Velona Ny Tehaka Sy Ny Hiaka Fa Fanesorana Akanjo No Nakan'Ilay Ongandey Vehivavy Mpikaroka Indray Ny Biraony

Dr. Stella Nyanzi outside her locked office. Photo posted on her Facebook page.

Dr. Stella Nyanzi voaihidy ivelan'ny biraony. Sary nalefany tao amin'ny pejiny  Facebook.

Tamin'ny 18 Aprily nitanjaka i Dr. Stella Nyanzi, mpikaroka ao amin'ny Ivontoeran'ny Fikarohana Sosialy (MISR) tao Makerere, mba hahazoany indray ny biraony . Rehefa avy nanendaka ny akanjony izy, dia naka sary sy horonantsary, izay navoakany tao amin'ny rindriny Facebook.

Nilaza ny Profesora Mahamood Mamdani, filohan'ny Ivontoerana, fa nanidy ny biraon'i Dr. Nyanzi izy, satria tsy nety hampianatra kilasin'ny mpianatra maka dokotôrà (PhD) tao amin'ny Ivontoerana.

Nilaza i Nyanzi fa tsy anatin'ny andraikiny ny fampianarana .

Nampiasainy  aloha  ny pejiny Facebook mba hangatahana amin'ny Profesora Mamdani hanokatra ny biraony. Telo andro tatỳ aoriana, noraisiny  an-tanana ny toe-draraha, ary ny marainan'ny 18 Aprily , dia nanala akanjo teo anoloan'ny  biraony izy.  Nanosika ny manam-pahefana tao amin'ny oniversite hanolotra azy indray ny fanalahidiny io fihetsika io.

Na izany aza, nampiato azy vonjimaika mandra-pisian'ny fanadihadiana ny Oniversiten'i Makerere.

Nanangana komity ahitana mpikambana valo hanadihady ny olana ny Sojabe lefitry ny Oniversiten'i Makerere, ny Prof. Ddumba Ssentamu, izay niampanga ny Prof. Mamdani ho nanery ny Dr. Nyanzi hanaisotra ny raobiny ampahibemas.

Fanindroany izay no nisy hetsi-panoherana miboridana tao Ogandà tao anatin'ny roa taona.Tamin'ny Aprily 2015, nitatitra ny Daily Monitor ny fisian'ny trangan-javatra izay nahitana vehivavy avy amin'ny faritra avaratr'i Ogandà niseho nitanjaka ho fanoherana izay noheveriny fa fangalaran-tany. Ny   Saika hampanofa tany 827 km tsimivadimandry amin'ny mpampiasa vola tsy miankina iray, izay nikasa  hanova izany ho zaridaina tsy miankina filalaovana ny manampahefana ao amin'ny Uganda Wildlife.

Ho an'ny vondrom-piarahamonina sasany ao Ouganda, ny fitanjahana ampahibemaso dia manambara ozona ho an'ny fahavalony.

Manazava ny fihetsiny, izay nantsoiny hoe “fomba fanehoan-kevitra ara-pananahana“, ny Dr. Nyanzi raha nanoratra tao amin'ny pejiny Facebook:

The weapons of the powerless never make sense to the powerful. You can laugh at and mock me for using my nudity against the illegal eviction from my office, but it was the only weapon I had in my battle against Mahmood Mamdani's insubordination to the DVC [Deputy Vice Chancellor] who asked him to [cancel] the eviction. I am fighting to the death against the oppression and ‪#‎RotAtMISR‬.

Tsy misy dikany amin'ny mahery ny fitaovam-piadian'ny tsy manana hery. Afaka mihomehy sy maneso ahy ianareo amin'ny fampiasana ny fitanjahako manohitra ny fandroahana ahy tsy ara-dalàna tao amin'ny biraoko, nefa izay no hany fitaovam-piadiana hananako hanoherako ny tsy fankatoavan'i Mahmood Mamdani ny DVC [Mpiadidy Lefitra] izay nangataka azy [hanafoana] ny fanesorana ahy amin'ny biraoko. Miady hatramin'ny fahafatesana aho manohitra ny famoretana ary ‪#‎RotAtMISR‬.

Niteraka fifamaliana mangotraka tao amin'ny media sosialy ny endriky ny hetsi-panoheran'i Dr. Nyanzi .

Nilaza an'i Stella ho very saina ny Ogandey sasany :

With all due respect to Dr. Stella Nyanzi, she's starting to look very desperate and mad.

— Arnold Kwizera (@TherealKwizera) April 18, 2016

Ao anatin'ny fanajana ny Dr. Stella Nyanzi, manomboka mamoy fo sy adala izy.

Mino i Comorade Otoa fa  mila fanampiana i Stella Nyanza :

Misy ny olona sasany hono nitehaka an'i #StellaNyanzi. Mila vonjy ilay ramatoa. Maneho ny toe-pisainany ny fihetsiny mampanahy

Fa namango ilay fihatsarambelatsihy i Allan Ssenyonga, mpanao gazety Ogandey monina ao Rwanda, :

Nanala ny akanjony ny vehivavy any amin'ny faritra avaratr'i Oganda satria maka ny taniny ny governemanta = Ekena!

Nanala akanjony ho fanoherana i Stella Nyanzi = Adala izy

Smh

Ary manaraby ireo olona miha-maro nilaza ny zavatra nataon'i Nyanzi ho fanitsakitsahana ny kolontsaina nentim-paharazana afrikanina i Joshua Mali, mpanao gazety BBC teo aloha.

Mahaliana ny mahatonga ilay fiarahamonina zara raha mitafy vao 100 taona lasa izay no milaza fa mifanohitra amin'ny kolontsain-dry zareo ankehitriny ny fiboridanana ! #StellaNyanzi

Tena mila mitsahatra amin'ny fiheverana ny vehivavy ho zavatra ny fiarahamonintsika! Mila mahafantatra azy ireo amin'ny fijerim-pahaizana isika tsy amin'ny endrim-pananahana..

Amin'ireo diezy mifandray amin'ny zava-nitranga, nisy ny nanasongadina ny fikoroso fahan”ilay Ivontoerana Fikarohana Sosialy Makerere ( #RotAtMISR) nanana ny hajany taloha, raha misy ny sasany naneho fanohanana ny Prof. Mamdani amin'ny fifanandrinany amin'i Nyanzi ( #IStandWithMamdani ).

Efa voasoritra ny vava ady. Voapetraka ny toby anankiroa. #IStandWithMamdani [Miaraka amin'i Mamdani] mitaha amin'ny #RotAtMISR aka #StellaNyanzi. Goliath sy David.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.