- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ao Amin'ny Hôtely Fisakafoanana Ao Paris, ‘Freegans’ Miady Amin'ny Fandaniam-Poana Amin'ny Alàlan'ny Fahandroana Sakafo Efa Nariana

Sokajy: Eoropa Andrefana, Frantsa, Mediam-bahoaka, Sakafo, Vaovao Tsara
From trash to haute cuisine — the ingredients of these servings of white bean and lentil salad with oranges and mint had been headed to the dumpster at a wholesale market before they were salvaged by the staff of Paris' Freegan Pony restaurant. Credit: Adeline Sire

Avy any amin'ny dabam-pako lasa nahandro mihaja — ny fangaron'ireo santionany amin'ny tsaramaso fotsy sy tsiasisa, laoranjy sy solila, efa tokony ho nariana fa notsimponin'ny mpiasan'ny hôtely fisakafoanana  Freegan pony ao Paris. Sary: Adeline Sire

Niseho voalohany tao amin'ny PRI.org [1] tamin'ny 8 Aprily 2016 ity lahatsoratr'i Adeline Sire [2] ity , ary navoaka eto ho anisan'ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Mitodika ery amin'ny sisiny indrindra ao amin'ny boriborintany faha-19 ao Paris, amin'ny zotran'ny metirô 7. Mandehana eo amin'ny kianja lehibe sy maloto  ary tadiavo ny varavarambe avo vita amin'ny metaly eo ambanin'ny tetezana-lalambe. Rehefa mahita soavaly pony miloko maitso be ianao, dia fantatrao fa tonga eo amin'ny Freegan Pony hôtely fisakafoana.

Mazava ho azy fa tsy ilay toerana fisakafoananao mahazatra ao Paris izy . Raha ny marina, toerana ampiasaina tsy ara-dalàna izy io, eo amin'ny toerana maizina kizokizo. Ao an-tanàn-dehibe feno vovoka araka izany, nasiana latabatra hazo lava, seza lava sy ondana, jiro manjavozavo ary mozika mafy tsindraindray.

Hatramin'ny nisokafany tamin'ny Novambra teo, efa nandroso sakafo 80 tao anatin'ny alina iray ilay trano fisakafoanana , alina efatra isan-kerinandro, mifototra amin'ny vola tianao haloa. Natao tamin'ny sakafo izay efa efa ela loatra raha amidy, nefa mbola tsara raha hohanina ny sakafo ao aminy amin'ny ankapobeny.

Izay no hevitra ambadik'ilay anarana. Ny freeganisma dia ny fampiasana indray ireo sakafo efa nariana nefa mbola tsara, sady maimaim-poana.

Not Your Average Joseph's: Freegan Pony serves up salvaged food in a squat in an abandoned space under a highway. Credit: Adeline Sire

Tsy ny eo ho eo ihany ao amin'i Joseph: Freegan Pony mandroso sakafo notsimponina ao amin'ny toerana tsy ara-dàlana sy toerana nilaozana ambanin'ny làlana. sary: Adeline Sire

“Efa namahan-tena tahaka izany nandritra ny taona maro aho”, hoy i Aladdin Charni, izay lehiben'ny trano fisakafoanana tsy mitady tombony miaraka amin'ny ekipa  mpilatsaka an-tsitrapo sy sefo omena karama. “Tsy hoe satria tsy maintsy, fa noho ny fandresen-dahatra ara-politika. Tena hitako hadalana ny fomba fandaniana sy fanariantsika sakafo , tahaka ny hoe tsy misy vidiny ilay izy. “

Raha ny marina, mino ireo mpikaroka fa tsy misy mihinana mihitsy ny ampahatelon'ny sakafo rehetra novokarina. Fandaniana loharanon-karena sy hery goavana izany ary misy fiantraikany  lehibe  eo amin'ny toetrandro [3] noho ny famoahana entona mifandray amin'ny sakafo nariariam-potsiny.

Alain'i Charni ho an'ny hôteliny ny ankamaroan'ny sakafo nariana tao amin'ny tranombarotra lehibe Rungis mpivarotra ambongadiny ao amin'ny faritra manodidina an'i Paris. Sakafo amin'ny taonina no lany daty ao an-tsena ka ariana isan'andro – hena, vokatra avy amin'ny ronono, hazan-dranomasina sy ny vokatra hafa. Ny vokatra no tena maha-liana an'i Charni , satria hentitra amin'ny tsy fihinanana afa-tsy zavamaniry ary matetika tsy mihinan-kena ny Freegan Pony.

Freegan Pony guest Chef Santiago Rosero explains to a volunteer how to prepare a recent evening's dish of lentil risotto, with pickled and roasted vegetables. Credit: Adeline Sire

Vahinin'ny Freegan Pony i Chef Santiago Rosero manazava amin'ny mpirotsaka an-tsitrapo ny fomba hanomanana ny sakafo vao hariva teo vary sy tsiasisa, amin'ny legioma nalona sy natono. Sary: Adeline Sire

Vao haingana tamin'ny hariva tao an-dakozian'ny Freegan Pony,  nampiasa ireo fangaro tamin'iny andro iny i sefo Santiago Rosero, nanomboka tamin'ny ovy.

“Handeha aho hanao lasopy ovy matavy tahaka ny any amin'ny fireneko, Ekoadaoro, izay miantso azy ho Locro de Papa,” hoy i Rosero. “Ary nahita hevitra aho hanaovana ny tsiasisa amin'ny fomba risotto, afangaro amin'ny legioma atono sy alona. Ary ny tsindrin-tsakafo, hitako fa misy paoma sy akondro ao, dia handeha aho mba hiezaka hanao zavatra amin'izany. “

Eo akaikiny, sefo mpanao mofomamy  Frances Leech nanomana tsindrin-tsakafo misy dibera amin'ny milina fanodinana sakafo .

Freegan Pony's menu on a recent night included lentil salad, curried eggplant and banana and orange crumble. Credit: Adeline Sire

Sakafo tao amin'ny Freegan Pony vao haingana ny alina misy lasary lojy, baranjely misy kary ary akondro sy voasary malemy tsara. Sary: Adeline Sire

“Manamboatra sabile aho,” hoy izy, “sablés, nasiana hanitra kely tamin'ny hodina voasary sy dipoavatra kely . Ary miaraka amin'ny ketrika paoma hanananay ato izany. “

Maro amin'ireo sakafon'ny hôtely no manana tsiro nentim-paharazana, mba hokarakaraina ho an'ny mpividy mahazatra ao amin'ny  trano fisakafoana – mpifindra-monina tsy manan-kialofana , izay tsy tapaka asain'ny Freegan Pony hisakafo ary hatory ao an-toerana mihitsy. Maro amin'ireo no Afghana, toy i Sultan Ali Tawakuli, izay nihinana sakafo misy hanitra amin'ny fomba Afghan. Henonao eny amin'ny rivotra eny ny hanitra episy .

“Vary sy ovy io, miaraka amin'ny pitipoà,” hoy izy. “Tsara an!”

Manana ampahany lehibe manokana avy amin'ireo trano fisakafoana maro ao Paris ny Freegan Pony , nefa tsy irery izy no misahana ny resaka sakafo nariariam-potsiny. Takian'ny lalàna vaovao ao Frantsa amin'ny toeram-pivarotana lehibe ny hanome sakafo tsy lafo.

Fa i Charni ilay mpanangana niteny hoe ny ankamaroan'ny sakafo nariana dia avy amin'ny mpamongady, izay tsy ao anatn'izany lalàna izany. Izany no mahatonga ny Freegan Pony mandeha amin'ny tsenan'ny mpamongady, mba haka sakafo izay ho ariana ihany .

Mazava ho azy fa ny fahavitsian'izay misy dia mety mahatonga fanamby mahaliana. Anontanio fotsiny ilay Amerikana mpila ravinahitra Mardi Hartzog, izay iray amin'ireo mpahandro.

“Vao tonga aho aloha,  laisoa no hany nisy tao, sy … panais 50 kilao … ary voasary betsaka ,” Nihomehy izy. “Ary noho izany rehefa hanomboka ianao dia tsy maintsy mila  mamorona . Matetika izany miafara amin'ny lasopy, fa avy eo aho nanao saosy tena tsara miaraka amin'ny kaki masaka tsara, ka indraindray tonga ny aingam-panahy amin'ny zavatra tsy heverina ho azo atao. “

Freegan Pony pastry chef Frances Leech shows off shortbread cookies, in process. Credit: Adeline Sire

Sefo mpanao mofomamy Freegan Pony Frances Leech mampiseho ny dingana fanaovana ny sabile. Sary: Adeline Sire

Ny fahavitsiana mandrisika famoronan-javatra, hoy Hartzog. Nefa ombieny ombieny, dia manana fangaro ampy tsara mba hanaovana zavatra tena kanto, toy ny sakafo izay vao nataony vao haingana  – tsaramaso fotsy sy saladin-tsiasisa miaraka amin'ny voasary.

“Tena tsara ilay izy,” hoy i Hartzog.

Raha tsaraina tamin'ny fampakarana ankihiben-tànana teo amin'ny latabatra, dia nahomby ilay sakafo hariva miaraka amin'ny mpividy 80 eo ho eo. Ary raha nandroso ny alina, nisy mihitsy aza ny ambiansy fety kely sady nalefa mafy ny mozika.

Mazava ho azy, ho an'ny fikasany tsara rehetra, mbola tsy ara-dalàna ny trano fisakafoana Freegan Pony, ary ny fitsarana ao an-toerana nihetsika mba hanidy azy tanteraka. Fa Aladdin Charni milaza fa feno fanantenana izy fa afaka hahita vaha-olana miaraka amin'ny tànana.

Tsy maninona anefa izany, hitohy hitady ny fomba hanohizana ny asany amin'ny fanangonana ny sakafo nariana ary hamadika izany ho nahandro tsara tarehy ny ekipa ambadiky ny hôtely, hoy i Charni.