
Mpanao fihetsiketsehana Ejipsiana ao ivelan'ny Sendikàn'ny gazety ao afovoan-tanànan'i Cairo. Sary: Mohamed El Raai (Twitter)
Mpanao fihetsiketsehana an'arivony no nidina an-dalambe manerana an'i Ejipta omaly mba hitaky ny fanonganana ny fitondran'ny filoha Ejipsiana Abdel Fattah El-Sisi. Manao hiaka sy mandrisika ny hafa mba hanatevin-daharana amin'ny alalan'ny fampitam-baovao sosialy, nihamafy ny fandrangitana rehefa tafakambana tamin'ny mpanao hetsi-panoherana hafa tao amin'ny toeran'ny Sendikàn'ny Gazety tao afovoan-tanànan'i Kairo. Nampitomboina ho mafy kokoa ny fiarovana ny kianja malazan'i Tahrir izay nanatri-maso ny ny sit-in revolisiona 25 Janoary 2011. Fiara mifono vy, sy polisy no nameno ny kianja mba hanakanana izay ezaka fanatontosana fihetsiketsehana.
Tamin'ny fiandohan'ny herinandro lasa, niresaka indray ny sisintanin-dranomasina eo anelanelan'i Ejypta sy Arabia Saodita ny Filoha Ejipsiana Abdelfattah El-Sisi sy ny Mpanjaka Saodiana Abdelaziz Bin. Samy nanaiky hanolotra ny nosy Ranomasina Mena Tiran sy Sanafir ho an'i Riyadh ny roa tonta. Raha ny marina, niantso ny vahoaka Ejipsiana mba hidina an-dalambe amin'ny Zoma ny hetsi-panoherana ny fitondrana mba hanakanana ny fanapahan-kevitry ny governemanta. An'arivony ireo manohitra ny fanapahan-kevitr'i Sisi hanolotra nosy roa ho an'i Arabia Saodita, ary miampanga azy ho mivarotra ny nosy amin'ny dolara vitsivitsy.
Nomanina hanomboka amin'ny 4 ora hariva ny fihetsiketsehana tao amin'ny Sendikàn'ny Gazety, saingy nanomboka nitangorona tamin'ny 1 ora atoandro ny olona raha nitangorona teo anoloan'ny sendikà ny vahoaka naparitaka voalohany tamin'ny diabe tao an-dalamben'i Mostafa Mahmoud. Anisan'ireo hiaka natao ny: “Miala ny fitondra-miaramila” sy ny “Mofo, fahafahana, ary Ejipsiana ireo nosy ireo”.
Niseho ny fifandonana teo amin'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro filaminana satria nisambotra tampotampoka izay olona nanatevin-daharana ny hetsika ireto farany. Nitatitra ny Reuters fa mpanao fihetsiketsehana 50 no voasambotra, ary notànana tao an-tanànan'i Mansoura kosa ny hafa raha nanao fihetsiketsehana teo akaikin'ny kianja Afovoan'i Mansoura. Na izany aza, sokajiana ho tsy marina ireo isa voalaza ireo satria mbola miantso ny olona mba hitatitra ny anaran'ireo mpanao fihetsiketsehana tsy hita ny mpikatroka media sosialy. Nanoratra tao amin'ny kaonty Facebook-ny ilay mpikatroka Sameh Samir:
يا إخوانا إحنا بنجمع أسامي إللي إتقبض عليهم دلوقتي ، يا ريت إللي يعرف حد يكتب إسمه هنا أو علي #الحرية_للجدعان
Manangona ny anaran'ireo izay voasambotra izahay amin'izao fotoana izao. Raha mahafantatra olona voasambotra ianao, soraty eo amin'ny takelaka fanehoan-kevitra ny anarany
Nitatitra ilay mpikatroka ara-politika Asmaa Mahfouz fa nisambotra olona teo akaikin'ny Kianjan'i Tahrir tamin'ny minibus ny mpitandro filaminana foibe. Nitranga ny fisamborana raha nifarana ny fihetsiketsehana ary nanomboka niala ny toerana ny olona.
Mampanantena hiverina ny Ejipsiana amin'ny 25 Aprily :
Tsy nitatitra momba ny fihetsiketseham-panoherana an'i Sisi ny fampahalalam-baovao fehezin'ny fanjakana saingy nanome lalana ho an'ny mpanao fihetsiketsehana mba hanome vaovao farany, sary sy lahatsary mivantana kosa ny sehatra media sosialy. Nampanantena hiverina eny an-dalambe amin'ny Zoma 15 Aprily ny Ejipsiana, rehefa tapitra ny fihetsiketsehana.
Nilaza ny fahavitsian'ny fitateram-baovaon'ny fihetsiketsehana ny hetsika sosialista revolisionera:
#جمعة_الأرض
إعلام فاشي! pic.twitter.com/o8TLdaCVxA— الاشتراكيون الثوريون (@RevSocMe) April 15, 2016
Fasista ny haino aman-jery
Nandefa sarin'ny fihetsiketsehana teo anoloan'ny Sendikàn'ny Gazety i Cecilia Udden, mpitati-baovao Afovoany Atsinanana ao amin'ny Radio Soedoa Broadcasting Sveriges. Nihirahira hoe “Mitaky ny firodanan'ny fitondrana ny vahoaka”:
Woman outside Press Synd: "Those islands are just the tip of the iceberg, everything else is also wrong in Egypt" pic.twitter.com/J4juAOdj8M
— cecilia udden (@ceciliauddenm) April 15, 2016
Vehivavy ao ivelan'ny Sendikàn'ny Gazety: “ny kely hitamaso fotsiny ireo nosy ireo, tsy mety avokoa ny zavatra hafa rehetra ao Ejipta”
Nisioka ilay mpanao gazety malaza Amr:
الإعداد تدخل في الألاف و الزئير ” الشعب يريد إسقاط النظام” عند النقابة #عواد_باع_أرضه pic.twitter.com/CAJJJu2n3V
— Amr No 2 CC (@Cairo67Unedited) April 15, 2016
Mitombo an'arivony ny isa ary miha-mafy hatrany ny hiaka: “Mitaky ny firodanan'ny fitondrana ny vahoaka”.
Nizara ny sariny teo anoloan'ny Sendikàn'ny Gazety tamin'ny sioka ilay mpanao gazety an-tsary Ahmed El Raei :
in front of Journalists Syndicate since a few
Photo | Mohamed El Raai pic.twitter.com/5l8nIt06dZ— Mohamed El Ra3y (@mohammedelra3y) April 15, 2016
eo anoloan'ny Sendikàn'ny Mpanao gazety vao teo
Ahmed Aboulenein, mpitati-baovaon'ny Reuters ao Ejipta nanoratra ny fijoroany vavolombena tamin'ny fanafihan'ny polisy:
“If you don't get up from here now I will arrest you,” plainclothes police officer tells me as I sit near abdelmoniem riad statue.
— Ahmed Aboulenein (@aaboulenein) April 15, 2016
“Hosamboriko ianao raha tsy mitsagana miala teo izao”, hoy ny polisy manao fanamiana sivily tamiko raha nipetraka teo akaikin'ny sarivongana Abdelmoniem Riad aho
Mpanao gazety Sameh el Atrash nanampy hoe:
Arrests made on side streets. A herd of plainclothes just burst into an alley full of cafes and led away two people, smacking away at them
— Samer Al-Atrush (@SameralAtrush) April 15, 2016
Fisamborana teny amin'ny sisin-dalambe. Andiana polisy manao fanamiana sivily vao niditra an-kerisetra tamin'ny lalan-kely feno trano fisotroana kafe ary nitondra olona roa, namely tehamaina azy ireo
Nampiasa ny diezy #جمعة_الأرض, teny Arabo midika hoe #ZomanyTany ny mpikatroka, araka ny sioka nalefan'ilay mpisolovava sady mpiaro ny fahalalahana maneho hevitra, Gamal Eid:
امبارح كان 25 يناير ، النهاردة 15 ابريل ، بكره 25ابريل
الارض مصرية ، خد رزك وياك واترك لي وطني #جمعه_الارض— Gamal Eid (@gamaleid) April 15, 2016
25 Janoary omaly, 15 Aprily androany ary 25 Aprily rahampitso. Alaivo ny volanao ary avelao ny taniko. #ZomanyTany
Hetsiky ny tanora 6 Aprily nanampy hoe:
موعدنا#25ابريل#جمعة_الارض#ارحل
— A6Mحركة شباب 6 أبريل (@shabab6april) April 15, 2016
Napetraka ny fotoananay, 25 Aprily. #ZomanyTany
Nampitaha ny sehatra roa misy itovizana i Fatima El Said, ny iray eo amin'ny ankavia nalaina tamin'ny hetsika revolisiona 25 Janoary 2011, ny iray hafa nalaina omaly:
One pic is from #Jan25 & the other from today's protests, spirit of the revolution lives on 🙂 #Egypt pic.twitter.com/PrvFasTxMq
— Fatima Said (@fattysaid) April 15, 2016
Ny sary iray tamin'ny #Jan25 ary ny iray hafa tamin'ny fihetsiketsehana omaly, velona ny fanahin'ny ny revolisiona 🙂
Vonona amin'ny revolisiona hafa manohitra ny fitondrana ve ny Ejypsiana?