- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsidiho Ny Ranty Virtoalin'ny Firavaka Noraofina Tany Amin'ny Fianakaviana Mpanao Didy Jadona Tao Filipina Teo Aloha

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara

tiara [1]Nanjaka toy ny mpanao didy jadona nandritra ny roapolo taona ny Filohan'i Filipina Ferdinand Marcos  mandra-panonganana azy tamin'ny  ‘Herin'ny Vahoaka” am-pilaminana nitranga tamin'ny 1986. Nandositra ny firenena izy sy ny fianakaviany ary niditra  an-tsesitany tany Etazonia.

Rehefa tonga tao Hawaii, dia nogiazan'ny fadintseranan'i Etazonia ny zavatra isan-karazany tany amin'ny fianakaviana Marcos,  toy ny vola, taratasy petra-bola amin'ny banky, hosodoko, ary firavaka izay naverina tany amin'ny  governemanta Filipiana vaovao.

Voampanga ho nandroba ny tahirim-bola nasionaly i Marcos  nandritra ny fotoana nitondrany. Voatsikera ihany koa ny fianakaviany ho niaina tanatin'ny rendrarendra raha nijaly tamin'ny fahantrana lalina ny ankamaroan'ny Filipiana.

Nivoaka lohateny lehibe manerantany ny vadin'i Marcos, Imelda, tamin'ny 1986, rehefa nahita ny lalimoarany feno kiraro karazany mihoatra ny 1.000 ny manampahefana. Nisy teny anglisy vaovao  mihitsy aza nomena azy, Imeldific, izay midika hoe’  fampideraderana tafahoatra .’

Naorina ny Vaomieran'ny Prezidansa Misahana ny Fitondrana Tsara [Tantana] (PCGG) tamin'ny 1986 mba hanavotana ireo harena nalaina “tsy ara-dàlana” an'i Marcos sy ny fianakaviany, . Telopolo taona tatỳ aoriana, nanohy nitady ny fananan'i Marcos hafa manerana an'izao tontolo izao ny sampan-draharaha.

Ao anatin'ny iraka hanabeazana ny vahoaka momba ny “Rendrarendra tafahoatra an-dry Marcos”, nanangana [2] fanisana an-tserasera ireo lisitry ny firavaka nogiazan'ny Fadintseranan'i Etazonia ny PCGG.

Nampitondraina ny lohahevitra “Rantim-Piravaka Viritoaly, Tantaran'ireo Zavatra Tafahoatra: Inona no mety mahatonga fampandrosoana ny firenena  ” Nanome ohatra mivaingana ihany koa ny vavahadin-tserasera amin'ny hoe ahoana ny vola nampiasaina hividianana firavaka tao amin'ny firaketana no mety azo natokana hanomezana tolotra ara-tsosialy fototra.

The Commission believes that it is its duty to remind Filipinos, especially the youth of the real history. Through this online exhibit of the family’s collection of diamonds, gold, even tiaras, the PCGG hopes that the youth can visualize how the Marcoses abused the government coffers, part of history which is not in the history books.

Mino ny Vaomiera fa adidy ny mampahatsiahy ny tena fizotry ny tantara amin'ireo Filipiana, indrindra fa amin'ny tanora . Amin'ny alalan'ity fampirantiana an-tserasera ireo tahirin-diamondra, volamena, hatramin'ny satroboninahitry ny fianakaviana ihany koa aza, no anantenan'ny PCGG ahafahan'ny tanora mijery ny fihoaram-pahefana nataon-dry Marcos amin'ny kitapom-bolan'ny governemanta, ampahany amin'ny tantara izay tsy ao anatin'ny boky tantara.

Mandrisika ny vahoaka ny PCGG  hahatsiaro ny heloka bevavan’ ny Marcos:

These excess wealth and extravagance are the tangible reminder of the insidious evil of plunder and dictatorship during the Martial Law.

Now, this is our call: To those too young to remember, it is not yet too late to know. To those old enough to have known, it is our responsibility to remember.

Ireo harena be loatra sy tafahoatra ireo no tsiahy azo tsapain-tanana amin'ny famitahana ratsy sy ny fandrobana ary ny jadona nandritra ny Lalàna Miaramila.

Ankehitriny, izao no antsonay: Ho an'ireo tanora loatra ka tsy hahatadidy, mbola tsy tara loatra ny mahafantatra. Ho an'ireo efa lehibe ka tokony nahalala, andraikitsika ny mahatsiaro.

Miverina indray manko ny fahalianana tamin'ny vanim-potoanan'i Marcos  satria nilatsaka ho filoha lefitra ny zanak'ilay mpanao didy jadona voaongana amin'izao fotoana izao.

Ireto ambany ireto ny sarin'ireo firavaka navoakan'ny PCGG ao amin'ny kaontiny media sosialy. Andao isika hanomboka amin'ny kely indrindra nefa ilay firavaka lafo vidy indrindra ao amin'ny firaketana: ny diamondra mavokely .

pink diamondIty manaraka ity dia diamondra fahagola  misy fitomboka Catchpole & Williams, 510 Oxford St., Londra, Angletera, tany ho any amin'ny taona 1890:

antiqueNotombana [3]n'ny PCGG ho mihoatra ny 21 tapitrisa dôlara amerikana izay azo jerena etsy ambany ny sisa tamin'ny firaketana :

heart cabochon [4]

black sapphire [5]

antique diamond sapphire [6]

pearl diamond [7]

ceylon [8]

belle [9]

coronet [10]

Naranty tamin'ny sekoly [11] manerana ny firenena ihany koa ny sarin'ny firavaka.