Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tapitra Hatreo ny Vanim-Potoanan'ny Ekstremisma Mizakatena

Residents of Dublin show solidarity with victims of a bomb blast in Ankara that killed over 100 people. Screen capture from YouTube video shared by Workers Solidarity Movement.

Mponina ao Dublin maneho firaisankina amin'ireo niharam-boina tamin'ny fipoahana  baomba tany aminy. Ankara izay namonoana olona 100 ny Oktobra teo. Dika sary tao amin'ny YouTube video nozarain'ny Hetsiky ny Mpiasa Miray Hina.

Taorian'ny fanafihana roa izay namoizana ain'olona 30 raha kely indrindra  ny marainan'ny 22 Martsa tany Bruxelles, dia  tohina indray ny Eoropeanina  nahita ny fihanak'ireo ekstremista eny amin'ny toerana noeritreretina ho azo antoka amin'izao tontolo izao.

Hatramin'ny taona vitsivitsy lasa izay,  ny ankamaroan'ny fanaovana vy very ny aina dia nitranga tany amin'ireo firenena Afovoany Atsinanana  ary ny vaovao toy izany dia zara raha fantatry ny olom-pirenena izay any amin'ny firenena manankarena kokoa. Ankehitriny, anefa, lasa tena iraisampirenena ny fampihorohoroana. Ny aizina ambanin'ny fanatontoloana no mandrahona ny manankarena sy ny mahantra, ny Silamo sy ny tsy mino an'Andriamanitra, ny Belza sy Tiorka, ary tsy ahitana fihatsarana izany.

Ny fipoahana tamin'ny 13 Martsa  izay namoizana ain'olona 37 tao Ankara, Torkia, dia nahatonga ahy hanahy zavatra roa. Misy amintsika izay migoka ny tombontsoa eo amin'ny fiainana feno fanambinana sy aty amin'ny zoro sivilize eto amin'izao tontolo izao dia tsy mora entanim-po araka ny inoantsika amin'ity tsy rariny mihoatra sisintany ity.

Olom-pirenena Tiorka aho, manana mari-pahaizana amin'ny Masters tao Roma. Nipetraka tany amin'ity tanàna eoropeanina ity hatramin'ny Septambra 2015, ary nandritra izany fotoana izany no nahazahoako namana avy any Italia, Alemaina, Georgia, Però, Frantsa sy ny firenena maro hafa.

Manana  fahatsiarovana velona ny alin'ny 13 Novambra 2015 aho, raha nanafika sy namono olona 130  tao Parisy ny mpampihorohoro .

“. . . Hafahafa ny tsy nahitana izany fanohanana izany roa herinandro talohan'io raha nisy fanafihana tao Ankara nataon’ ny vondrona nasionalista Kiorda TAK (Voromaherin'ny Fahafahana Kurdistan). Na dia eo aza ny tambajotra iraisampirenena an'ireo namana tao amin'ny Facebook, dia tsy nisy na dia iray akory aza  nametaka sary kintana sy sila-bolana Tiorka tamin'ny sarintavany. . . “

Nisy tamintsika no niomana hivoaka hariva no nandre ny vaovao. Maro tamin'ny namantsika no tsy nifandray tamintsika tamin'iny alina iny, satria nanana namana tafajanona tao afovoan'i Parisy, sady nanahy ny mety ho fanafihana hiverimberina manerana an'i Eoropa. Tena natahotra ihany koa ny tenako. Ho an'ireo  nivoaka dia ilay fanafihana no nandrakotra ny tontolo sy ny resaka hariva tontolo, dia ny resaka fanafihana no nibahan-toerana. Ny andro manaraka dia toy izany koa.  Nankahery ny olona tao Parisy izao tontolo izao. Nametaka  ny sarintavany miaraka amin'ny sarin'ny sainam-pirenena frantsay ireo mpiserasera Facebook .

Hafahafa ny tsy nahitana izany fanohanana izany roa herinandro talohan'io raha nisy fanafihana tao Ankara nataon’ ny vondrona nasionalista Kiorda (TAK) (Voromaherin'ny Fahafahana Kurdistan). Na dia eo aza ny tambajotra iraisampirenena ahitna ireo namana tao amin'ny Facebook, dia tsy nisy na dia iray akory aza  nametaka sary kintana sy sila-bolana Tiorka tamin'ny sarintavany  (tsy voatery aho hanohana ireo mpisera Facebook mampiseho firaisankina), namoaka vaovao maro, na nanavao ny satany mifandray tamin'ny zava-nitranga.

Ny andro taorian'ny fanafihana, saika tsy nisy nanontany ny namako sy ny fianakaviako tao Torkia ny ankabeazan'ireo namana mpiara-mianatra programa Master. Tsy nisy hetsika maneran-tany  tao amin'ny Twitter nanameloka ny zava-nitranga mahatsiravina. Rehefa nijery ny endrik'ireo namako aho, rehefa avy nanamarina tamin'ny haino aman-jery sosialy, izay rehetra hitako dia tsy nisy niraharaha.

Tsapako tena kivy aho, satria tsy noraharahiana ny iray amin'ireo singa manan-danja indrindra amin'ny mari-panondroana ahy. Tsy raharahian'ny olona ao amin'ny firenena izay hipetrahako sy hianarako ny fiainan'ny fianakaviako, ny namako, ny olon-tiana monina ao anatin'ny faritry ny firenena izay nahaterahako .

Dia nahatsapa aho avy eo fa ny nahaliana (kokoa) ireo Eoropeanina maro izay nifanerasera tamiko ny 3 miliara € fanampiana  natolotra an'i Torkia avy amin'ny Vondrona Eoropeanina mba hananganana “toerana Fiandrasan'ny mpifindramonina” (mihoatra noho ireo) olona maro maty tamin'ny fanafihana fampihorohoroana tamin'izany tany izany. Sadaikatra aho amin'izy ireo, mandra-pahatsiarovako ny tsy firaharahian'ireo olona any amin'ny faritra mandroso kokoa ato amin'ny firenena ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ampiharina amin'ny faritra hafa ato Torkia izay heverin-dry zareo ho mampidi-doza sy tratra aoriana ara-pandrosoana.

“. . . mandra-pahatsiarovako ny tsy firaharahian'ireo olona any amin'ny faritra mandroso kokoa ato amin'ny firenena ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ampiharina amin'ny faritra hafa ato Torkia izay heverin-dry zareo ho mampidi-doza sy tratra aoriana ara-pandrosoana. “

Nahatsiaro menatra amin'ireo mpiray tanindrazana amiko manohy manohana an-jambany ny politikan'ny mpitondra be hambo sy tenda an-kanina indrindra ao Torkia hatrizay, tsy miraharaha raha manana andraikitra ilay lehilahy amin'ny herisetra mihamitombo atao amin'ny olon-tsotra terena hiaina anaty tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina any amin'ny toerana tahaka an'i Cizre, Sur ary ny distrika ao amin'ny faritra firenena Kiorda.

Ny fifidianana tamin'ny Novambra 2015 izay nanome fehim-potoana fiasana hafa indray ho an'ny Filoha Recep Tayyip Erdogan sy ny Antoko Rariny sy ny Fampandrosoana  (AKP) mitondra amin'izao fotoana izao ao anatin'ny tontolon'ny tahotra sy ny rà mandriaka, toe-draharaha nilazan'ny AKP fa tsy hisy ny ny fandriampahalemana sy ny fahamarinan-toerana raha tsy mitohy ny fitondrany. Mampijaly sy mampatahotra ny mpifidy ny antoko satria izany no nahatonga ny fiverenan'ny ady an-trano naharitra am-polo taona hiverina mafimafy kokoa indray aorian'ny fe-potoana milamina. Ireo izay nifidy ny AKP dia novaliany soa  tamin'izany. Ary ankehitriny ny tanàna lehibe indrindra any andrefan'i Torkia dia ampitahorin'ny fanafihana karakarain'ny antsoina hoe vondrona mpanohana ny Kiorda  toy ny Tak.

Ny fanafihan'ny TAK ao Ankara, izay nitranga telo herinandro izay (lahatsoratra teny anglisy), dia nahafatesan'olona 65. Ny antsafa vao haingana nataon'ny BBC amin'ny fiteny tiorka nifanaovana amin'ny mpitondratenin'ny Vondrom-piarahamonina Kiordistana (KCK), fikambanana naorin'ny Antokon'ny Mpiasa Kiordistana (PKK), no nandrenesana fa mikasa hanao fanafihana bebe indray any Andrefan'i Torkia amin'ny volana maromaro ho avy ny PKK.

Arakaraky ny itomboan'ny isan'ny maty ao amin'ny faritra Kiordan'i Torkia no mety isian'ny fanafihana any Ankara na Istanbul. Ary raha mitombo ny herisetra any Afovoany Atsinanana, dia ho lasa mora mamparefo kokoa ny tanàna any Eoropa izany. Tapitra hatreo vaninandron'ny ekstremista mizakatena. Afaka miely na aiza na aiza ny herisetra.

Handresy tsy firaharahiana

Fa na mikimpy maso manoloana ny tsy fandriampahalemana sy ny herisetra miverimberina isan'andro any amin'ireo faritra hafa amin'izao tontolo izao aza ireo olom-pirenena zatra fahamarinan-toerana sy tombontsoa, dia tsy azo ihodivirana ny fihanaky ny fanafihan'ireo ekstremista amin'ireo faritra milamina hatrizay , na any Torkia Andrefana na any Eoropa Andrefana. Ireo izay tsy mijanona manotany ny herisetra tafahoatra ataon'ny miaramila Tiorka amin'ireo mponina Kiorda Atsinanana dia tsy tokony ho tohina raha misy trangan-kerisetra mitovy vaika amin'izany mitsidika ireo toerana  antsoiny ho tranony. Tahaka izany ihany, raha mbola mikimpy maso manoloana ny fandatsahan-dra any Afovoany Atsinanana ny vahoaka Tandrefana, na io nataon'ny miaramila ao amin'ny fireneny  na ataon'ny vondrona ekstremista toy ny ISIS, dia azo antoka fa mbola hiely ny firedaredan'ity korontana ity.

“. . . . Fa taorian'ny fisian'ny fanafihana fanaovana vy very ny aina tamin'ny baomba izay nitranga tao Taksim, afovoan-tanànan'i Istanbul, tamin'io asabotsy maraina io, dia tsy nahasahy nivoaka toy ireo olona an-tapitrisany mbola velona tao an-tanàna, aho. . . . Ny ao an-trano no toerana heverinao fa azo antoka indrindra, fa ny hany tsapako dia tahotra sy fandrika”

Nanoratra i Antonia Fraser, ilay mpanoratra britanika fa “arakaraky ny  hanenjehanao olona, ​no vao maika hanelezanao ny fampihorohoroana.” Ny olona misitraka fanambinana mahatsiaro ‘sambatra kokoa’, na ‘mahazo antoka kokoa fa voaaro’ eto ambonin'ny tany no tsy maintsy mampiaka-peo hanohitra ny famoretana mitranga manerana ny faritra hafa amin’ izao tontolo izao. Tsy tokony ny mpitsoa-ponenana, izay mitady fialokalofana any Eoropa ary efa ahilikilika sy efa iharan'ny favakavahana, no tabatabain'ny Tandrefana fa ny politika tia adin'ny governemantany, izay maro no manana anjara fototra amin'ny fanakorontanana iraisampirenena tsy misy fiafaràny any Syria. Tsy vahaolana ny mampiseho fankahalana ireo mandositra ny herisetra any an-tanindrazany. Ny fampiroboroboana ny fandraisana anjaran'ny fiarahamonim-pirenena amin'ny fanapahan-kevitra ara-politika no fomba mahomby kokoa ny fitadiavana vahaolana samy mahazo tombony.

Tany Istanbul aho ny faran'ny herinandro teo mba hitsidika namana izay tsy hitako efa ho enim-bolana. Tena nientanentana tokoa aho ny hiverina any an-tanindrazana, mba hiaina ny fitazanana mahazatra an'i Bosphorus sy ireo zavatra nampanembona ahy nandritra ny fotoana tsy naha teo ahy. Fa taorian'ny fisian'ny fanafihana fanaovana vy very ny aina tamin'ny baomba izay nitranga tao Taksim, afovoan-tanànan'i Istanbul, tamin'io asabotsy maraina io, dia tsy nahasahy nivoaka toy ireo olona an-tapitrisany mbola velona tao an-tanàna, aho, ka dia tsy nahita ny maro tamin'ny namako tamin'ny farany. Ny ao an-trano no toerana heverinao fa azo antoka indrindra, fa ny hany tsapako dia tahotra sy fandrika. Nahatsapa tahak'izany koa aho tamin'ny zava-nitranga tany Roma toy izany , ary tsy maniry ny havako ahita zavatra toy izany fandrahonana izany aho.

Any amin'ny namako sy ny vahoaka rehetra monina any Bruxelles ny eritreritro sy ny foko. Tsapako ny tahotra sy ny alahelony lalina. Saingy ny faniriako dia hoan'ny rehetra mba hahatsapa ireo zavatra ireo aorian'izay zava-mitranga rehetra ao anatin'izao fipariahan'ny herisetra izao, na aiza na aiza mety hisian'izany eto amin'izao tontolo izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.