- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iraniana Fizisiana Nofonjaina Fa Tsy Nandà Tsy Hiasa Amin'ny Nukes, Maty Tany Am-ponja

Sokajy: Iràna, Ady & Fifandirana, Fahasalamàna, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona
Omid Kokabee . Image: Iran Human Rights / Twitter [1]

Omid Kokabee. Sary: Iran Human Rights / Twitter

Nandritry ny fotoana fohy, ny 21 Aprily, nikisaka ho any amin'i Omid Kokabee, ilay Iraniana fizisiana 34 taona nandany ny dimy taona farany tany am-ponja noho ny nandàvany tsy hiasa amin'ilay Nukes – Fikarohana Ara-tafika sy nokleary tao Iràna,  ny sain'izao tontolo izao. Talohan'ilay fahafaesana tsy nampoizina nahazo ilay Amerikàna mpiangaly mozika “Prince” Rogers Nelson, ny tenifototra #FreeOmid no nitarika tamin'ireo fironana manerantany tao amn'ny Twitter.

Ho raketin'ny tantara, ny tenifototra #freeOmid no lohalaharana amin'ny fironana manerantany ao amin'ny Twitter.

Nanandratra ny tantarany ireo mpomba an'i Kokabee tao Iràna sy nanerana izao tontolo izao, nifantoka tamin'ny fahasalamàny izay niharatsy tny am-ponja, toerana izay tsy nahazoany fitsaboana  sahaza azy. Tamin'ny 2011 i Kokabee no voasambotra [5] raha nanandrana ny handray fiaramanidina hiverina ho any Etazonia, toerana namaranany ny fiofànany taorian'ny nahazoany ‘doctorat’ tao amin'ny anjerimanontoln'i Texas ao Austin. Nosamborina izy ary notànana am-ponja noho ny nandàvany tsy handray anjara amin'ny fikarohana ara-tafika ao Iràna.

Nandritry ny fitazonana azy, tratry ny aretn'ny voa sy aretina hanjena hafa i Kokabee. Ny tsy fahampian'ny fanarahana maso arka ny tokony ho izy ny fahasalamàna [6](izay iraisan'ireo rehetra voafonja ara-politika ao Iràna) no anton'ny nahatonga ny fahasalamàny ho raharaha manahirana  ankehitriny. Ny 20 Aprily, niatrika fandidiana nanesorana ny voany i Kokabee, saingy ireo mpisolovava, namana ary fianakaviany samy mino ny tsy hihatsaràn'ny fahasalaman'i Kokabee raha toa mijanona ho toy ny teo ihany ny fomba fitànana am-ponja azy. 

Marobe no niezaka ny hisarika ny saina ho amin'ny tranga manjo an'i Kokabee, nahitàna olona 31 nahazo ny loka Nobel tamin'ny fizika ary ny Kaomitin'ireo Siantifika Voatohintohina, izay namoaka taratasy iray misokatra [7] ho an'ny filoha Iraniàna Hassan Rouhani. Ny hafa nanaitra ny Sekreteram-panjakàna Amerikàna John Kerry sy ny Minisitra Iraniàna misahana ny Raharaham-Bahiny Javad Zarif, izay tomponandraikitra tamin'ny fifampiresahana hifanakalozana gadra ary ny fifanarahana monìmba ny noklaery natao vao haingana teo [8], mba hirotsaka an-tsehatra amin'io raharaha io, izay mifamatotra amin'ny ezak'i Iràna momba ny nokleary.

Nozarain'ireo Iraniàna feno fangorahana manerana izao tontolo izao ny tenifototra #FreeOmid, manohana ny famotsorana azy.

Androany ny Persiana rehetra mpampiasa Twitter dia niray tamin'ny feo tokana hanoratra momba ny Omid-nay any am-ponja, mba haharakotra izao tontolo izao ny feon'ny fanaintainany…#FreeOmid #OmidKokabee

Malaza be eny anivon'ireo Persiana mpibitsika ny#FreeOmid [2] . Takian-dry zareo ny famotsorana ity tanora siantifika ity & marary ankehitriny

Namoy ny voany iray vokatry ny homamiadana taorian'ny antsirambina amin'ny fitsaboana tao am-ponja ao Iràna ilay tanora iray voafonja noho ny fotokeviny