Nahavita sarintanin'ny fitsarana an-tendron'ny Japoney amin'ireo firenena eoropeana, nifototra tamin'ny torohevitra mameno tena amin'ny Google Japoney i Nick Kapur, mpahay tantara matihanina [1] manampahaizana manokana an'i Japan, fa monina ao Etazonia.
I made a map of Japanese stereotypes of European countries, based on Japanese Google autocomplete suggestions. pic.twitter.com/g2hAqF5vOw [2]
— Nick Kapur (@nick_kapur) April 22, 2016 [3]
Nahavita ny sarintanin'ny fitsarana an-tendrony Japoney amin'ny fijeriny ireo firenena eoropeana, nalaina avy amin'ny tolokevitra mameno tenan'ny Google Japoney, aho.
Tsy ny firenena tsirairay ao Eoropa no voaseho ao amin'ny Google mameno tenan'ny teny japoney:
@XENON312O [4] @MegaMogwai [5] I searched for Slovenia but unfortunately the autocomplete didn't return any non-tourism related results in Japanese.
— Nick Kapur (@nick_kapur) April 25, 2016 [6]
Nitady an'i Slovenia aho saingy indrisy fa tsy nisy valiny tsy mifandraika amin'ny fizahantany hita tamin'ny teny japoney.
Misy valiny feno misitery ihany koa avy amin'ny famenoan-tenan'ny Google raha nampiditra an'i Kapur ao amin'io sarintany io izy:
@Paninodesu [7] Yeah, I was confused by that myself, actually, but after digging around, it seems to be some sort of “polandball” reference.
— Nick Kapur (@nick_kapur) April 25, 2016 [8]
Nisarita-tsaina ihany koa aho, saingy rehefa nitrandraka teny rehetra teny aho dia hitako ho karazana fijery “polandball” [9] [baolin-tsainampirenena, tsindrio ny rohy ijerena ny sariny] ihany ilay izy
Ny sarintanin'i Kapur dia mitovitovy amin'ny sarintany hafa tamin'ny 2015 izay nampiasa ny Baidu [10], mili-pikarohana mahazo vahana indrindra ao Shina, izay niafara amin'ny fanontaniana voasoratra ampahany momba ireo faritany isan-karazany ao Shina.
A map of China, by stereotype: http://t.co/isRo4hkPTB [11] pic.twitter.com/vhuADJsWGm [12]
— FP's Tea Leaf Nation (@TeaLeafNation) March 4, 2014 [13]
Sarintanin'i Shina, avy amin'ny fitsarana an-tendrony