- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahena 18 Volana ny Sazy 12 Taona an'Ilay Iraniana Mpanao Sariitatra Atena Farghadani

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fanampenam-bava, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava
Atena Farghadani stands trial on Tuesday May 18 for charge that include insulting members of parliament and spreading propaganda against the system. Image taken from the 'Free Atena' Facebook page.

Atena Farghadani niatrika fitsarana tamin'ny 2015 noho ny fiampangana ka anisan'izany ny famingavingana mpikambana ao amin'ny parlemanta sy propagandy manohitra rafitra . Sary nalaina tamin'ny pejy Facebook “Afaho Atena”.

Efa natao hivoaka ny fonja ao Iran i Atena Farghadani, mpikatroka sady mpanao sariitatra rehefa nahenan'ny fitsarana ambony 18 volana ny saziny 12 taona .

Tamin'ny 25 Aprily nilaza ny Tsy Heloka ny Fanaovan-gazety [1], fikambanana mandrakitra ho tahirin-kevitra ny fanenjehana Iraniana mpanao gazety, fa ho afahana izy ny 11 May 2016, araka ny mpisolovavany.

Tamin'ny 2015, notsaraina tao iran i Farghadani noho ny sariitatra mahakasika ny fanaovana fanabeazana aizana. Nomeny endrika biby tao anatin'izany ny mpikambana ao amin'ny parlemanta Iraniana. Tamin'izay fotoana izay, ny parlemanta tao amin'ny firenena hifidy volavolan-dalàna mba hametra ny fahazoana manao fanabeazana aizana an-tsitrapo.

Notsaraina tao amin'ny antsoina hoe Fitsarana Revolisionera izy, izay fantatra amin'ny fanomezana sazy henjana amin'ny fahadisoana maivana.

Tamin'ny Jona 2015, voaheloka ho manaparitaka fampielezan-kevitra manohitra ny rafitra, naniratsira mpikambana ao amin'ny parlemanta amin'ny alalan'ny sary hosodoko, sy nanala baraka ny mpitarika faratampony i Farghadani, ka voasazy 12 taona an-tranomaizina. Tamin'izany fotoana izany i Hadi Ghaemi ao amin'ny Fanentanana Iraisampirenena ho an'ny Zon'olombelona  ao Iran naneho hevitra hoe: “Mitoetra ho Tsipika tsy azo ihoarana hatrany ao Iran ny fanehoana ny tsy fitovizan-kevitra am-pilaminana . Raha mandika izany ianao dia mety hiditra am-ponja. “

Araka ny Human Rights Watch [2], dia mety ho lasibatra manokana i Farghadani  noho ny fifandraisany tamin'ny fianakavian'ireo gadra politika maty tany am-ponja taorian'ny fifidianana filoham-pirenena  tsy manaram-penitra  tao Iran tamin'ny 2009.

Niatrika ny  herisetran'ny manam-pahefana tany am-ponja i Farghadani nandritra ny fitazonana azy. Araka ny tatitra iray avy amin'ny Firenena Mikambana Mpitatitra manokana momba ny Zon'olombelona ao Iran (jereo ny pdf [3] ):

On 10 January 2015, Ms. Atena Farghdani was summoned to branch 15 of the Revolutionary Court, where she was arrested and subsequently beaten in front of her parents. Upon Ms. Atena’s protest, she was taken to a court room, where she was insulted and beaten again, this time allegedly in front of a court judge. […] Of the two months in detention, she reportedly spent 20 days in solitary confinement and was also subject to a harsh bodily search and mistreatment. She also allegedly engaged in a hunger strike to protest her prison conditions, lack of access to defense lawyer and contacts with family members.

Tamin'ny 10 Janoary 2015, voaantson'ny sampana Fitsarana Revolisionera laharana faha 15 Ramatoa Atena Farghdani, ary tao no nisamborana sy nidarohana azy teo imason'ny ray aman-dreniny. Tamin'ny fanoheran-dRamatoa Atena, dia nentina tao amin'ny efitrano fitsarana izy ary nopaina sy nokapohina indray, tamin'izay fotoana izay voalaza fa teo anoloan'ny mpitsara. […] Nandritra ny roa volana tao am-ponja, dia voalaza fa natokan-toerana izy nandritra ny 20 andro , ary henjana koa ny fisavana sy ny fampijaliana azy. Voalaza ihany koa fa nirotsaka nanao fitokonana tsy nihinan-kanina izy ho fanoherana ny fomba nitazonana azy tao am-ponja, ny tsy nahafahany naka mpisolovava mpiaro ary ny tsy fahazoany nifandray tamin'ny fianakaviany.

Araka ny tatitra hafa nataon'ny Firenena Mikambana,  “voalaza fa voatery nisedra andrana amin'ny maha-virjiny sy ny fitsapana fitondrana vohoka,” ihany koa izy, izay nohamarinin'ny [4] manampahefana Iraniana  fa ho valin'ny “fanaovana famingavingana ara-nofo natao taminy tamin'ny tranonkala sasany.”

Nandrisika ny andrimaso ho mailo i Ann Telnaes ilay nahazo loka Pulitzer tamin'ny fanaovana sariitatra fa tena navoaka tokoa i Farghadani :

Ho an'ireo mpanao sariitatra rehetra manerana izao tontolo izao:aleo isika manaramaso sy miteny ho an'i Atena Farghadani https://t.co/nYfb7t9cJO [5]                                                           — Ann Telnaes (@AnnTelnaes) 25 April  2016 [6]

Ny fitateram-baovaon'ny raharaha Atena Farghadani tato amin'ny Global Voices teo aloha: