- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pôrtô Rikô Tafiditra Amin'ny Ampamoaka “Taratasin'i Panama”

Sokajy: Amerika Latina, Karaiba, Panamà, Pôrtô Rikô (Etazonia), Fifandraisana iraisam-pirenena, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna

Sector financiero de San Juan, ciudad capital de Puerto Rico. [1]

Tratran'ny fiantraikan'ny antonta-taratasy tafaporitsaka avy tao amin'ny kabinetran'ny mpisolovava Panameana Mossack Fonseca ihany koa ny sehatra ara-bola ao San Juan, renivohitr'i Pôrtô Rikô, fantatra amin'ny hoe la Milla de Oro [Maily Volamena]. Sary avy amin'i Thief12/Carlo Giovanetti tao amin'ny Wikimedia Commons. Zon'ny mpamorona CC BY-SA 3.0 [2].

Tsy afa-bela ihany koa i Pôrtô Rikô taorian'ireo antontan-taratasy tafaporitsaka avy amin'ny kabinetran'ny lalàna Panameana Mossack Fonseca, izay mahavoarohirohy olona maromaro avy amin'ny saranga ambony eo amin'ny fiarahamonina manerantany.

Hitan'ny Centro de Periodismo Investigativo de Puerto Rico [Foiben'ny Gazety Fanadihadiana] ihany koa ny fisian'ny [3]Porto Rikana maromaro [3] mpanjifan'ny [3] kabinetran'ny mpisolovava ao Panama Mossack Fonseca. Anisan'izany ny Galephar Puerto Rico Limited, Puerto Rico GlobalTek Ltd., Banco Popular de Puerto Rico ary Omega Engineering.

Ny Omega Engineering dia nanomboka nanao tetikasa fanorenana mampiady hevitra, fantatra amin'ny anarana hoe Paseo de Puerta de Tierra, moron-dranomasina fandehanan-tongotra mampitohy an'i Condado Peninsula amin'ny distrikan'i Puerta de Tierra eo amin'ny fidirana ao amin'ny nosy Old San Juan, sehatra manan-tantaran'ny renivohitr'i Pôrtô Rikô. Na izany aza, najanona tamin'ny fiandohan'ny volana Martsa ilay tetikasa [4]noho ny tsy fahampian'ny vola ilaina amin'ny famitàna azy. Niampanga ny filoha sy ny tale mpitantana ny Omega Engineering, Oscar Iván Rivera ho nandray anjara tamin'ny tetika famotsiam-bola ny  Fitsarana Fara-tampony ao Panama.

Voarohirohy tamin'ny tantara ratsy Mossack Fonseca ihany koa i Ramón Luis Ayala, mpihira reggaeton fantatra kokoa amin'ny anarana hoe Daddy Yankee, izay miseho ao anatin'ireo antontan-taratasy tafaporitsaka ny anarany fa tompon'ny orinasa offshore [an-dranomasina] Arion Investments LLC. Voalaza fa mpanao famatsiam-bola ity orinasa ity, araka ny asongadin'ny fanadihadiana notarihan'ny Centro del Periodismo Investigatorio [5].

Fahagagana sy fahatezerana amin'ny ankapobeny ny fanehoan-kevitra nateraky ny ampamoaka Mossack Fonseca. Na izany aza, nilaza tamin'ny gazetiboky antserasera El Post Antillano i Francisco J. Concepción fa amin'ny ankapobeny, tsy lasa lavitra mihoatra ny antso fitakiana fandraisana andraikitra sy ny tamberin'andraikitra lehibe ao anatin'ny rafitra ara-toekarena ity raharaha ity. Araka ny filazan'i Concepción, tsy mankaiza afa-tsy ny mankany amin'ny fanamelohana ny fanaovan'ny tsirairay kolikoly ity raharaha ity – na amin'ny teny hafa, olana ara-pitondran-tena fotsiny. Nandrisika ny olona ihany koa izy mba handalina ny fiantraikany, [6] na eo amin'ny lafin'ny votoatin'ny taratasy, sy izay mety ho adinon'izy ireo.

…[H]ay que acercarse críticamente a este tema considerando que detrás de la publicación de los papeles hay, también, poderes geopolíticos que tienen intereses bien claros al respecto de los mismos. Desde esta perspectiva debemos preguntarnos sobre las razones para que Estados Unidos esté ausente de estos documentos. También debemos considerar cómo es que la publicación de estos documentos incide en las relaciones geopolíticas actuales. Si bien es cierto que los contenidos de los documentos son importantes a la hora de comprender cómo la oligarquía internacional funciona, es necesario estudiarlos considerando que los mismos podrían ser, también, un instrumento ideológico al servicio de los verdaderos poderes económicos globales.

Mila hodinihantsika  tsara ity raharaha ity ary mila mijery fa ny ao ambadiky ny famoahana ireo taratasy ireo, dia misy hery zeôpôlitika miditra mitady tombontsoa mazava tsara. Amin'izany fomba fijery izany, mila manontany tena isika hoe nahoana i Etazonia no tsy mipoitra ao amin'ireo antontan-taratasy ireo. Mila mandinika ihany koa isika hoe ahoana ny fiantraikan'ireo antonta-taratasy ireo amin'ny fifandraisana ara-jeopolitika ankehitriny. Na dia mazava aza fa zava-dehibe ny votoatin'izy ireo mba hahatakarana ny fomba fiasan'ireo manampahefana vitsy an'isa iraisampirenena, ilaina ny mamakafaka ireo antonta-taratasy ireo, satria mety azo ampiasaina ho fitaovana ara-potokevitra ho an'ny fahefana ara-toekarena manerantany tena izy.

Tamin'ny lahatsoratra tao amin'io gazetiboky io ihany, nampitandrina [7] i Carlos Pérez Morales fa tsy ny rehetra voakasiky ny kabinetran'ny mpisolovava Mossack Fonseca no nanam-pikasana hiditra ao amin'ny fandosiran-ketra:

La mera mención de un nombre en esos papeles, no significa que la persona sea corrupta. En Panamá son legales las corporaciones “offshore”. Podemos decir que muchas de ellas funcionan como corporaciones legítimas. Como resultado de esta revelación se ha lacerado la imagen de la nación y se esperan grandes consecuencias económicas.

Satria misy olona voatonona ao amin'ireo antontan-taratasy ireo, tsy midika izany fa mpanao kolikoly ilay olona voatonona. Ara-dalàna ny orinasa offshore ao Panama. Azontsika lazaina fa maro amin'izy ireo no miasa toy ny orinasa ara-dalàna tsara. Simba ny endriky ny firenena ary ampoizina ny isian'ny fiantraikany goavana ara-toekarena avy amin'izany ampamoaka izany.

Taorian'izany fanjohin-kevitra izany ihany, tamin'ny lahatsarotra fanehoan-kevitra tao amin'ny The Bridge an'ny Global Voices, manontany i Roy Rojas hoe firy ny olona notsarain'ny hevi-bahoaka tsy ara-drariny [8][mg] :

Más que claro es el deseo de transparencia para que todos aquellos que evaden impuestos queden al descubierto. Pero surge la pregunta de si se estará dañando a inocentes en este proceso. ¿Nombres de empresarios y abogados éticos están siendo atacados injustamente? Los periodistas que están al frente de estas revelaciones deben ser extremadamente cuidadosos y responsables: deben validar todas las fuentes antes de publicar el nombre de una persona en un lugar donde no se borra nunca la información.

Azo takarina tsara ny faniriana mieli-patrana hitady mangarahara amin'ny olan'ny fandosiran-ketra. Na izany aza, ny fanontaniana dia ny fisian'ny olona tsy manan-tsiny voadona vokatr'ity dingana ity. Tafihana tsy ara-drariny ve ny anarana malazan'ireo mpandraharaha sy mpisolovava manana etika? Tsy maintsy mitandrina tanteraka ireo mpanao gazety mpitari-dalana amin'ny fitateram-baovao momba ireo ampamoaka ireo alohan'ny amoahana anaran'olona ao amin'ity tany iveloman'ny vaovao mandrakizay ity.

Manoloana ny hafanam-pon'ny haino aman-jery nateraky ny famoahana ireo antontan-taratasy avy amin'ny Mossack Fonseca ireo, hoy izy namintina:

Estos ejemplos reafirman que el periodista juega un rol muy importante en la formación de la opinión pública. Por meses estaremos escuchando de nuevas revelaciones, unas serán a primera vista ciertas, otras necesitarán alguna explicación legal. Los que se consideran ofendidos deberán dar la cara y explicar por qué sus nombres están vinculados con las publicaciones. Si son inocentes de todo, solo el tiempo y las autoridades de cada país lo indicarán así. Pero algunos de los inocentes probablemente no podrán limpiar su nombre completamente en la corte de la opinión pública, y ese es el problema.

Ireo ohatra ireo dia manamafy ny anjara asa goavan'ny mpanao gazety amin'ny famolavolana ny hevi-bahoaka, tsy lazaina intsony ny tantara. Amin'ny volana ho avy, hisy indray ny zava-baovao hivoaka. Mety ho ekena amin'ny lanjan'ny zava-misy ny sasany amin'izany, mila fanazavana ara-dalàna kosa ny hafa. Ireo izay tafintohina amin'ny fanononana ny anarany dia tokony handroso sy hanazava ny antony mahatonga ny anarany tafiditra ao anatin'ny ampamoaka. Raha tsy manan-tsiny tanteraka kosa izy ireo, ny fotoana sy ny manampahefana isaky ny firenena no hanambara fa izany tokoa no zava-misy. Ho an'ireo tsy manan-tsiny sasany, na izany aza, azo inoana fa tsy afaka hamafa tanteraka ny anarany eo amin'ny fanehoan-kevi-bahoaka izy, ary eo no mipetraka ny olana.