Indro ny Sarintany Mampiseho Izay Tena Sainin'ny Japoney Amin'i Eoropa

Google Autocomplete Suggestions for Japan

Torohevitra mameno tena ao amin'ny Google rehefa manoratra “Japan.”

Nahavita sarintanin'ny fitsarana an-tendron'ny Japoney amin'ireo firenena eoropeana, nifototra tamin'ny torohevitra mameno tena amin'ny Google Japoney i Nick Kapur, mpahay tantara matihanina manampahaizana manokana an'i Japan, fa monina ao Etazonia.

Nahavita ny sarintanin'ny fitsarana an-tendrony Japoney amin'ny fijeriny ireo firenena eoropeana, nalaina avy amin'ny tolokevitra mameno tenan'ny Google Japoney, aho.

Tsy ny firenena tsirairay ao Eoropa no voaseho ao amin'ny Google mameno tenan'ny teny japoney:

Nitady an'i Slovenia aho saingy indrisy fa tsy nisy valiny tsy mifandraika amin'ny fizahantany hita tamin'ny teny japoney.

Misy valiny feno misitery ihany koa avy amin'ny famenoan-tenan'ny Google raha nampiditra an'i Kapur ao amin'io sarintany io izy:

Nisarita-tsaina ihany koa aho, saingy rehefa nitrandraka teny rehetra teny aho dia hitako ho karazana fijery “polandball” [baolin-tsainampirenena, tsindrio ny rohy ijerena ny sariny] ihany ilay izy

Ny sarintanin'i Kapur dia mitovitovy amin'ny sarintany hafa tamin'ny 2015 izay nampiasa ny Baidu, mili-pikarohana mahazo vahana indrindra ao Shina, izay niafara amin'ny fanontaniana voasoratra ampahany momba ireo faritany isan-karazany ao Shina.

Sarintanin'i Shina, avy amin'ny fitsarana an-tendrony

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.