- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ahoana Raha Ny Media Afrikana No Mitatitra Ny Fifidianana Ao Etazonia Tahaka ny Fomba Fitateran'ny Media Tandrefana An'i Afrika?

Sokajy: Afrika Mainty, Amerika Avaratra, Etazonia, Hehy, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka
A screenshot of footage, uploaded to YouTube by Storyful, of a protester who was assaulted by a Donald Trump supporter being restrained by police at a rally in North Carolina. [1]

Pikantsary ny sary navoakan'ny Storyful tao amin'ny Youtube, sarina mpanao fiihetsiketsehana niharan'ny herisetran'ny mpanohana an'i Donald Trump ary nofehezin'ny polisy nandritra ny famoriam-bahoaka tao Carolina Avaratra.

Matetika mampiseho ny kaontinanta amin'ny endrika ratsy na amin'ny fomba tsotsotra ny fitateram-baovao momba an'i Afrika ataon'ny haino aman-jery tandrefana, manasongadina kokoa ny ady, ny kolikoly sy ny fisarahana ara-poko. Saingy tsy manao tahaka izany ny haino aman-jery tandrefana rehefa mitatitra ny firenen'izy ireo tsirairay avy.

Manaraka ny dian'i Joshua Keating tamin'ilay “Raha nitranga tao izany”, [2] andian-tantara ao amin'ny gazetibokim-baovao Amerikana Slate, nanontany tena ilay mpisera Tumblr, Ragamberi hoe: “Ahoana no ho fisehoan'izany, raha ny media Afrikana no nitatitra ny fifidianana ao Etazonia tahaka ny fomba ataon'ny fampitam-baovao tandrefana amin'ny fifidianana ao Afrika sy any an-kafa? “

Nanjary lahatsoratra nitondra ny lohateny hoe: “Raha nitranga teto izany [3]” ny valinteniny. Ireto ny ampahany vitsivitsy mikasika ny fiheverany izay mety ho vakin'ny fitateram-baovaon'ny Afrikana mikasika ny fifidianana filoham-pirenena mampiadihevitra any Etazonia.

Herisetra ara-poko

Pressure is mounting on the Obama regime to allow international observers and peacekeepers after tribal violence marred election campaigns in the troubled north American nation.

In Addis Ababa, an emergency meeting was called by African leaders to demand a return to rule of law in America, after pro-regime militants attacked a rally addressed by popular opposition leader Donald Trump in Chicago.

“Unless America allows independent international groups to monitor the poll and for peacekeepers to move in and restore order, the poll is a sham and cannot be declared free and fair,” the African Union said.

[…]

Explaining the weekend’s clashes, America experts – based at Eduardo Mondlane University in Maputo, Mozambique, Southern Africa – say Illinois has longstanding, deep-seated ethnic and sectarian tensions that are sure to boil over if the Obama regime does not allow UN peacekeepers before the hotly contested polls in November.

Mitombo ao amin'ny fitondrana Obama ny teritery mba hanaiky ireo mpanaramaso sy mpampandry tany iraisam-pirenena taorian'ny fampielezan-kevi-pifidianana voaloton'ny herisetra ara-poko tao amin'ny firenena Amerikana avaratra anjakan'ny korontana.

Tao Addis Ababa, niantso fivoriana maika ny filoha Afrikana mba hitaky ny fiverenan'ny firenena tan-dalàna ao Amerika, taorian'ny fanafihan'ny milisy mpomba ny fitondrana ny fihetsiketsehana nataon'ny mpitarika mpanohitra malaza Donald Trump tao Chicago.

“Raha tsy avelan'i Amerika hanaramaso ny fifidianana ireo vondrona mahaleotena iraisam-pirenena ary hametraka filaminana ny mpampandry tany, dia saritsariny ny fifidianana ary tsy azo lazaina fa malalaka sy madio,” hoy ny vondrona Afrikanina.

[…]

Manazava ny fifandonana tamin'ny faran'ny herinandro, nilaza ilay manam-pahaizana manokana momba an'i Amerika – monina ao amin'ny Oniversite Eduardo Mondlane any Maputo, Mozambika, Afrika Atsimon'i Sahara fa manana ady ara-pivavahana sy ara-poko lalina sy niori-paka efa ela ny  Illinois izay azo antoka fa hangotraka indray raha tsy manaiky ireo mpampandry tanin'ny Firenena Mikambana alohan'ny fitsapan-kevitra mampifanolana mafy amin'ny Novambra ny fitondran'i Obama.

Imbetsaka nahita fipoahan'ny herisetra tamin'ny famoriam-bahoaka nataony ny kandida Repoblikana Donald Trump. Ho valin'izany, nampiasa herisetra tamin'ny lahateniny sy tao amin'ny media sosialy ihany koa i Trump:

Mandainga i Bernie Sanders raha nilaza fa tsy nasaina handeha any amin'ny hetsika ataoko ireo mpanakorontana avy aminy. Tandremo Bernie, raha tsy izany hankany aminao koa ny mpanohana ahy!

Hoso-pifidianana

The election has also been marred by reports of widespread voter fraud. Sanders has complained of voter fraud after a controversial narrow loss in the Iowa region to party rival Hillary Clinton, wife of former regime leader Bill.

Trump himself has claimed voter fraud in the region of Florida, raising serious concern in the international community about the credibility of the forthcoming poll.

Voaloton'ny tatitra hoso-pifidianana mielim-paratra koa ny fifidianana. Nitaraina momba ny hoso-pifidianana taorian'ny faharesena kely mampiady hevitra tao amin'ny faritra lowa i Sanders, resin'ny antoko mpifanandrina aminy Hillary Clinton, vadin'i Bill mpitondra teo aloha Bill.

Nilaza i Trump tenany fa nisy ny hoso-pifidianana tao amin'ny faritr'i Florida, izay miteraka ahiahy lehibe eo amin'ny fiarahamonina iraisam-pirenena mikasika ny fahatokisana ny fitsapan-kevitra hoavy.

Nandritra ny fifaninanana savaranonando, izay mamaritra ny kandidà hisolo tena ny antoko Demokraty sy Repoblikana amin'ny fifidianana filoham-pirenena, nitopatopa teo amin'ny roa tonta ny fiampangana fisiana hosoka [5], ary nitaraina amin'ny tsy fahamarinan'ny rafitra ny mpifidy.

Fanafihana ny fahalalahan'ny media

There are also concerns over blatant attacks on media freedom. The International Committee for the Protection of Journalists condemned attacks on journalists during the campaign.

Misy ihany koa ny ahiahy manoloana ny fanafihana miharihary atao amin'ny fahalalahan-gazety. Niampanga ny famelezana mpanao gazety nandritra ny fampielezan-kevitra ny Komity Iraisampirenena ho Fiarovana ny Mpanao gazety.

Mpanao gazetin'ny CBS News no nosamborina raha nitatitra ny fifandonana [6]tao amin'ny famoriam-bahoakan'i Donald Trump tao Chicago tamin'ny volana Martsa. Nesorina avy eo ny fiampangana.

Vakio eto [3]ny lahatsoratra feno.