Namely ny faritra andrefan'i tanànan'i Kumamoto Japoney tamin'ny Alakamisy 14 Aprily ny horohorontany “Shindo 7″ ( maridrefy 6,5 ) .Olona sivy no maty raha kely indrindra , ary 33.000 nafindra toerana hiala amin'ny tranony. 1000 eo ho eo ny olona no fantatra fa naratra.
Raha ny heriny no jerena,dia izy no horohorontany lehibe indrindra nahazo an'i Japana taorian'ilay iray izay namely ny avaratra atsinanan'i Japana faritra Tohoku tamin'ny volana Martsa 2011, niteraka ny tsunami goavana izay nahafatesana olona an'arivony.
Ny “fandrefesana shindo” an'i Japana no mandrefy ny herin'ny hovitra , na ny hamafiny . Any amin'ny faritra hafa amin'izao tontolo izao, refesina arakaraky ny hery avoakany na ny maridrefy ny horohoron-tany.
Nitohy nandritra ny alina ny fiantraikan'ny hovitrovitra. Nisy ekipa mpaka sary iray, nalefa mba handrakitra an-tsary ny fahasimban'ny rindrin'ny lapa ao afovoan-tanàn'ny Kumamoto ,naka sary ny tohin'ny horohorontany ary nalefa mivantana tamin'ny fahitalavitra. Ilay lahatsary dia mitondra ny lohateny hoe “olona 23.000 nafindra toerana taorian'ny horohorontany Shindo 7 namely an'i Kumamoto.”
Tsapa betsaka tamin'ny faritra andrefan'i Japana ny horohoron-tany ary tao Mashiki , kaominina ambanivohitra atsinanan'ny tànanan'i Kumamoto no nisy ny foibeny .
Nisy fantsona etona vaky, nahatonga firehetana maro (maro ny tonkatrano Japoney no niantehitra tamin'ny etona propana mba handrahoana sakafo sy hamanana rano, tehirizina ivelan'ny tokantrano ny propana ary hidina ao anaty fantsona mahatanty tsindry).
Feno sarin'ny horohoron-tany sy ny fiantraikany ny media sosialy taorian'ny horohoron-tany.
【熊本県益城町で震度7の大地震/火災発生し複数建物倒壊】https://t.co/Z37VvGy66T
震度7の揺れを観測し多くの建物が倒壊しているとの情報。23時現在で10軒以上の家屋が倒壊、一部の家屋では火災が発生。 pic.twitter.com/QVMoLL9sZP
— 日刊時事ニュース (@nikkan_jijinews) April 14, 2016
Kaominina Mashiki , Prefektioran'ny Kumamoto: Maro ny tranobe no potika vokatry ny horohorontany Shindo 7 sy noho ny afo naterak'izany.
Araka ny tatitra , nahatonga fihetsehana hita maso sy fahapotehana trano maro ny horohorontany Shindo 7. Voalaza fa tamin'ny 10 ora alina, 14 Aprily dia maherin'ny 10 ny trano nirodana. Levon'ny afo ny sasany tamin'ireo rafi-panorenana.
Hita ho voa mafy tokoa ireo trano tranainy.
https://t.co/NnkdttI3om 熊本を震源とした地震、ヘリからの写真が入ってきました。写真特集を更新しております。https://t.co/2KEAKLw08z pic.twitter.com/VDvd1nN9y5
— 毎日新聞写真部 (@mainichiphoto) April 14, 2016
Nahazo sary avy amin'ny angidimby teo ambonin'ny ivon'ny Kumamoto izahay. Sary manokana fandrakofana eto: http://mainichi.jp/photography/
Tsy nahazaka ny herin'ny fihovitrovitry ny tany ny faritra misy ireo fonenana nentim-paharazana.
益城町のこのお宅では70歳代の奥様が瓦礫の下敷きになったが、一時間半後に近所の人が救出。奥様は肋骨2本折って入院中だ。ご主人によると、地震の瞬間、ちゃぶ台の下に頭を突っ込んで助かったそうだ。 pic.twitter.com/HcEc0AiMnO
— 竹内明 Mei Takeuchi (@nygangsta0327) April 15, 2016
Tafahitsoka tao ambanin'ny tafo taila nihotsaka ilay olona 75 taona tompon'ity trano ao Mashiki ity saingy voavonjin'ny mpiray vodirindrina aminy ora iray taty aoriana teo ho eo. taolana roa no tapaka taminy ary nalefa tany amin'ny hopitaly izy. Araka ny nolazain'ny vadiny dia nitampikitra tao ambanin'ny latabatra kely iray izy ary afaka niaro ny lohany, ary ho sitrana vetivety izy.
An'arivony ny olona no nialoka tamin'ny toerana malalaka toy ny toeram-pilalaovana amin'ny sekoly noho ny tohin'ny horohorontany sy ny tahotra mety isian'ny firehetan-trano maro kokoa avy amin'ny fivakisan'ny fantson'ny etona .
熊本の地震、熊本市内の校庭では、住民の方々が、ビニールシートを敷いて避難しています。(直) pic.twitter.com/mxscWAEsz1
— 朝日新聞写真部 (@asahi_photo) April 14, 2016
Taorian'ny horohorontany tao Kumamoto , nafindra toerana tamin’ ireo sekoly eo an-toerana ireo mponina ary nialoka tao anaty labasy plastika.
熊本市内は余震が続いてます。不安な夜が続いてます。
いまは熊本大学グラウンドに
避難してます。
熊本大学の体育館も開放してるので、避難したい人は気をつけて来てください。#熊本#地震#避難場所 pic.twitter.com/ht6ik6Whhr
— おかけん (@kt112077) April 14, 2016
Niaina tanatin'ny alina sarotra izahay satria nitohy ny horohorontany tao amin'ny tànanan'ny Kumamoto.
Amin'izao fotoana izao dia efa nohalalahana ny toeram-pilalaovana ao amin'ny Oniversite ao Kumamoto. Nanaiky handray ireo tra-boina ny kianja mitafon'ny sekoly noho izany na aiza na aiza misy anao, karakarao ny tenanao.
Nisy mponina sasany nandefa sarin'ny fahasimbana tao amin'ny media sosialy.
地震で立駐から車降ってきた… pic.twitter.com/oqBw6t9JFD
— だらく (@dara9_) April 14, 2016
Niongana ireo fiara tao amin'ny garazy fiantsonana mamahan-tena .
熊本で起きた震度7の地震の被害 pic.twitter.com/rHNRyc7I85
— エザゼル (@0_____14) April 14, 2016
Fahasimbana avy amin'ny horohorontany ao Kumamoto .
The Richter scale 5 #地震 #震度7 earthquake actually split the ground. #prayforJapan pic.twitter.com/1DrVdmQuTE
— Vlad C (@vladtweets) April 14, 2016
Ny fandrefesana Richter 5 #地震 #震度7 nanatresaka tanteraka ny tany ilay horohorontany. #prayforJapan pic.twitter.com/1DrVdmQuTE
Niharan'ny fahasimbana lehibe ny rindrim-bato manodidina ny hady tao amin'ny Tranomandan'i Kumamoto, dika mitovy narafitra tamin'ny vy sy vatosokay naorina tamin'ny 1960.
難攻不落と呼ばれた城も地震には弱い…儂ショック過ぎて立ち直れない pic.twitter.com/C1Rgeoz1SG
— 加藤清正 (@higonotora) April 14, 2016
Tsy nahatohitra ny horohorontany ilay ” mimanda mafy tsy hay ananiham-bohitra” . Tsy nahatohitra ny tohin'ny horohorontany ny rindrin'ny lapa .
Nanondro ny olona sasany fa niseho teo akaikin'ny tobin'angovo nokleary telo ao amin'ny Prefektioran'i Saga (ao avaratra kely fotsiny), Kagoshima (ao atsimo kely), ary Ehime (tokony ho 300 kilaometatra atsinanana ao amin'ny nosy Shikoku) ilay horohorontany somary lehibe sy mahery vaika tao Kumamoto.
九州でM8地震が近いというデータ続々https://t.co/gMyM3GGNI1 #脱原発 #川内 #玄海 #伊方 Kyusyu electric,Stop #Sendai NPs.High risk of huge #quake pic.twitter.com/pXXsydgLah
— microcarpa (@microcarpa1) April 14, 2016
Tsy sasatra ny manakaiky ny maridrefy 8 ny horohoron-tany ao Kyushu. Atahorana ny hisian'ny horohorontany mahery vaika eny akaikin'ny foibe nokleary.
Ary toy ny mitranga matetika amin'ny media sosialy amin'ny fotoanan'ny krizy, misy tsaho iray farafahakeliny malaza be alohan'ny tena hamantarana ny zava-misy marina.
【 地震でライオン脱走とデマ 】
熊本で発生した地震を受けて「動物園からライオンが脱走した。熊本」とライオンの画像をTwitterに投稿したユーザー炎上https://t.co/J645wf6RcR画像はヨハネスブルグの路上 pic.twitter.com/pHeWkHZYBs
— ニュース速報Japan (@breakingnews_jp) April 14, 2016
Tsaho ilay “lion'ny horohorontany”!
Taorian'ny horohorontany dia nisy sarin'ny ” liona iray nandositra avy ao amin'ny valam-bibin'i Kumamoto” izay nozaraina aman-taoniny tao amin'ny Twitter .
Avy ao Johannesburg (Afrika Atsimo) ireo sary raha ny fijery azy.