- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Graffiti 27 Manodidina An'i São Paulo Tsara Ho Fantatrareo

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Mediam-bahoaka, Vaovao Tsara, Zavakanto & Kolontsaina

Ity tsanganana ity dia nivoaka voalohany tao amin'ny blaogin'ny Agência Mural [1], miaraka amin'ny lahatsoratra sy ny fikarohan'i Aline Kátia Melo, Eduardo Micheletto, Humberto do Lago Müller, Jéssica Souza, João Paulo Brito, Karina Oliveira, Lucas Landin, Lucas Veloso, Martina Ceci, Priscila Gomes, Priscila Pacheco, Sidney Pereira, Tamires Tavares, Tamiris Gomes ary i Thaís Santana; fandaminana sy fanitsian'i Tamires Gomes. Navoaka eto indray noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Mihovitrovitra ao anatin'ny heriny manontolo ny kolontsain'ny graffiti any amin'ireo tanàndehibe brezilianina. Ary tsy manivaka amin'izany ny ao São Paulo: omen'ny artista loko marevaka mamelombelon'aina anao amin'izany ny talaky maso. Raha misy ireo zavakanto ao afovoan-tanàna, toy ny ao Vila Madalena, hita sary ao amin'ny boky taridalan'ny fitetezan-tany iraisampirenena [2], dia tsy fantatry ny maro kosa, eny fa na dia ireo mponin'ity tanàndehibe voatonona ity aza, izay manana mponina hatramin'ny 20 tapitrisa, ireo miranty eny amin'ny sisintsisin'ny tanàna.

Teo am-pieritreretana izany ny mpanao gazetin'ny Agência Mural no nanangona ireo kanto tsara indrindra any amin'ireo isam-pokontany any — ireo antso “vaky” –,any amin'ireo sisintsisin'ny tanàna any.

Mariporã, Grande São Paulo

Isan-taona ao Mariporã misy fivorian'ny artistan'ny graffiti, karakarain'ilay artista Carlinhos Rootsm. Ny sary roa manaraka eto ambany no mampiseho ny fihaonana roa farany, tamin'ny 2015, raha nomen'ny fiadidiana ny tanàna aina indray ny tohatoha-bato lehibe [3].

1-SC9eyvFeqqG6E0hEZ5ahtg

Tohatoha-baton'i Mariporã. Saripika: Humberto do Lago Müller/Agência Mural

1-Vbmv1rFmv5t3apPLHl_UmQ

Tohatoha-baton'i Mariporã. Saripika: Humberto do Lago Müller/Agência Mural

Mairpora

Iray amin'ireo olona fanta-bahoaka hita amin'ny sary an-drindrin'i Mariporã ny mpiantsehatra Amácio Mazzaropi, izay nandrakitra ny sasantsasany amin'ny filma notontosainy tao Mariporã. Saripika: Humberto do Lago Muller/Agência Mural

Grajaú, faritra atsimo

Ny sary an-drindrina manaraka dia hita ao amin'ny Zaridaina Linear Cantinho do Céu [mahitsy amin'ny zoron'ny lanitra], ao Grajaú, ary manamarika ny zavamisy any amin'ny sisintsisin-tanàna. Nataon'ilay artista Enivo, izay nitari-dalana ny fanaovana hosodoko an-drindrina teo amin'ny fokontany manodidina. Natao hosodoko teo ilay zazalahy antsoina hoe Caio Caternum, artista iray hafa ao an-toerana. Eny ny fehezanteny “Sahia… Satria isika no nateraky ny nofinofy tiantsika” dia avy amin'i Mano Money’s, mpihira rap avy ao Grajaú ihany koa

1-AynGe-qgEdm6K0gRoLp1cw

Sary an-drindrindra eo amin'ny Zaridaina Linear Cantinho do Céu. Saripika: Priscila Pacheco/Agência Mural

Lago Azul, faritra atsimo

Ao Lago Azul (Farihy Manga), faritra atsimo, hitantsika eto ihany koa ny fielezan'i Casinhas Amarelas na tranonkely mavomavo nataon'i Mauro Neri, artista iray mandrafitra ihany koa ny vondron'ireo mpanao sary an-drindrina avy ao Grajaú.

ZN3

Lago Azul, faritra atsimo. Saripika: Priscila Pacheco

Tucuruvi, faritra avaratra

Trano iray feno sary an-drindrina eo amin'ny zoron-dalana Paranabi. Artista tsy fantatra.

1-GitvEMcJDw062HrZGR4yEw

Trano iray ao amin'ny faritra avaratr'i São Paulo. Saripika: Priscila Gomes/Agência Mural

Distrikan'i Anhanguera, Faritra avaratra

Ity fampirantiana ankalamanjana ity dia hita eo amin'ny rindrin'ny Sekoly Monisipaly Jardim Britânia, ao amin'ny distrikan'i Anhanguera nandritra ny andiany faha-6 amin'ny fetiben'ny “Art in Home”.

1-EHLZiV53lIBgd3D-SvdsDw

Sekoly Monisipaly Jardim Britânia. Saripika: Thaís Santana/Agência Mural

Tremembé, faritra avaratra

Ao amin'ny Lalana Um Treas, ao anatin'i Tremembé, henika sary an-drindrina tanteraka.

ZN1

Voninkazo voaloko ao Tremembé, artista tsy fantatra. Saripika: Karina Oliveria/Agência Mural

ZN2

Rindrina nolokoin'ny vondrona artista Kblo e Magic ao Tremembé. Saripika: Karina Oliveira/Agência Mural

Vila Nova Cachoeirinha, faritra avaratra

Loko an-drindrina akaikin'ny Foibe Ara-Kolontsainan'ny Tanora, ao amin'ny Lalana dos Eucaliptos. Ilay artista dia fantatra amin'ny hoe Monster Ectoplasma.

ZN6

Asatanan'i Monster Ectoplasma, ao amin'ny faritra avaratr'i São Paulo. Saripika: Gabriela Monteiro/Agência Mural

Zaridaina Ataliba Leonel, faritra avaratra

Tratran'ny asa-tanan'i Brown, Marcia, Kbelo ary ny hafa ihany koa ny rindrin'ny Sekolim-Pirenena Pedro de Moraes Victor, ao amin'ny lalana Boaventura Coleti,.

ZN7

Rindrin'ny sekoly ao amin'ny faritra avaratra. Saripika: Karina Oliveira/Agência Mural

ZN8

Rindrin'ny sekoly ao amin'ny faritra avaratra. Sary nataon-tanan'i Kbelo. Saripika: Karina Oliveira/Agência Mural

Zaridaina Brasil, faritra avaratra

Asa-tanan'ny artista Katia Suzue, mponina ao Jardim Brasil. Natsangan'ny raibeny sy renibeny avy amin'ny reniny, izay taranaka Japoney mpifindramonina , voamariky ny lohahevitra tatsinanana ny sanganasany. Raha te-hahalala bebe kokoa ny momba ny artista dia jereo ato [4].

ZN9

Saripika: Arisiva manokan'ny artista, famoahana nahazoana alalana.

Carandiru, Faritra avaratra

Ao amin'ny distrikan'i Carandiru, iray amin'ny sary nataon-tanana mananihanin'i Sipros ao amin'ny Zaridainan'ny Tanora.

1-JCsvElHxwoCrxQ_zxrKG0A

Sary nataon-tanan'ny artista Sipros, ao amin'ny Zaridainan'ny Tanora. Saripika: Sidney Pereira/Agência Mural

Jaçanã, faritra avaratra

Ity sary nataon-tanan'i Caluz, anarana artístikan'i Caroline Luz, dia hita ao amin'ny Lalamben'i Jaçanã. Ireo lohahevitry ny artista dia miompana amin'ny vehivavy, ny fananganana ny mari-panondroana arak'endrika nakana aingam-panahy avy amin'ny vehivavin'ny sisintanàna sy ny fiainana andavanandrony.

1-ytmMBTBfj5MqG_emCPVC3g

Sary nataon-tanan'i Caroline Luz, ao Caluz, Jaçanã. Saripika: Aline Kátia Melo/Agência Mural

Eto ambany ny sary nataon-tanan'ny Kasca (Jurandir Ramos), izay avy ao Jaçanã ihany koa. Fantatra izy tamin'ny fampielezana ny omby teo amin'ny faritra manodidina fantatra amin'ny anarana hoe Jova Rural.

ZN4

Sary nataon-tanan'i Caska ao amin'ny Lalamben'i Paulo Lincoln ao Valle Pontin, Jaçanã. Ahitana dian-tsipika, zavakanto mahazatra ny avaratra atsinanan'i Brezila ilay asan-tanana. Saripika: Aline Kátia Melo/Agência Mural

ZN5

Ombivavin'ny artista Kaska ao amin'ny lalana Emília Machado de Figueiredo, ao Jova Rural. Saripika: Aline Kátia Melo/Agência Mural

Morro Doce, faritra andrefana

Graffiti tao amin'ny fetibe “Art in Home”. Ny ankavia dia nosoratan'i Malaca — O.C.A, ao Morro Doce, faritra andrefan'ny renivohitra paulista.

ZO1

Sary nataon-tanana ao Morro Doce, faritra andrefan'i São Paulo.

Guarulhos, Grande São Paulo

Nahazo sary nataon-tanana an-drindrina voalohany ny tao amin'ny Viela Manacapuru, miorina ao amin'ny Zaridaina Cumbica, ao amin'ny fokontanin'i Guarulhos, ao Grande São Paulo nandritra ny “1o encontro de Grafitti Atac” [fihaonana voalohan'ny manafika ny Graffitti].

GSP

Asan'i Cristiano Ignoto sy i Galvani Galo. Saripika: Tamires Tavares/Agência Mural

GSP2

Sary nataon-tanana fanampiny hita ao Viela Manacaparu. Saripika: Tamires Tavares/Agência Mural

GSP3

Viela Manacaparu, asan-tanan'ny artista Xyrok. Saripika: Tamires Tavares/Agência Mural

Graffiti iray hafa ao Guarulhos, Tamin'ity indray mitoraka ity indray dia teo amin'ny rindrin'ny sekoly ao ao amin'ny Lalambe Bartolomeu de Carlos, miorina ao amin'ny fokontanin'i zaridainam-boninkazon-tendrombohitra. Eo amin'ny tokontanin'ny sary ianao mahita ireo sary nataon'ny kilonga.

GSP4

Rindrin'ny sekoly ao Guarulhos. Saripika: Jéssica Souza/Agência Mural

Itaquaquecetuba, Grande São Paulo

Zavabitan'ny artista JAE! Alves, hita ao amin'ny Lalana Maringá, Rancho Grande, ao Itaquaquecetuba.

GSP5

Asan-tanan'i JAE Alves. Saripika: Lucas Landim/Agência Mural

Mogi das Cruzes, Grande São Paulo

Sary ankatoavina ho sary nataon-tanana an-drindrin'ny toera-ponenana Antonio Bovolenta, ao an-tanànan'i Mogi das Cruzes, faritra ivelaran'i São Paulo. “Saika misy hatrany ireo vitsy an'isa manoka-tena ho amin'ny fanaovana izao tontolo izao ho tsara kokoa”, hoy ny fehezanteny.

Mogi

Saripika: Martina Ceci/Agência Mural

Poá, Grande São Paulo

Tararaka nolokoin'ny artista manongom-bolo Jonh Naja. Ny asan-tanana dia mety ho hitanao ao amin'ny Kianja Aurélio Fuga, ao amin'ny fokontanin'i Calmon Viana, ao Poá, Grande São Paulo.

GSP6

Saripika: Tamiris Gomes/Agência Mural

Guaianases, Faritra atsinanana

Ny fidirana an-tsehatra eto ambany dia avy amin'ny artista Todyone. Nihabetsaka ny mponina manodidina ny garan-damasinina Guaianases rehefa nihabetsaka ny loko marevaka vaovao. Misy ihany koa ny asan-tanana avy amin'i Galvani Galo.

1-PIYeJ_63hVpGgDqALW-P0A

Saripika: Lucas Veloso/Agência Mural

Ary eo amin'ny garan'ny metrô Guaianases, nalaina tahaka avy amin'ny varavaran-kelin'ny vagao.

1-Jnfo6NouiugMgi3qGfKfSQ

Saripika: Humberto do Lago Muller/Agência Mural