- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Angamba Tsy Tokony Hihomehy An'ilay Lahatsary Malaza An'ilay Zazalahy Kely Shinoa Niaro Ny Renibeny Ianao

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fanampenam-bava, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika
Screen capture from the viral video.

Pikantsary avy amin'ilay lahatsary malaza .

Nalaza be tamin'ny herinandro lasa teo ny lahatsary mampiseho zazalahy kely naka fantsona vy hiarovana ny renibeny amin'ny andiana Chengguan, na ireo manampahefana mpandrindra ny tanàndehibe Shinoa, .

Ao amin'ilay lahatsary, nikiaka ilay zazalahy kely hoe “Aza mikasika ny bebeko” ary nandrahona ny andiana Chengguans izay nihomehy ary naka lahatsary an'ilay zazalahy kely miaraka amin'ny fantsona. Nihomehy ihany koa ireo mpitazana teo an-toerana.

Lasibatry ny famingavingan'ny vahoaka noho fihetsika tahaka ny jiolahimboto ny Chengguan, izay tompon'andraikitra amin'ny fitandroana ny filaminam-bahoaka amin'ny alàlan'ny fangejana ireo mpivarotra an-dalambe tsy ara-dalàna sy ny fampiharana lalàna amin'ny fahadiovan'ny tanàna. Taona vitsivitsy izay, nisy lahatsary mampiseho fihetsika  maherisetra nataon'ny Chengguan izay natetika nalaza be amin'ny aterineto, ary nahatonga fanakianana maro. Na izany aza, noho fitomboan'ny sivana tamin'ny media sosialy tao Shina, tsy dia hita firy ny fitantaran'ireo  vavolombelona nahita toy izany . Etsy andaniny, ny antoko mambra ao amin'ny mpanao gazety dia efa nanomboka nanangona vaovao momba ny mpivarotra an-dalambe manafika ireo Chengguans .

Tamin'ity indray mitoraka ity, nanome tombony fomba fijery ideôlôjika ihany koa ilay horonan-tsary satria nampiseho “herisetra” an'ilay zazalahy kely tamin'ireo Chengguan. Ilay lahatsary lasa nalaza be tao amin'ny sehatra media sosialy Shinoa isan-karazany ny 14 Aprily  ary nalain'ny [1]People's Daily amin'ny teny anglisy haingana , izay nizara [2] ny vaovao tao amin'ny Twitter.

Tao amin'ny Weibo, sehatra media sosialy Shinoa malaza indrindra, ny ankamaroan ‘ny olona, ​​toy ny mpitazana, nahita ny zava-niseho ho mampihomehy. Fa ny sasany kosa nalahelo ilay zazalahy kely:

我真的很喜欢这个小孩,有种莫名的心痛,很干净的思想和世界

Mahafinaritra ahy io zaza io. Nefa marary  ny foko . Tsotra ny fisainany sy ny tontolony.

好笑吗?小孩的愤怒只是在保护他的奶奶不被欺负!很好笑吗?当你的家人受欺负受委屈的时候,你会像他一样勇敢的站出来帮助自己的亲人吗!不明白你们在笑什么!

Mampihomehy ve izao? Tonga ny hatezeran'ilay zazalahy kely amin'ny finiavany hiaro ny renibeny amin'ny faneriterena. Mampihomehy ve izao? Raha ny fianakavianareo no halaim-baraka sy teriterena, dia tsy hitsangana ve ianareo hamonjy azy? Tsy haiko izay mampihomehy anareo eo.

本该和同龄人一样阳光的小孩,却会懂得用暴力去对抗城管,可见他周围的环境是怎样的,孩子的内心已笼罩上阴霾,这不仅是这个家庭的悲哀,更是社会的悲哀。

Tokony hanararaotra hankafy ny fibaliakan'ny masoandro toy ny ankizy hafa rehetra ilay zazalahy kely .Andanin'izany anefa izy nianatra hoe ahoana ny fomba ampiasana herisetra hanoherana ny Chengguan. Mampiseho ny taratry ny tontolo nitaizana azy ny fihetsiny. Feno aloka ny fony. Tsy voina ho an'ny  fianakaviana ihany izany fa voina ara-tsosialy ihany koa.

Koa satria nanomboka nivadika fitsikerana ny Chengguan ny adihevitra tao amin'ny aterineto, dia namoaka toromarika [3] ny manam-pahefana mpanao propagandy mitaky ilay lahatsary, sary, ary tatitra, mba ho esorina tsy ho hita amin'ny zoro famoaham-baovaon'ny haino aman-jery lehibe ny 15 Aprily, noho izy ireo “tsy manome endrika tsara ny fiarahamonin'ny mpampihatra lalàna”.  Fijery voalanjalanja kokoa, manohana ny fampiharana ny lalàna no manjakazaka kokoa amin'ny media sosialy ankehitriny:

应该给小孩正确的引导吧 这些城管又没有暴力执法 她奶奶占了人行道 当然得管啦!

Tokony hobeazina ny ankizy. Tsy nampiasa herisetra ireo Chengguan [ao amin'ny lahatsary] . Ny renibeny nibahana ny sisinabo, mazava ho azy tsy maintsy ampiharina ny lalàna .

小孩子的家庭教育绝逼有问题的,首先,有个占公共资源的奶奶,这种熏陶很不好,其次,家长居然让这么小的孩子拿这么个大家伙,也是醉了,不危险吗?视频没见到城管暴力,所以不好评论,感觉一竿子打死城管的那些人其实网络键盘侠居多

Ny fanabeazan'ny fianakavian'ity zaza ity no olana. Voalohany indrindra, nibahana toeram-bahoaka ny renibeny. Fitondran-tena ratsy izany. Faharoa, ahoana ny ray aman-dreny no mamela ny ankizy haka fitaovam-piadiana lehibe toy izany. Moa ve tsy mampidi-doza izao? Tsy nampiseho ireo Chengguan nampiasa herisetra ny lahatsary ary tsy tokony hiresaka be loatra momba izany isika. Na izany aza, maro be ireo mpiaro no mahafantatra fa ratsy fanahy ny Chengguan.

Misy ny tohan-kevitra milaza fa mampiseho ny herisetran'ny Chengguan tamin'ilay zazalahy kely ilay lahatsary – tsy ara-batana ihany izany, fa ara-tsaina ihany koa. Mety nanohintohina sy nanambany azy ireo finday, ny fakan-tsary ary ny fihomehezana.

Whether they agree that it's violence or not, many netizens nevertheless didn't see the video as amusing.

Na manaiky ireo na tsia fa herisetra ilay izy, dia maro ireo mpisera aterineto  no tsy nahita ilay lahatsary ho mampihomehy.