Efa an-dalana ny Kenyan Blog Awards 2016, fifidianana amin'ny alalan'ny tambajotra mikasika ireo Loka ho an'ny Bilaogy Keniàna 2016. Nanomboka ny 3 Martsa ny fifidianana ary hitohy hatramin'ny 1 May 2016.
Natomboky ny Fikambanan'ireo Mpitoraka Bilaogin'i Kenià (BAKE) tamin'ny taona 2012, ny Kenyan Blog Awards, fantatra koa amin'ny anarana hoe Loka BAKE, dia mankasitraka sy manome loka manokana ho an'ireo mpitoraka bilaogy Keniàna miavaka. Misokatra ho an'ireo Keniàna sy ireo marika izay miasa ao Kenià rehetra ny fifaninanana, hoy ireo mpikarakara.
Ny fifaninanana dia nanomboka tamin'ny dingana fanekena, ny 8 Janoary hatramin'ny 10 Febroary 2016. Avy eo ireo mpitsara nifidy ny bilaogy dimy tsara indrindra isaky ny sokajy, nialohavan'ny fifidianana tamin'ny alalan'ny tambajotra nosokafana ho an'ny rehetra tamin'ny 3 Martsa 2016.
Ireo mpandresin'ny taona 2016 dia ho ambara ampahibe-maso ny 7 May 2016.
Jereo ny lahatsary amin'ny YouTube eto ambany mikasika ireo hevitra misongadina tamin'ny Kenyan Blog Awards 2015:
Misy sokajy 19 amin'ity taona ity, taorian'ny nanampian'ireo mpikarakara sokajy iray, Biloagim-Pinoana na Ara-panahy Tsara Indrindra.
Jereo ny lisitr'ireo olona voatendry ho an'ireo sokajy 19 ao amin'ny tambajotran'ny loka, ary alefaso ato ny safidinao.