- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lolofotsy Avy Any Nepal Mizara Hafatra Fanantenana Sy Fiovàna Sosialy Manerana Ny Tany

Sokajy: Azia Atsimo, Nepal, Hevitra, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina
A boy looks on from an old abandoned vehicle installed with white butterflies. Image from the Facebook page of the White Butterfly project. Used with permission.

Zazalahy iray mijery avy eo ambony fiarabe iray efa tsy ampiasaina intsony napetraka miaraka amin'ireo lolofotsy. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'ny tetikasa White Butterfly (Lolofotsy). Nahazoana alàlana.

Midika fandriampahalemana ny fotsy ary ireo lolofotsy avy any Nepal ireo dia mizara ny elany manerana izao tontolo izao, mitondra hafatra fandriampahalemana, fanantenana ary fiovàna sosialy eny amin'izay rehetra anidinany.

Ny nanombohan'izany rehetra izany dia fony ilay Nepaley artista, Milan Rai, namela ireo lolofotsy handeha [1] teny an-dalamben'i Kathmandu, mazàna tamin'ireo toerana efa antitra be, nolazoin'ny taona ary adino ny fisiany, toy ireo fotokazo, nefa koa eny aminì'ireo arabe be mpandalo sy toerana manana ny lazany.

Araka ny voalazan'ny Rai, ireo lolofotsy, ho toy ny mariky ny fiofoana, dia mampiseho fiovàna sy fanantenana.

Lazain'ny Rai fa nandona azy ilay hevitra hametrahana ireo taokanto [2] rehefa injay ka lolofotsy tena izy no nipetraka teo amin'ny borosy fandokoany raha ilay izy mbola teo ampikasàna ny hanatontosa tetikasan-javakanto sarotsarotra kokoa iny.

Nanomboka teo araka izany ny dian'ireo lolofotsiny manokana.

Ireo taratasy notapatapahana ho lasa toy ny voary no nampahatsiahy fihetsehampo sy fiarahamiory lalina tamin'ny tolon'i Rai avy any anatin'ireo mpitsidika ireo seho samihafa napetrany.

Tsy ela akory izay, nametraka lolofotsy 9.000 [3] izy tao amin'ny faritry ny Tempoly Kalmochan ao  Kathmandu ho fahatsiarovana ireo olona manodidina ny 9.000 matin'ilay horohorontany tamin'ny Aprily tamin'ny herintaona.

Rava tanteraka tamin'ilay horohorontany ilay tempoly.

Vao haingana izy no nametraka ireo lolofotsy tao ambany tetezan'ny [4]Renirano Bagmati ao Kathmandu, nanehoana fanantenana ho an'ny fahafahan'ilay renirano masina tsy ho eo ambony vahohon'ny fahalotoana tsy voafehy.

Tonga niaraka daholo ireo olona avy amn'ny lafim-piainana rehetra mba hanadio ity renirano masina ity [5] ho toy ny ampahany amin'ilay fanentanana misy amin'izao fotona izao ho an'ny tontolo iainana.

BagmatiRiver

Ireo lolofotsy napetaka tao ambanin'ny tetezan'ny Renirano Bagmati. Sary an'ny pejy Facebook-n'ny tetikasa White Butterfly. Nahazoana alàlana

Nahasarika olona maro sy nitondra aingam-panahy manerantany io “fiantraikan'ny lolofotsy” io ary marobe ireo nangataka lolo bebe kokoa avy taminy.

Nanoratra izy tao anatin'ny lahatsorany vao haingana tao anaty Facebook [6], hoe :

Tonga nitsidika ny efitrano keliko i Verena ary naka lolofotsy 500 hiaraka aminy. Handeha ho any amin'ny vohitra iray antsoina hoe Ghyachchok izy – foibe nipoiran'ilay horohorontany tamin'ny 11-13 Baisakh. Nentiny ho an'ny vondrom-piarahamoniny ireo lolofotsy ireo. Nandray anjara tamin'ny fanelezana lolofotsy 9.000 ihany koa izy ny 6 Aprily teo tany Kalmochan. Avy any Aostralia izy ary miasa manao asan'ny mpitsabo amin'ny alàlan'ny mozika ao aminà hopitalin-jazakely iray.

Mitety ny tany ankehitriny ireo lolofotsy, izay hakàna sary azy ireny be dia be tokoa [7].

Hita miaraka amin'ny ankizy, ny olondehibe sy ireo zokiolona ary ireo mpikatroka tonga niaraka tao Bruxelles hanavotra kianja iray [8] ireny lolony ireny, ohatra.

The white butterflies at a park in Brussels. Image from the Facebook page of the White Butterfly project. Used with permission.

Ire lolofotsy tao amin'ny kianja iray tao Bruxelles. Sary an'ny pejy Facebook-n'ny tetikasa White Butterfly. Nahazoana alàlana.

Ary indreto indray ry zareo [9], ao amin'ny Jackson Height, New York:

Image from the Facebook page of the White Butterfly project. Used with permission.

Sary an'ny pejy Facebook-n'ny tetikasa White Butterfly. Nahazoana alàlana.

Ary ao Kambodza indray [10]:

Image from the Facebook page of the White Butterfly project. Used with permission.

Sary an'ny pejy Facebook-n'ny tetikasa White Butterfly. Nahazoana alàlana.

Nizara ny tantaram-piainany manokana i Rai, izay nivoaka avy aminà sekoly ambony, [11] ao anatin'ny Sarin'ny Artista iray – Milan Rai [12] nakarin'i Shashank Shrestha, [13] mpamokatra sarimihetsika monina ao Kathmandu, ho ao amin'ny Vimeo [14].

Tsy ela akory izay, nahazo fanasàna [15] avy amin'ny Anjerimanontolo ao Harvard izy, toerana niresahany momba ny tetikasany ary nametrahany ireo mpisehatra malazany tany aminà faritra samihafa tao amin'ity anjerimanontolo malaza ity:

Andro roa lasa izay, nanatrika fihaonana tamin'ireo mpianatra tao amin'ny Sekoly Ambonin'ny Misiona Bodista tao Harvard aho. Traikefa nampihetsi-po tokoa ny mizara ny diako feno famoronana niaraka tamin'ireo profesora sy mpianatra. Tamin'ny ankamaroany dia niresaka momba ny fiovàko manokana aho ary ny fomba nanovàn'ny lolokely iray ny fiainako. Taorian'izay izahay dia nandeha nizara ireo lolofotsy tany amin'ny sampam-pianarana hafa.
‪#‎bodisma‬ ‪#‎miditra ny ‪#vavahadin'ny ‪#fahendrena #fiainana #fandriampahalemana #‎harvard‬ ‪#fianarana

Image from the Facebook page of the White Butterfly project. Used with permission.

Sary an'ny pejy Facebook-n'ny tetikasa White Butterfly. Nahazoana alàlana.

Tao amin'ny Facebook, nanampy [16] izy hoe :

Omaly aho no namarana ny fametrahana ity taokanton'ny lolofotsy ity tao amin'ny tranoben'ny CGIS (Center for Government and International Studies) ~ Harvard. Manomboka amin'ny ambany indrindra ilay izy ary tafakatra hatrany amin'ny rihana faha-4.

Ny fijeriko androany – nahafinaritra ny nitafa tamin'ilay Nepali mpanakanto, Milan Rai, momba ny tetikasany White Butterfly

Amin'izao androntsika izao, raha mbola mitety izao tontolo izao ambonin'ny elatr'ilay tetikasan-javakantony miely be i Rai, tehiriziny [20] ho an'ireo mpanamory ara-barotra ny sasantsasany amin'ireo teny voatokana feno hamamiana sy fankasitrahana avy aminy :

Image from the Facebook page of the White Butterfly project. Used with permission.

Sary an'ny pejy Facebook-n'ny tetikasa White Butterfly. Nahazoana alàlana.

Matetika dia ireo mpanamory ara-barotra no miteny hoe , “Misaotra anao niaraka nisidina taminay.” Fa na rahoviana na rahoviana aho no mifanena amin'izy ireny, izaho no miteny, “Misaotra anao niaraka nisidina tamiko.”