- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mandroso Ny Fifidianana Ny Bilaogy Keniàna 2016 Atao Amin'ny Aterineto

Sokajy: Afrika Mainty, Kenyà, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Teknolojia
The logo of Kenyan Blog Awards 2016.

Ny fangon'ny Kenyan Blog Awards 2016

Efa an-dalana ny Kenyan Blog Awards 2016 [1],  fifidianana amin'ny alalan'ny tambajotra mikasika ireo Loka ho an'ny Bilaogy Keniàna 2016. Nanomboka ny 3 Martsa ny fifidianana ary hitohy hatramin'ny 1 May 2016.

Natomboky  ny Fikambanan'ireo Mpitoraka Bilaogin'i Kenià (BAKE) [2] tamin'ny taona 2012, ny Kenyan Blog Awards, fantatra koa amin'ny anarana hoe Loka BAKE, dia mankasitraka sy manome loka [3] manokana ho an'ireo mpitoraka bilaogy Keniàna miavaka. Misokatra ho an'ireo Keniàna sy ireo marika izay miasa ao Kenià rehetra ny fifaninanana, hoy ireo mpikarakara.

Ny fifaninanana dia nanomboka tamin'ny [4] dingana fanekena, ny 8 Janoary hatramin'ny 10 Febroary 2016. Avy eo ireo mpitsara [5] nifidy ny bilaogy dimy tsara indrindra isaky ny sokajy, nialohavan'ny fifidianana tamin'ny alalan'ny tambajotra nosokafana ho an'ny rehetra tamin'ny 3 Martsa 2016.

Ireo mpandresin'ny taona 2016 dia ho ambara ampahibe-maso ny 7 May 2016.

Jereo ny lahatsary amin'ny YouTube eto ambany mikasika ireo hevitra misongadina tamin'ny Kenyan Blog Awards 2015:

Misy sokajy 19 [6] amin'ity taona ity, taorian'ny nanampian'ireo mpikarakara sokajy iray, Biloagim-Pinoana na Ara-panahy Tsara Indrindra.

Jereo ny lisitr'ireo olona voatendry [7] ho an'ireo sokajy 19 ao amin'ny tambajotran'ny loka, ary alefaso ato [8] ny safidinao.