Tsy Misy Mifanaraka Amin'ny Fotopinoana Mihitsy Ny Fomba Ataon'ireto Pretra Rosiana Ireto

Image: TheRealComicBookGamer / YouTube. Edited by Kevin Rothrock.

Sary: TheRealComicBookGamer / YouTube. Navoakan'i Kevin Rothrock.

Manadihady momba nipetrahan'ny angidimby iray hafahafa tao amin'ny arabe iray migodàna ao ivelan'ny tanàna ny biraon'ny fampanoavana ao amin'ny distrikan'i Nizhny Novgorod. Lahatsary azo avy amin'ny Dashcam, izay toa voarakitra tamin'ny Sabotsy 9 Aprily, no nipoitra tao amin'ny YouTube tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity, mampiseho ny fomba nataon'ny fiara roa miloko mainty nibahanana làlankely tery miainga avy amin'ilay lalambe ka mamakivaky kijàna iray midadasika.

Ao anatin'ilay lahatsary, misy angidimby kely iray mipetraka eo anelanelan'ireo fiara, ary eo akaiky eo misy olona maro mitafy rebareba nivoaka avy tao anaty fiara sy ilay angidimby (milaza ilay rangahy nandrakitra ny lahatsary fa pretra Ortodoksa Rosiana izy ireo). Nitondra harona ireo lehilahy ireo ary niaraka niala teo nandeha tamin'ny fiara tokana.

Ny tabloid LifeNews sy ny media mpomba an'i Kremlin no nitatitra voalohany ilay tantara, tamin'ny filazana fa efa nanokatra fanadihadina momba ilay tranga ny fampanoavana ao an-toerana hijerena raha nahazo alàlana ara-dalàna ireo pretra (na ireo lehilahy hita ao anaty lahatsary) hampiasa ny faritry ny habakabaka hanaovany fipetrahana hafahafa tahaka izany.

Raha tsaraina avy amin'ny rakitry ny geolocation niseho tao anatin'ilay lahatsary, dia teny amin'ny làlana manasaraka ny tanànan'i Khvoshchevka sy Oranki (eo amin'ny 70 miles / 112,5 km any atsimon'i Nizhny Novgorod). Misy monastery Ortodoksa Rosiana ao Oranki (izay nalehan'ireo fiara sy ilay angidimby).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.