- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Inona Ny Sioka Alefan'ny Olona Rehefa Miandry Ny Fandalovan'ny Lalamby?

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Hevitra, Mediam-bahoaka, Vaovao Tsara, Zavakanto & Kolontsaina, GV Summit 2012
Shakuji Park Crossing, Seibu Ikebukuro Line, Tokyo. Screencap from YouTube user hitorikamonen channel.

Fiampitàna ao amin'ny Zaridaina Shakuji, Seibu Ikebukuro Line, Tokyo. Pikantsary avy amin'ilay mpiserasera YouTube  hitorikamonen [1].

Araka ny tombana sasany, mihoatra ny 3.000 kilometatra ny lalan'ny fiaran-dalamby [2] miolakolaka manerana an'i Tokyo, izay mametraka ny renivohitr'i Japana ho manana lalamby mikitroka indrindra [3] manerantany.

Raha mahatonga ny fitaterana an-dalamby ho mora sy mety ho an'ny mponin'i Tokyo izany, mety mahatonga ny mpitondra môtô, mpitondra bisikileta sy ny mpandeha tongotra hiandry ela kosa ny lalana  [4] fiampitàn'ny fiaran-dalamby miisa [4]34.000 [4](踏 切, fumikiri) ao Tokyo.

Mpikambana iray [5] ao amin'ny fikambanana malaza mizara sary-soratra amin'ny aterineto Japoney Matome Naver nanatsonga votoaty malaza momba ny sioka alefan'ny olona eo am-piandrasana ny fandalovan'ny lamasinina [6]izay mampiseho ny sarin'ireo olona samihafa mikasika ny iray amin'ireo zava-iainana malaza indrindra ao aminny renivohitra.

Ka ahoana ny fiandrasana ny fiaran-dalamby androany?

Misy kosa ireo olona mitatitra zavatra tsy mahazatra na mampihomehy hitan'izy ireo rehefa eo am-piandrasana ny fandalovan'ny fiaran-dalamby.

Ao amin'ny fiampitàna, miandry ny fandalovan'ny lamasinina. Milahatra am-pahendrena ao ambadiky ny soavaly iray ny olona.

Ahafahan'ny sasany manararaotra mandinika ny manodidina azy ireo akaiky kokoa ny fiandrasana ny fampiakarana ny vavahady amin'ny lalana fiampitàn'ny lamasinina.

Eo am-piandrasana ny lamasinina, mahita saka mipoitra eo akaikiko aho….

Ny hafa kosa misafidy hifantoka amin'ny famakiam-boky.

Nifanindry tamin'ny tafio-drivotra tsara ny fotoana nandalovan'ny fiaran-dalamby ary tsy nisokatra nandritra ny 15 minitra mahery ny vavahadin'ny fiampitàna. Ka mamaky boky fotsiny sisa no ataoko.

Ny sasany kosa nitazana mpandalo.

Misy lamasinina nijanona tao akaikin'ny fiampitàna, ka nidina ny vavahadin'ny lalana fiampitàna. Nisy lahy antitra iray nandany andro nanao karate teo amin'ny sainan'ny vavahady

Misy olona manao fanatanjahatena eo am-piandrasana ny fandalovan'ny lamasinina.

Matetika mandreraka kokoa ny fikasana hiala amin'ity sakana mahazatra sy mandany andro ity noho ny miandry.

Nidina ny vavahady fiampitàn'ny lamasinina, ka nihevitra hiverin-dalana aho. Na izany aza, tsy nahavita izany aho ary nanenina. Angamba tsy tokony hanandrana hihanika rindrina aho amin'ny manaraka.

Matetika isaky ny tsy maintsy miandry ny fiampitàn'ny lamasinina aho. Miezaka miverin-dalana amin'ny lalana somary elaela kokoa. Ary very aho matetika.

Indraindray mifanehatra amin'ny lamasinina tsy dia fahita firy ny olona:

Manararaotra mijery ny hakanto manodidina azy ireo ny olona sasany.

Maraina izao, miandry eto amin'ny fiampitàn'ny lamasinina aho ary mahita ity printy dian-tongo-biby mahafinaritra ity.

きのうの踏切越しの虹。 [20]

A photo posted by @kotobano_aya on

Yesterday I saw a rainbow above the level train crossing.

Nahita avana teo ambonin'ny fiampitàn'ny fiaran-dalamby aho omaly.

Azo jerena eto [6] ireo sioka maro hafa (amin'ny teny Japoney).