
Chacha, ilay rajako niantsampy teny amin'ireo mpiasa rehefa avy notifirina taminà fanjaitra misy fanafody fampitoniana. Pikantsary tamin'ny fantsona Youtube an'ny ANN.
Tantara iray lasa niparitaka be tao anaty fotoana fohy ny an'ilay rajako iray nandositra rehefa niantsampy teny amin'ilay dokotera mpitsabo biby sy mpiasa iray mpikojakoja tariby mitondra herinaratra izy, nandeha mivantana tamin'ny fahitalavitra.
Taorian'ny nandosirany ny vala Yagiyama ao Sendai, any avaratra-atsinanan'i Japàna, nitirintirina teny an-tampon'ny andrin-jiro iray i Chacha.
Taorian'ny tifitra fanjaitra nisy fanafody fampitoniana natao azy, tena akaiky kely, dia niantsampy tany amin'ireo mpiasa roa ity biby tezitra mafy, kely foana tsy nahazoany azy ireo.
仙台市の動物園からチンパンジーが脱走、電線伝って逃げるも住宅街で捕獲https://t.co/a2sQpkwLTo pic.twitter.com/CZ3S6xE6Zt
— 産経ニュース (@Sankei_news) April 14, 2016
Rajako iray voasambotra teny ambonin'ireo tariby mitondra herinaratra tao aminà toeram-ponenana iray rehefa avy nandositra avy tany amin'ny valan'ny tanànan'i Sendai.
Nalefa nivantana tamin'ny fahitalavitra tao Japàna ilay ezaka faobe hisamborana ilay rajako. Teo ampiandrasan'izy ireo ny fiasan'ilay fanafody fampitoniana, nijoro teny an'arabe ireo ekipa mba hanamora ny fitatazana ilay rajako rehefa milatsaka avy eny an-tampony eny.
Indrisy fa loza ho an'ilay rajako, diso kajy ry zareo momba ny toerana hitontonany, ary dia tamin'ny sisin-dàlana izy no niantefa.
Maribolana: Rajako nandositra dia tratra.
Araka ny mpilaza vaovao ao an-toerana, Kahoku Shimpo, efa nihatsara ilay rajako taorian'ilay fianjeràny. Tsy nitondra fanampim-baovao momba an'i Chacha ihany koa ny vala ao Sendai tao amin'ny tranonkalany natokana ho an'ilay vala natao hampirantiana rajako.
Ao Japàna, efa mahazatra ho an'ireo mpiasan'ny kaominina sy ny vala ny mandray anjara aminà fanazarantena momba ny fisamborana biby nandositra. Mety nanampy azy ireo io fiofanana io tamin'ny nisamborana ilay rajako.
Lohatenin'ny lahatsary: Zebra mandositra taorian'ny horohorontany ve ?