- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Netizen Report: Ilay Fotoana Nahafatesan'ny Aterineto Tao Ekoadaoro

Sokajy: Honduras, Kambodza, Shina, Tanzania, Venezoela, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava
Internet cafe in Ecuador. Photo: Chris Feser / Flickr / CC 2.0. [1]

Trano fidirana aterineto ao Ekoadaoro. Sary: Chris Feser / Flickr / CC 2.0. Sary namboarin'i Kevin Rothrock.

Ny Netizen Report an'ny Global Voices Advocacy dia manome topimaso iraisampirenena momba ny fanamby, fandresena sy vaovao malaza momba ny zo an'aterineto manerantany.

Araka ny antotan-taratasy tafaporitsaka [2]avy amin'ny Telefonica orinasan'ny fifandraisan-davitra marorantsana Espaniola, ny fahatapahan'ny aterineto vetivety tsy ahafahan'ny Ekoadaoriana hiditra tao amin'ny Google sy YouTube no nasetrin'ny orinasa tamin'ny baikon'ny governemanta, fa tsy vokatry ny olana ara-teknika araka ny niheverana azy teo aloha izany. Naharitra 33 minitra ihany ny fahatapahana, araka ny voalaza tamin'ny antontan-taratasy tafaporitsaka. Toa tranga voarakitra voalohany momba ny fanakatonana fahatany tao Ekoadaoro izany, hoy ny Motherboard, na dia mifanaraka amin'ny filazana teo aloha [3] aza fa manivana ny aterineto ny governemanta.

Mihomehy foana mandra-pahatonga tao amin'ny Fitsarana ilay Lehilahy Nanevateva ny Filohan'i Tanzania

Voampanga ho “manevateva [4]” filoham-pirenena tamin'ny fanehoan-kevitra nataony tao amin'ny Facebook ilay Tanzaniana mpiserasera Isaac Habakuk Emily. Navoaka teo ambanin'ny Lalànan'ny Heloka Antserasera Laharana faha-14 tamin'ny 2015, [5]lalàna mampiadihevitra tao Tanzania ny fiampangana, izay manameloka ny famoaham-baovao hita fa “diso, mamitaka, mandainga, tsy marina,” ka miafara amin'ny onitra manomboka amin'ny 3 tapitrisa shillings sy/na sazy an-tranomaizina tsy latsaky ny enimbolana

Mikasa Hanao Fandaharana Manokana “Ny Tariby” ho an'ireo Mpitsikeran'ny filoha Maduro ny Polisy Venezoeliana

Namoaka ny tatitry ny fanadihadiana [6]vao haingana fa vondrona mpiasa mpitsikilo avy amin'ny Foibe Stratejika Ho amin'ny Filaminana sy Fiarovana ny Tanindrazana, miasa eo ambanin'ny baikon'ny Filoha Nicolás Maduro, no nihaino tsy ara-dalàna [7] ny resaka amin'ny finday ary nisovoka ny hafatra an-tsoratra sy ny fifandraisana amin'ny mailaka eo amin'ireo mpanohitra malaza, anisan'izany i Henrique Capriles, María Corina Machado, Henry Ramos Allup, ary Julio Borges.

Ny rindrambaiko fitsikilovana kendren'ny Ekipa Mpisovoka no nampiasan'ny [8] fitsikilovana Ekoadaoriana mba handotoana ny fitaovan'ny mpikatroka, mpitsara, ary ny politisiana manohitra ny governemantan'ny Filoha Rafael Correa, hoy ny tatitra vao haingana [9] avy amin'ny Derechos Digitales izay mandrakitra betsaka ny zavatra ataon'ny orinasa ao amin'ny faritra. Na dia milaza aza ny Ekipa Mpisovoka fa manadihady ny mpanjifany izy mba hiantohana fa tsy misy ny fanararaotana ny fitaovany, mampiseho ny porofo fa mampiasa azy io mba hikendrena ireo tsy mitovy hevitra sy mpanohitra ara-politika ny governemanta manerana an'i Amerika Latina.

Napetraka Tao Shina Tamin'ny fomba Mampiahiahy ny Twitter

Nanambara [10] ny fanendrena an'i Kathy Chen, mpiasan'ny Tafi-Panafaham-Bahoaka sy ny Minisiteran'ny ny Fiarovam-bahoaka teo aloha ho tale mpitantana ny Shina Goavana ny Twitter vao haingana. Noraisin'ireo mpiserasera Shinoa marobe fa mampiahiahy [11] izany fanendrena izany, noho ny  fifandraisan'i Chen amin'ny fanjakana. Mijanona mikatona ny Twitter ao Shina, saingy niakatra 340 isan-jato ny vola miditra amin'ny dokambarotra avy amin'ny tanibe tamin'ny taona lasa.

Manao Antso i Kambodza. Hanaiky ny Fitsikilovana Tsy Nahazoana Alalana Ve Ianao?

Mitsikera ny fandaniana ny Lalànan'ny Fifandraisan-davitra [12]ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona Kambojiana, izay milaza fa voantohintohina ny zon'ny olom-pirenena amin'ny fahafahana maneho hevitra sy ny fiainana an-takonana. Nolaniana tamin'ny Desambra 2015 ny lalàna, ary nolazaina fa taratry ny fanirian'ny antokon'ny fitondrana hanakana ny resaka antserasera noho ny fanakaikezan'ny fifidianana amin'ny taona 2017 sy 2018 izao, araka ny filazan'i Mong Palatino ato amin'ny Global Voices. Ankoatra izany, mitaky amin'ireo orinasan'ny fifandraisan-davitra ny lalàna mba hanome tahiry momba ireo mpiseraseran'izy ireo any amin'ny manampahefam-panjakana kanefa tsy misy didy an-taratasy momba izany, ary mamela ny fitsikilovana ny fifandraisan-davitra miaraka amin'ny fankatoavan'ny “manampahefana ara-dalàna.”

Ifarimbonana ny Fahalalana Maneho Hevitra ao Honduras

Manana sehatra [13] ifarimbonana antserasera ankehitriny i Honduras izay natokana ho an'ny antontanisa mikasika ny fahalalahana maneho hevitra. Milaza ny Komitin'ny Fahalalahana Maneho Hevitra (C-Libre [14]) fa manome ny fitaovana ho sehatra malalaka ahafahan'ny olona manadihady ny fahalalahana maneho hevitra ao Honduras izany. Ahitana kisarisarin'ny fibodoana, endrika fampitan-javatra, herisetra mivantana, herisetra ankolaka, mpiherisetra, toerana sy ny zavamitranga isam-bolana ny sehatra [15]. Afaka mangataka na manome vaovao ho an'ny C-Libre ihany koa ny olona amin'ny alalan'ny fandefasana hafatra ao amin'ny tambajotra sosialy [16]. Nanohana ny C-Libre tamin'ny fananganana ny sehatra ny IFEX.

Fikarohana Vaovao

Manorata anarana ao amin'ny Netizen Report amin'ny alalan'ny mailaka [18]

 

Nanampy tamin'ny fanoratana ity tatitra i Mary Aviles, Ellery Roberts Biddle [19], Weiping Li, Hae-in Lim, Elizabeth Rivera, sy Sarah Myers West [20].