- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsenan'i San Juan Sy Ny Henan'ny Liona, Iray Amin'ireo Tsiambaratelon'ny Tanànan'i Meksika Tsara Tahiry Indrindra

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Mediam-bahoaka, Sakafo, Tsidika
Locales en el mercado de San Juan. Imagen del autor.

Toeram-pivarotana ao an-tsenan'i San Juan Market. Sary: J. Tadeo.

Toerana iray amin'ireo tsy dia voatsidiky ny mpizahatany tonga mitsidika  ny Tanànan'i Meksika ny tsenan'i Ernesto Pugibet. Fantatra tsara amin'ny anarana hoe “San Juan”, ary miorina tsy dia lavitra loatra ny Ivon-toerana ara-tantara [1], miavaka amin'ireo hafa rehetra ao an-tanàna ilay tsena noho ireo karazana hani-masaka ao aminy, ary hatramin'ireo hena tsy fahita firy toy ny voay sy ny liona.

Ity no fomba famaritan'ny tambajotra Tsidiho i Meksika [2] an'ilay tsena:

En unas cuantas palabras: lo que hace único a este sitio es que aquí es posible encontrar manjares que no se venden en ningún otro lado.

Raha lazaina amin'ny teny fohy, izay maha-tokana io toerana io dia satria afaka hitanao ao ireo hainahandro manokana izay tsy afaka vidiana any an-toeran-kafa.

Efa ho zato taona mahery izao no fantatra ny tantaran'ilay tsena, fony izy mbola nitondra anarana hafa. Nanjary tafajanona io noho ny fanomezana avy amin'ny mpivarotra iray fanta-daza teo an-toerana. Manambara ny tambajotra San Juan [3] fa:

Sus orígenes se remontan a hace casi 120 años, cuando se conocía como mercado Iturbide. Ahí se expendía toda clase de víveres y enseres para los pocos habitantes de la capital. Tiempo después, el señor Ernesto Pugibet –quien le da nombre a la calle donde se ubica el mercado hoy día– donó el terreno para la creación de este espacio comercial.

Efa ho 120 taona ny niandohan'ny tsena, hatramin'ny nahafantarana azy ho tsenan'ny lturbide. Eto, amidy amin'ireo teratany vitsivitsy ao an-drenivohitra avokoa ireo karazan-javatra sy ireo sakafo rehetra ilaina . Fotoana fohy taty aoriana, Andriamatoa Ernesto Pugibet, izay nanome ny anarany ho an'ny arabe izay misy ilay tsena, no nanolotra ny toerana mba hananganana io toeram-pivarotana io.

Ankehitriny, tsy ny fahafahana mividy vokatra vaovao fotsiny no atolotry ny tsenan'i San Juan, fa koa sakafo sy tsakitsaky azo hanina ao an-tsena. Mahazatra manokana aminìizany ireo mofo sesika (sandwiches) sy ny mofo nasiana fromazy aryhena voakarakara, toy ny salamis, chorizos isankarazany, hena omby natono, sy ny sisa—nafarana avokoa ireny rehetra ireny. Amin'ny ankapobeny, manolotra santionana vokatra ho an'ireo mpanjifany ireo olona manana fivarotana lehibe, koa maninona moa? ary divay iray vera mba hampiarahana amin'ireo mofo sesika ihany koa.

Bocadillo servido en un local de productos madurados en el mercado de San Juan. Imagen del autor.

Mofo seseika aroso any  amin'ny magazay mivarotra hena mahasalama ao an-tsenan'i San Juan. Sary: J. Tadeo

Ny fomba hahafahanao misakafo ao an-tsena dia mamadika azy io ho toerana azo ampiasaina avy hatrany ho an'ireo mpitsidika izay mitady zavatra hafa nohon'ny efa fanolotra nahazatra ny tanàna.

Mety hahazo ireo hena vaovao tsy fahita firy toy ireo voalaza ao amin'ny tranonkala Mexico Desconocido [4] ireo tompontany sy mpitsidka izay manantena hividy sakafo ho hahandroina:

Armadillo, iguana, zorrillo, venado; mucho y buen conejo, lechón, cabrito y carnero aquí se venden. De Honduras llega carne de tepezcuintle y de Texas la de jabalí; también de avestruz, búfalo, cocodrilo de Florida… Hasta de león. Procede de leones de criadero, es una carne algo dura y un poco ácida, diferente a todas, de color grisáceo.

Armadillo, androngo, ‘skunk’, zanakisoa natsatsika, osy, hena orsa, ondry ary koa ireo karazam-bitro tsara kalitao dia samy hita amidy eto avokoa. Misy tepezcuintle [karazam-biby vaventy mpikiky] avy ao Honduras, ny lambo avy any Texas, aotrisy, ombidia, ary koa ny voay avy ao Florida….. Na ny liona aza, izay avy amin'ireo liona nompiana. Hena somary mafy sy marikivy, hafa noho ireo hafa rehetra ary manana loko volondavenona.

Mercado de San Juan en la Ciudad de México

Tsena San Juan ao an-tanànan'i Meksika. Sary : J. Tadeo

Na izany aza, tsy voafetra ho avy amin'ireo biby mandady amin'ny tany fotsiny ny tolotra. Tahaka ny voalazan'ilay tambajotra [4]

Las pescaderías son los locales más famosos de San Juan. Anguilas, mantarrayas y tenazas de cangrejo moro se asoman en los limpios locales entre el atún y el salmón frescos; menos comunes son el percebe –molusco que crece en las rocas– esmedregal –pescado para la comida cantonesa– cigala, langostino danés, cangrejo de Alaska…

Ireo magazay mpivarotra hazan-dranomasina no tena fanta-daza ao San Juan. Amalona, ‘manta rays’, ary ireo drakaka ao Florida milahatra amin'ny ‘thon’ sy ‘saumon’ vaovao avokoa ireo rehetra ireo ao anatin'ireo toeram-pivarotana tsy misy pentina. Ireo ‘barnacles’ (‘mollusque’ miaina amin'ny toerana vatovatoana) no tsy dia fahita firy, cobia (trondro fampiasa amin'ny lakozia Cantonese), ny orana, ny orana Danoà, ny drakaka avy ao Alaska…..

Ny ankabeazan'ireo hena atolotra ao amin'ny tsenan'i San Juan dia vaovao ho an'ny nahandro Meksikana nentim-paharazana, noho izany ny fivarotana azy ireo dia misarika ireo mponina sy ireo vahiny liana te hahafanta-javatra, ary mitarika famoronana ho an'ireo sefo mpahandro sy ireo mpanao hanimasaka izay tonga ao an-tsena mba hanangona tahiry ho laron-tsakafo.

Io koa no toerana iray amin'ireo izay ahitanao izay rehetra ilaina ao an-trano mba hikarakarana ny sakafo mandritra ny Noely sy ny Taombaovao voalaza ao anatin'ity tantara voalaza tany aloha ity. [5]

Mananararaotra ny asa fizaràna ireo sary sy fanehoankevitra mikasika ny fahaizana mahandro sakafo ao San Juan ireo mpampiasa Twitter toa an'i FatiRomFlowers

The best shellfish EVER @mercadosanjuan [7] #almejachocolata [8] pic.twitter.com/a7VtB1ovny [9]

— FatiRomFlowers (@Florerobrillant) January 12, 2016

Ny akorandriaka tsara indrindra TSY FAHITA FIRY @mercadosanjuan [7] #almejachocolata [8] pic.twitter.com/a7VtB1ovny [9]

Nizara ireto sary manaraka ireto ho an'ireo mpanjohy azy i VYV :

I was delighted with the @mercadosanjuan [7]. Everything is super fresh and the people are lovely. #CDMX [11] pic.twitter.com/MoZ0hzrL8H [12]

— VYV (@sfmakesmerich) March 24, 2016 [13]

Tretrika aho miaraka amin'ny @mercadosanjuan [7]. Tena mbola vaovao avokoa ny entana rehetra ary mahafinaritra ny olona. #CDMX [11] pic.twitter.com/MoZ0hzrL8H [12]

Mitana ny toerana voalohany i San Juan ao amin'ny tambajotra HelloDF [14]  amin'”ireo tsena 10 ao an-tanànan'i Meksika izay tsy maintsy jeren'ny rehetra” ary tsy tokony hafangaro amin'ny Tsena Monisipalin'i San Juan ao anaty vondrom-piarahamonina Juarez Pantitlán ao amin'ny Fanjakàna Meksikana [15] mifanila aminy. Ireo olona liana te-hanaraka ireo mpivarotana ao San Juan amin'ny Twitter dia afaka manao izany amin'ny kaonty @mercadosanjuan [7].