany ho mahatsikaiky ny sasany, ny ben'ny tanàna, Federico Gutiérrez, kosa nalaky namoaka antso iray hampitsaharana ny “fampietrena” an'i Medellín amin'ny fiantsoana azy tahàka izany :
Señores @RevistaSemana con todo respeto. Estamos viviendo una emergencia ambiental. Somos #Medellín NO #Medehollín . De esta también salimos
— Federico Gutiérrez (@FicoGutierrez) April 3, 2016
Tompokovavy sy Tompokolahy @RevistaSemana, miaraka amin'izay fanajàna rehetra azo omena, miaina hamehana ara-tontolo iainana isika. #Medellín isika FA TSY #Medehollín. Ho vitantsika koa ny misedra an'io.
Ny fanehoankevitr'ireo mponina ao an-tanàna dia miainga avy amin'ny antso ho fiarovana ny tontolo iainana, fampiasana saron-tava hiarovana ny tena ary ny fisafidianana ny bisikileta, ka hatramin'ny famoahana tarehimarika mifanaraka amin'ny toedraharaha araka izay itrangàny eo.
Mamaly i Medellín
Heverin'ireo izay monina ao Medellín toa an'i Juan Herrera fa ilay olana dia nateraky ny tsy fisian'ny fikarakaran'ireo mponina ao an-toerana ny tontolo iainan'izy ireo ihany:
No hacen falta las palabras. #Medehollin lo siento mucho, esta gente no te quiere como tanto dicen. pic.twitter.com/QvUpceFkqG
— Juan Herrera (@herrerajuans) April 1, 2016
Tsy ilàna teny be. Tena malahelo aho ry #Medehollin, tsy tia anao araka ny filazan'izy ireo akory ireo olona ireo.
Mandritra izany, nampakatra saripika iray tao amin'ny Instagram i Daniel Urrea, mametaka saron-tava tsy araka ny sitrapony :
https://www.instagram.com/p/BDoS3VaNvTM/
Kilalao vaovao. Tsy mahafinaritra: tena ilaina. Hatezerana. #Medehollín
Zarain'i Daniel Suárez hoe nitombo isa ireo fahafatesana nateraky ny olana ara-pisefoana tao an-tanàna:
En #Medehollin se dispararon las muertes por enfermedades respiratorias, causantes por contamina pic.twitter.com/XzUJn5NW2q
— Daniel Suárez (@Danielsuarezvoz) 14 de abril de 2016
Ao #Medehollin mitombo ny fahafatesana noho ny olana ara-pisefoana, nateraky ny fahalotoana.
Fanangonan-tsonia iray ao amin'ny Change.org koa no manangona ny valintenin'ireo mponina momba ilay toedraharaha. Ao anatin'ny fanazavana ilay fanangonan-tsonia, naborak'i Pablo Montoya mpamoroana azy ny antony ara-tontolo iainana, toekarena, fitantanana ary ara-piarahamonina izay ao an-damosin'ireo olan'ny fahalotoana ao Medellín:
Para mí, una de las razones principales de esta crisis, no solo ambiental sino también social, es la gran cantidad de carros y motocicletas que entran a Medellín y sus municipios aledaños.
Cantidad que hace tiempos excedió, y con demasía, las capacidades mismas que tiene nuestro espacio para enfrentarla. Se sabe que el arribo del flujo automotriz se hace sin ningún control, o con controles pírricos en los que están directamente comprometidas la empresa privada y las autoridades estatales. No es necesario describir ahora este contubernio corrupto que solo funciona en aras de enriquecer a algunos.
Ho ahy, iray amin'ireo antony lehibe indrindra amin'ity olana ity, tsy hoe ara-tontolo iainana fotsiny fa koa ara-piarahamonina, ny hamaroan'ny fiara sy kodiarandroa tonga eto Medellín sy ireo tanàna manodidina azy.
Isa izay mihoatra lavitra amin'ny fahazakàntsika miatrika azy. Efa fantatra fa tsy misy fanarahana maso ny fizotry ny fifamoivoizana, na misy fanarahana maso fa lafo loatra ny sandany izay mampifanolana mivantana ny fandraharahan'ny tsy miankina sy ireo manampahefam-panjakàna. Mandeha ho azy tsy ankiteninteny io tetidratsy feno kolikoly io, izay miasa fotsiny hampanan-karena olom-bitsy.
‘Miangavy, aza ampiainina ao Medehollín izahay’
Ho fomba fanoherana, nasiana saron-tava ireo sarivongana isankarazany:
¡Me encanta esto! La ciudad le pide al Alcalde que tome decisiones reales y valientes. #RespiraVida #Medehollín pic.twitter.com/C7xvmGAvU0
— María (@MarieMontoya) April 8, 2016
Tiako ity! Takian'ny tanàna ny Ben'ny tanàna mba handray fanapahankevitra tena izy sy feno herimpo.
Tahatahàka izay, rakotry ny hafatra iray napetaka taminy ireo fiarabe fitaterana : “Miangavy, aza ampiainana ao Medehollín izahay”:
#Medehollin se mueve por la ciudad. pic.twitter.com/TmfhR8Cpkk
— Óscar Marín (@oskymarin) 9 de abril de 2016
Mitety tanàna ny #Medehollin
Ary manentana mba hampiasàna bisikilety ny vondrona SiCLas :
Saca la bici, no nos obligues a vivir en #Medehollín. Vamos #PedaleandoPorElAire de nuestras ciudades contaminadas pic.twitter.com/4KxCJHgCSy
— Colectivo SiCLas (@SiCLas) 8 de abril de 2016
Avoahy ny bisikilety, tsy mila miaina ao anaty #Medehollín isika. Ndeha isika #HivohyHamakivakyNyRivotra hiala amin'ireo tanàna malotontsika.
Farany, niteraka fanontaniana iray ilay hamehana ara-tontolo iainana: Ahoana ny hevitsika momba ny fitaterana amin'izao fotoana izao eto an-tanàna? Avy amin'ny sekreteran'ny fitaterana ny valinteny iray, tamin'ny alàlan'ny bitsika :
“Nuestra prioridad es: 1ero el peatón, después el ciclista, luego el transporte público y por último el vehículo particular” @FicoGutierrez
— Secretaría Movilidad (@sttmed) April 8, 2016
“Ny laharam-pahamehantsika dia: Voalohany indrindra ireo mpandeha an-tongotra, avy eo ny fitateram-bahoaka, ary farany ireo fiaran'olon-tsotra.” @FicoGutierrez
Eo anatrehan'ny refy avoben'ny fahalotoana tamin'ny 1 sy 2 Aprily teo, nandray fepetra ny governemanta, toy ny Andro Tsy Misy Fiara, fandehanana maimaimpoana tamin'ny rafitra fiarandalamby ambanin'ny tany ary fampiatoana ny hetsika ankalamanjàna. Tamin'ny fotoana namoahana ity lahatsoratra ity, efa nifarana ireo fepetra hamehana ara-tontolo iainana, azo antoka fa ho tafiditra anatin'ny fandaharanasa maharitry ny fanjakana ilay lohahevitra, araka ny notsipihan'i Kenny Valenzuela mpampiasa Twitter azy:
@FicoGutierrez Ojo, seguimos viviendo en #MedeHollin las medidas no pueden ser pasajeras ante una crisis ya situada.https://t.co/2tXbXlIAC4
— Kenny Valenzuela (@kennydelavega) 9 de abril de 2016
@FicoGutierrez Jereo, Mbola miaina ao anatin'ny #MedeHollin ihany isika, tsy afaka ny ho vonjimaika mihitsy ireo fepetra natao ho an'ny olana efa mby an-koditra.