Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices Podcast: Panama Papers Ahoana?

Amin'ity herinandro ity isika dia ho entinay any Azerbaijan, Chile, Filipina, Pôlônina ary Shina ianao.

Voalohany, hitodi-doha any Pôlônina isika fa mafana ny rivotra politika any, rehefa nanohana ny volavolan-dalàna handrara tanteraka ny fanalan-jaza ny praiminisitra vehivavy voalohany ao amin'io firenena io. Tsy ela taorian'izany dia nisy hetsika Facebook iray antsoina hoe “Fotoana mavesatra ho an'ny Governemanta” nandrisika ny vehivavy hamoaka ny antsipirihan'ny fahatongavan'ny fadim-bolan-dry zareo eo amin'ny pejy ofisialin'ny praiminisitra. Ny mpandray anjara Anna Gotowska ato aminay no mitondra ho antsika ny tantara [mg]. 

Avy eo isika mitodi-doha any Chile, izay itantaran'ny mpandray anjara Shirley Campbell amintsika ny tolona tolona ataon'ny Afro-Chileana Afro-Chileana ao amin'ny firenena hankatoavana ny ampidirana azy ireo ho isam-bahoaka. Avy eo ao Nagorno Karabakh, izay nidona-tsetroka rehefa nipoaka ny fifandonana teo amin'ny tafika Azeri sy Armeniana tamin'ny 2 Avrily lasa teo. Notaterin'i Winston Obertan io tantara io.

Nampidirin'ny Tonia Azia Atsimoatsinanana Mong Palatino antsika i  Gregoreo Y. Zara [mg] injeniera iray avy ao Filipina. Zara no namorona ny antso telefonina-televiziona, fantatra ihany koa amin'ny hoe videofonina.

Mamarana ity fizarana ity isika amin'ny antsafa nifanaovana tamin'i Oiwan Lam, tonian'i Azia avaratra atsinanana ato aminay, momba ny Panama Papers (taratasin'i Panama). Fahavakisan-tsiambaratelo nivoaka vao tsy ela akory izay amin'ny fanararaotan'ny avo ara-tsaranga ireo paradisan-ketra — amin'ny fomba tsy ara-dalàna indraindray. Niteraka lohateny lehibe nanerana izao tontolo izao ity tantara ity — ankoatra ny tao Shina — izay niasa mafy ny mpanao sivana an-tserasera hanaovana izay tsy hahafantaran'ny Shinoa na inona na inona na kely fotsiny ihany momba ity fahavakisan-tsiambaratelo ity.[mg]

 

Amin'ity fizaran'ny Herinandro ao amin'ny Global Voices ity izahay nanasongadina mozika voaaro amin'ny Creative Commons avy amin'ny Arisivan-Kira Malalaka (Free Music Archive), anisan'izany ny Please Listen Carefully avy amin'i Jahzzar, Halbi Gijh avy amin'i Thiaz ItchMario Bava Sleeps In a Little Later Than He Expected To avy amin'i Chris Zabriskie, Can I Talk To You avy amin'i Podington Bear, ary At the Lab We Work and Play avy amin'i Good Old Neon.

Henon'ny mpihaino ihany koa ny Cumbia Bichera by El Remolón, nmpiasaina noho ny alalana avy amin'ny music label Pueblo Nuevo.

Ny fandraisam-peo Ny Herinandro tato amin'ny Global Voices dia nampiantranoin'ny toniam-baovaon'ny Global Voices, Lauren Finch sy ny tenako — Tonia Mpanatanteraka ato amin'ny Global Voices. Manantena hihaino ny feonay indray afaka tapa-bolana.

Hajian-tsary Soundcloud ahitana ireo Shinoa mpitondra firenena mifangaro amin'ny sarin'ny  Panama papers [taratasin'i Panama]. Sary Orizinaly avy amin'i ICIJ.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.