- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Japàna : Hazo Ao Amin'ny Nosy Hokkaido, Niharan'ny Vokadratsin'ny Làzany

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Taiwan (ROC), Foko sy Fiaviana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Tsidika
哲学の木 (Philosopher's Tree, Hokkaido)

(soratra ery ambony havanana) : Tsy misy intsony ny toeran'ilay hazon'ireo filôzôfa, tsy nohajain'ireo mpizahatany ireo fepetram-piarahamonina tokony harahany.(Biei, Hokkaido). Pikantsary avy amin'ny fantsona Youtube ofisialin'ny HTB News. [1]

(Lahatsoratra voalohany nivoaka tamin'ny 27 Febroary 2016) Niteraka fihetsehampo hatrany ivelan'ny firenena ny fandabohan'ny mpamboly iray ilay peuplier d'Italie [2] tao amin'ny nosy Hokkaido, any avaratr'i Japàna. Zavatra iray manintona ho an'ny fizahantany tena nalaza tao amin'ny faritra io “peuplier” any aminà faritra ambanivohitra lavitra io. Nanana ny kaontiny Twitter azy manokana manaraka tsara ny toetrandro [3] mihitsy aza izy.

Ny 25 febroary, nampahafantarin'ireo vaovao nasionaly japoney [4] fa notapahan'ny tompony ilay ” hazon'ireo filôzôfa” (哲学の木) tao Biei, Hokkaido.

Tato anatin'ny taona vitsy farany dia lasa tena zavatra nahasarika be ny fizahantany io hazo io. Tonga avy lavitra ny olona mba hijery sy haka sary azy.

Araka ireo vaovao samihafa [4], nanapaka hevitra ny handavo ilay hazo efa dimampolo taona mahery ilay mpamboly azy, noho ireo sampana tapaka mety hiteraka loza ho an'ny mpitsidika. Voalaza ihany koa ny fisian'ireo mpitsidika tsy mitondra tena araka ny tokony ho izy (マーナ違反), ary manitsakitsaka ny saha manodidina azy na dia efa raràna aza. Nisy mihitsy aza nisikotra namela rangodrangotra (graffiti [5]) tamin'ny vatan'ilay hazo.

Tena mampalahelo, tsy nanana safidy hafa ankoatry ny fanapahana ilay hazo ny tompony !”Noho ny fitondrantenan'ireo mpizahatany, nanapaka hevitra ny handavo ilay hazo ilay mpamboly”.

Momba io fitondrantena io, raha tsy dia manameloka loatra ireo mpizahatany tsy japoney ny ankamaroan'ireo mpilaza vaovao, ny TBS News 23 [9] kosa no nanao izay. Nandefa pikantsary avy amin'ny News 23 ny olona iray mampiasa Twitter :

[lohatenin'ilay pikantsarin'ny News 23] “Nandritry ny taona telo na efatra, nanomboka nanitsakitsaka ireo saha manodidina ilay hazo ireo vahiny mpizahatany mba hahafahany maka sary tsara”

[Fanehoankevitr'ilay mpampiasa Twitter] Ilay lahatsoratra momba ilay hazon'ireo filôzôfa… Ireo vahiny mpizahatany no voateny…

Ao anatin'ny fipoahan'ny resaka fizahantany indrindra i Japàna amin'izao fotoana izao. Tamin'ny 2015, nanakaiky ny 20 tapitrisa ireo vahiny mpizahatany nitsidika an'i Japàna, fisondrotana 50 % miohatra amin'ny tamin'ny 2014 [14], ary efa ho avo roa heny [15] raha oharina amin'ny isa tamin'ny 2010. Tsy vitsy ny vaovao any anaty gazety momba ireo “fomba ratsy” ataon'ny vahiny mpzahatany, ary navoakan'ny fanadihadiana iray vao haingana [16] fa tompon-toerana roa amin'ireo dimy ao Tokyo no mihevitra fa tsy tokony hampiasa ny Airbnb [17] ireo vahiny.

Nitafa tamin'ny HTB [18], fampahalalambaovao ao Hokkaido ihany, tsy nilaza ilay mpamboly tompony fa hoe ny fitondrantenan'ireo vahiny no nanosika azy hanapaka ilay hazony, fa atahorany hitondra aretina ireo olona tonga manitsaka ny sahany.

Malaza indrindra noho ny fisian'ireo toeram-piompiana mamokatra ronono ao aminy i Hokkaido ary tato anatin'ny taona vitsivitsy, nihazakazaka be ny fahavoazan'ny  fièvre aphteuse [19] namely ireo andiam-biby fiompy tany amin'ny faritra hafa ao amin'ny firenena, aretina iray izay mety ho ny olona nivahiny nandalo tany no nitondra azy.

Nandritry ny tafany tao amin'ny HTB [18], nohamafisin'ilay mpamboly mazava tsara fa tsy sitrapony/fifaliampony ny hanapaka ilay hazo.

Philosopher's Tree

Ilay tompon'ny tany: ” Nandritry ny 50 taona no nitazanako iny hazo iny, latsaka ny ranomasoko rehefa notapâhany izy.” Pikantsary avy amin'ny fantsona Youtube ofisialin'ny HTB News. [1]

Nisy nalahelo noho ilay vaovao momba ny nanapahana ilay hazon'ireo filôzôfa ihany koa ireo vahiny mpizahatany .

Ireto fanehoankevitra manaraka ireto dia tany amin'ny sehatra fifanakalozandresak'ireo Taiwanais mpanao fitetezana an-tongotra no hita :

對當地農家來說 把樹扯倒或許並不是壞事 […] 但是看到這句還是覺得かわいそう そして、今日、重機によって倒されました。

Tsy dia ratsy loatra ho an'io mpamboly io angamba ny nanapaka ilay hazo [20]  [satria tsy tantiny intsony]. […] Tena mba nalahelo ihany koa noho ny zava-nitranga aho teo ampamakiana ireto teny ireto, ‘Araka izany dia voaborin'ny masinina iray ilay hazo.’

Notsipihan'ny olona iray nitondra fanehoankevitra ny zavamisy hoe tsy miankina fotsiny amin'ny resaka fahaizamiaina ny tsy fanelingelenana fitrandrahana ara-pambolena iray :

我是在站馬路的路旁,沒有跨界去拍這一棵樹,利用長焦段鏡頭來拍攝就不會干擾地主了!

Nanapika sary iray tamin'io hazo io aho [21] avy eny amoron-dàlana. Tsy nametraka akory ny tongotro tao amin'ilay tany. Amin'ny fampiasàna zoom fotsiny, dia efa mety tsy ho nanelingelina ny tompon'ilay fitrandrahana ianareo.

Iray hafa naneho hevitra no nanosoka hoe tokony niaina ny rivotra ambanivohitr'i Hokkaido ireo mpizahatany fa tsy hanandrana ny hifantoka fotsiny amin'ilay hazo malazan'ireo filôzôfa :

美瑛之美並不是在於有什麼XX之木,而在於它的四季自然風光。如果是為了看XX之木而去美瑛,豈不是在回憶的行囊中少裝填了很多東西?

Tsy ilay hazon'ireo filôzôfa irery ihany no zavatra mahafinaritra azo jerena ao Biei [22] — Afaka jerena ihany koa ny tontolo natoraly mandritry ny vanimpotoana efatra. Raha mankany Biei fotsiny hijery ilay hazo ireo mpizahatany, betska ny zavatra tsy ho hitany, izay mety ho fahatsiarovana mahafinaritra ny diany.

Nandefa hafatra iray manohina fo natao ho an'ilay peuplier maty ny Japoney iray mpampiasa Twitter :

Ivavahanay mafy ny mba hisian'ny aina iray vaovao hipoitra eo amin'io toerana io. ” Mandria am-piadanana ry hazon'ireo filôzôfa, ary misaotra tamin'ny zavatra rehetra”