- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanao Fihetsiketsehana Nandritra Ny Andro Maromaro Ny Tanàna Amazoniana Ao Pucallpa, Saingy Tsy Mba Nilaza Momba Izany Ny Fampahalalam-baovao

Sokajy: Amerika Latina, Però, Fampandrosoana, Fanoherana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka
Fourth day of the indefinite strike in Pucallpa. Shared on Twitter by @carlos1cd

Andro fahaefatra amin'ny fitokonana lavareny ao Pucallpa. Saripika nozaraina ao amin'ny Twitter [1] avy amin'i @carlos1cd.

Ity lahatsoratra ity dia navoakan'i Juan Arellano voalohany tao amin'ny blaogy Globalizado [2].

Voahozongozon'ny fitokonam-paritra nanomboka tamin'ny 9 marsa 2016 lasa teo ny fitoniana mahazatra ao an-tanàna amazoniana Pucallpa [3], ao amin'ny faritra Uyacali ao avaratra atsinanan'i Però. Na izany aza dia tsy mahalala momba izany loatra ny ao Lima renivohitra. Angamba izany vokatry ny hazakazaka fifidianana ho filoha [4] mizotra ao amin'ny firenena, izay ifantohan'ny fampitam-baovao tanteraka.

Ny El Frente de Defensa de Ucayali (Ny Ligim-piarovana an'i Ucayali) no fikambanana ao ambadik'ity fitokonana faobe, izay nahazo ny sarangan'olona isan-karazany. Mitaky [5] ny fampihenana ny vidin'ny herinjiro, etona, solika ary ny fanadiovana fako. Mitaky ny famerenana ny fampihenana natao tamin'ny teti-bolan'ny faritra, faritany sy ny distrika; sy vahaolana ho an'ny olan'ny  fananan-tany sy ny tolotra ho an'ny fanorenam-ponenana tsy ara-dalàna ao amin'ny faritra ihany koa izy ireo

Nahazo fanohanana goavana tao an-tanàna ny fitokonana, ary nanatevin-daharana izany [6] ihany koa ny sasany tamin'ireo faritany manodidina. Olona iray no naratra [7]tamin'ny andro voalohan'ny fitokonana tsy voafetra, izay nahitana fihetsiketsehana goavana. Araka ny filazan'ireo nahita maso, vokatry ny bala fingotra notifirin'ny polisy no nahatonga ratra. Nitohy nandritra ny andro faharoa sy fahatelo misesy ny fihetsiketsehana ary nitarika fisamborana mpanao fihetsiketsehana 21 [8]. Tamin'ny andro fahefatra, vondrom-piarahamonina vazimba teratany 15 no nanatevin-daharana [9]ny fitokonana. Ankoatra izany, nanomboka nisy fiantraikany tamin'ny tsy fahampian'ny [10]sakafo fototra hatrany ny fikatonan'ny orinasa sy ny sakan-dalana, nanery ireo mponina sasany mba hamorona lakozia iombonana.

#Pucallpa [11] manoma-tena amin'ny fitokonana rahampitso. pic.twitter.com/BzfYuoTSy1 [12]

Nandritra ny fiaretan-torin'ny Talata 9 Martsa, andro nanombohan'ny hetsi-panoherana, namakivaky ny arabe niaraka tamin'ny polisy ireo mpikambana ao amin'ny Frente de Defensa de Ucayali (Ligin'ny Fiarovana Ucayali).

Nanomboka tao #P [11]ucallpa [11] ny fitokonana.

Ny ampitso, nisioka sary sy lahatsary misy izay hitan'izy ireo teny an-dalamben'i Pucallpa ireo mpiserasera samihafa:

Andro faharoan'ny UCAYALAZO ao Pucallpa. Manjary miha-matanjaka kokoa izany ary mety hiteraka zavatra hafa

#HuelgaUcayalina [27] mitohy ny fitokonanana mitaky ny governemanta mba hamaly ny fitakian'izy ireo

Nitarika fihetsiketsehana maro kokoa ny ampitso:

Lalana nosakanan'ny fiarovana #Ucayalazo [14]#Pucallpa [11], tsy amidy i Pucallpa

Tamin'ny vaovao hafa, miditra amin'ny andro fahaefatra ny fitokonanana ao Pucallpa. Mangataka mba hiresaka amin'ny minisitra izy ireo

Mitohy ny fitokonana ao Pucallpa .

@VeroLinaresC [36] Verito, toy izao no mitranga ao Pucallpa. Efa andro fahaefatra sahady ny fitokonana.

#Ucayalazo [14] andro faha-4

#Ucayalazo [14] day 4 #Pucallpa [11]pic.twitter.com/GGL9FqkOaH [39]

Korontana ao Pucallpa.

Nanomboka niditra tsikelikely tao amin'ny fihetsiketsehana ny herisetra.

Andro fahadimin'ny fitokonana

Tsy fitokonana no misy ao Pucallpa, fa herisetra. Aiza ny manampahefana?

Fitakian'ny farany Atsimon'i Pucallpa.

#ucayalazo [53]!!! Mitolona i Pucallpa

Hafahafa tsy ho an'ny mponina ao an-toerana ao Pucallpa ihany ny tsy fisian'ny fandrakofam-baovao amin'ny fahitalavitra fa ho an'ny olona ao Lima ihany koa izay nahita ny hetsika tamin'ny loharanom-baovao hafa .

Miditra amin'ny andro fahaenina ny fitokonam-paritra ao Pucallpa ary tsy misy na dia vaovao iray momba izany aza amin'ny fandaharana Alahady

Misy mihitsy aza ny tsaho [59]fa olona roa no namoy ny ainy nandritra ny fifandonana tamin'ny polisy, na izany aza, mbola tsy voamarina izany [60].

Fanamarihan'ny mpanitsy: Tantara nivoaka teny anglisy iray volana katroka izao.