Mangotraka Ny Ady Ao Nagorno-Karabakh Taorian'ny Fifandonana Teo Amin'ny Tafika Azeri sy Armeniana

Agdam in Nagorno-Karabakh.

Agdam ao Nagorno-Karabakh. Sary Wikipedia.

Samy niaiky ny andaniny sy ankilany fa am-polony mahery avy ny niharam-boina ao amin'izy ireo tsirairay avy raha nilaza – izay heverina kokoa fa diso – fa nampitombo imbetsaka izany isa izany any amin'ny fahavalo maty izy ireo.

Na inona na inona ny marina, mazava fa ny herisetra nipoaka teo amin'ny faritra Nagorno-Karabakh toherin'i Armenia sy Azerbaïdjan no ratsy indrindra tao anatin'ny roapolo taona mahery nitohizan'ny ady hatrany.

Ankehitriny, ny tombana azo antoka kokoa momba ny isa ofisialin'ny tsirairay avy dia olona 32 farafahakeliny no namoy ny ainy tao anatin'ny ady goavana tao Nagorno-Karabakh izay nanomboka tamin'ny 2 Aprily.

Voahitsakitsaka matetika tao anatin'izay roapolo taona mahery izay ny fandriampahalemana marefo tontosa tamin'ny taona 1994, saingy mihoatra noho ny adin-tsisintany mahazatra ny herisetra vao haingana izay voalaza fa namoizana ankizy mihoatra ny iray.

Notakian'ireo Armeniana mpisintaka ny sisintany mikintoatoana eo anelanelan'ny firenena roa tonta taorian'ny ady naharitra enintaona izay nanomboka raha mbola samy tao anatin'ny Firaisambe Sovietika ny firenena roa tonta.

Foko Armeniana avokoa ny ankamaroan'ny olona 150.000 monina ao ankehitriny, na dia foko Azeri aza ny ampahefatry ny mponina talohan'ny famindra-toerana raha nanomboka ny ady tamin'ny taona 1988.

Ny feon'ny Armeniana kosa na dia izany aza, milaza fa mitohy ny ady:

Diso tanteraka ny fanambaran'ny Minisiteran'ny Fiarovana #Azerbaijani mikasika ny fampitsaharana ady samirery

Amin'izao fotoana izao, toa efa eo an-dalana ny fampitsaharana ady ao anatin'ny fanambarana feno ahiahy maimaika ataon'ny Tandrefana sy i Rosia, mpiara-dia ara-miaramila amin'i Armenia.

Voalaza fa naneho firaisankina tamin'i Azerbaijan i Torkia, miady amin'i Moskoa noho ny nandarohany ny fiaramanidina mpiady an'i Kremlin teo akaikin'ny sisintanin'i Syria tamin'ny taon-dasa.

Iza no tena mila fandriampahalemana tokoa?

Matetika miaraka amin'ny adim-baovao eo amin'ny lafiny rehetra ny tena ady, mampiasa ny diezy #NKpeace ireo mpisera Twitter Armeniana sy Azeri mba hanasongadin'izy ireo ny fomba fijeriny amin'ny toe-javatra:

RAHA TSY ADY ITY? DIA INONA? Famonoana ankizy tsy manan-tsiny noho ny fanafihan'ny miaramila Azerbaijani. Mahamenatra

Manohy mibodo ny tanin'i Azerbaijan i Armenia, fanahy iniana mba hanasaro-javatra sy hamelezana sivily.

Saingy ao anatin'ny filazana farany momba ny ady, manombana amin'ny fanatrarana ny fandriampahalemana ireo mpisioka hafa ao Kaokazia amin'ny fifandonana nolazaina ofisialy fa efa nifarana tamin'ny taona 1994.

Ny ady mangatsiaka dia midika famahanana indray ny basy raha beazina amin'ny fanindrahindrana firazanana sy fanompoana maha-lasibatra ny taranaka vaovao.

Ity. [voalazan'ny sary: Manjary loharano tokana sarobidy indrindra sy lasantsy mandrehitra ady indrindra ho an'ny milin'ny propagandin'ny fitondrana tsirairay ny ady. Manao kajikajy ny isa isan'andron'ny vava ady ny fampahalalam-baovao an-toerana isa-kariva, na mitatitra ny fahazoana fitaovam-piadiana vaovao hahatonga ny ivombesatry ny ady ho any amin'ny fahazoan'izy ireo vahana. Manao izay ikendrena hanangana fahatsapana adidy ho an'ny firenena sy ny fitiavan-tanindrazana ny sakana ara-pampahalalam-baovao, ka manodina ny saina amin'ireo lohahevitra manadanja kokoa amin'ny fiainana isan'andro: ny tsy fisian'ny fahazoa-miditra amin'ny asa tsara, ny servisy fototra, ary ny fahasimban'ny toekarena izay miharatsy kokoa alohan'ny hihatsarana.]

Fitsabahan'ny any ivelany?

Tsy mitovy hery ny roa tonta ara-miaramila raha tsy hoe afaka manantena ny fanampian'i Moskoa i Armenia, satria nahazo fitaovana goavana ara-miaramila i Azerbaijan tao anatin'izay taona vitsy izay.

Raha ny tokony ho izy, tsara toerana i Kremlin mba hitsara ity adin'ny samy Sovietika taloha ity aza saingy eo amin'ny lafiny ara-pratika, dia nahazo tombontsoa tamin'ny fifanandrinana mitohy eo amin'ireo firenena roa tonta ireo izy tamin'ny fivarotana fitaovam-piadiana ho azy ireo.

Na izany aza, nanameloka avy hatrany an'i Azerbaijan noho ny famelomana herisetra ao amin'ny faritra ny Fikambanana Fifanarahana Ara-piarovana Iombonana tarihin'ny Rosiana (CSTO), izay mpikambana amin'izany i Armenia.

Hatramin'ny fampitsarahana ady 94, nahazo dolara marobe tamin'ny solitany i Azerbaïdjan, nandany ny maro tamin'izany tamin'ny fitaovam-piadiana. Mahantra sy marefo kokoa i Armenia, saingy miara-dia aminy ny Rosiana.

Herisetra “mora voamarika”

Araka ny voalazan'ny bilaogy Bug Pit an'ny Eurasianet.org, “mora voamarika” ny fipoahan'ny ady farany satria “nitranga izany raha tany ivelan'ny firenena, tany Washington ny filohan'i Armenia sy Azerbaïdjan.”

Manohy manazava ny bilaogy nosoratan'i Joshua Kucera fa “ny zavatra mety nitranga dia fihantsiana kely tsy voafehy noho ny fifampihenjanana manaraka ny sisintany”.

Amin'ny famerimberenan'ny firenena roa tonta lahateny manindrahindra ny firenena mikasika ny tetezan-tany amin'ny olom-pirenen'izy ireo avy, dia i Karabakh no tena mijaly indrindra, izay Armeniana no maro an'isa tafarasaka tamin'izao tontolo izao sy noana dia noanan'ny fanararaotana hampiroborobo ny toe-karena tsy mihetsika.

Iray amin'izany fahafahana manararaotra very izany ny fizahan-tany, satria na iza na iza tompon'ny ‘Zaridaina Mainty’  – ary mitongilana any amin'i Azerbaijan ny lalàna iraisam-pirenena, mijanona anisan'ny mahafinaritra indrindra ao amin'ny faritra Atsimon'i Kaokazia ny tendrombohitra dia sy maitso mavana.

Ny lanitra eo ambonin'i Artsakh, avy amin'i Suren Manvelyan…hanjakan'ny fandriampahalemana anie izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.